Hôsea
Toko faha-10
1 Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron'ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan'ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.2 Feno fitaka ny fony, ka hianjady amin'ireo olona ireo ny vesatry ny heloka vitany. Izy TOMPO mihitsy no hamotika ny alitaran'ireo sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
3 Ankehitriny hiteny ireo hoe: Tsy mana-mpanjaka izahay noho ny tsy nanajanay ny TOMPO. Sady soa inona ho anay moa no ho vitan'izay mpanjaka?
4 Miteniteny foana izy no mianian-tsy to sady manao fifanekena, ka ny rariny dia nitrebona toy ny zava-maniry misy poizina eny an-tsaha voaasa eny.
5 Ny mponin'i Samaria dia manaja ilay sarin'ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin'ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr'ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin'izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!
6 Satria io ombilahikely io koa dia hoentina any Asiria ho fanomezana ho an'ilay Mpanjaka lehibe; hahafa-baraka an'i Efraima izany; eny, hangaihay i Israely noho ny sain-dratsiny.
7 Vita hatreo ny amin'i Samaria, fa ny mpanjakany dia toa sila-kazo mitsingevaheva eny ambonin'ny rano.
8 Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan'i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin'izay no hitenenana hoe: Ry tendrombohitra, sarony izahay! Ry havoana, mianjera aminay.
9 Hatramin'ny andron'ilay raharaha izay niseho tao Gibeha no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin'izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibeha ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?
10 Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO: ireo firenena no hifamory hamely azy ho valin'ny heloka roa nataony.
11 I Efraima dia ombivavy kely efa voafolaka tsara ary tia mively vary. Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho, dia nanisy zioga azy: ka i Joda hiasa tany ary i Israely handravona.
12 Mamafaza fahamarinana, dia hijinja fitiavana ianareo. Miasa tany vaovao fa izao no fotoana hitadiavana ny TOMPO, mandra-piaviny handatsaka aminareo ny famonjena.
13 Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. Ry Israely o, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan'ny miaramilanao.
14 Koa hitrangan-tabataban'ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tananamimandanao, tahaka ny nandravan'i Salmana an'i Bety-Arbela tamin'ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin'ireo zanany.
15 Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan'i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan'i Israely.