Hôsea

Toko faha-6

1 Hoy ianareo roa tonta hoe: Ndeha hiverina amin'ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.

2 Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin'ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany.

3 Amin'izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.

4 Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon'ando izay levona vetivety!

5 Koa ny hafatr'ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan'ny andro.

6 Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.

7 Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana, tao ianareo no namadika Ahy.

8 I Gilehada dia tananan'ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin'ny falehany.

9 Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon'ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina izany!

10 Zava-maharikoriko no hitako tao amin'ny fanjakan'i Israely. Ny fivarotan-tenan'i Efraima no ao ka mahaloto an'i Israely.

11 Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0666