Hôsea

Toko voalohany

1 Ny teny izay nampitain'ny TOMPO tamin'i Hosea zanakalahin'i Beery tamin'ny andron'i Hozia sy i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia mpanjakan'i Joda, sy tamin'ny andron'i Jerobohama zanakalahin'i Joasy sady mpanjakan'i Israely.

2 Fony nanomboka niteny tamin'ny alalan'i Hosea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin'ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin'ny TOMPO no ataon'ny mponina eto amin'ny tany.

3 Dia nandeha naka an'i Gomera zanakavavin'i Diblaima i Hosea; ary nitoe-jaza taminy ravehivavy ka niteraka zazalahy.

4 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hosea: Ataovy hoe Jizrehela ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak'i Jeho noho ny ra latsaka tao Jizrehela; ary hofaranako ny fanjakan'ny taranak'i Israely.

5 Amin'izany andro izany dia homontsaniko eo amin'ny lemak'i Jizrehela ny herin'i Israely ara-tafika.

6 Nitoe-jaza indray i Gomera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin'i Hosea: Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany, satria tsy haneho fitiavana intsony amin'ny taranak'i Israely Aho; eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.

7 Fa hotiaviko kosa ny taranak'i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipika na amin'ny sabatra na amin'ny ady, na koa amin'ny soavaly na amin'ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin'ny anarako.

8 Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama, dia nitoe-jaza indray i Gomera ka niteraka zazalahy.

9 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hosea: Ataovy hoe Lo-Hamy ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0597