Hôsea
Toko faha-14
1 Hozakain'ny mponin'i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin'Andriamaniny izy. Ho faty an'ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohoka.2 Ry Israelita o, mba miverena amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3 Miverena amin'ny TOMPO ka milaza aminy hoe: Avelao avokoa ny helokay; ary ho solon'ny vantotr'ombilahy fanolotray dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4 Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin'ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: Ry Andriamanitray o!'; fa Ianao no mamindrafo amin'ny kamboty.
5 Izaho TOMPO dia hanasitrana an'ilay Israely amin'ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan'ny fahatezerako izy.
6 Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamaka tahaka ny hazon'i Libano.
7 Hisandrahaka rantsana izy, ka ho tsara tarehy toy ny hazo oliva ary hamerovero toy ny alan'i Libano.
8 Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libano.
9 Hataon'i Efraima inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.
10 Iza no hendry hahafantatra izany tenin'i Hosea izany, na lalin-tsaina hahalala ny heviny? Fa mahitsy ny sori-dalan'ny TOMPO; ka hizoran'ny olo-marina izany, saingy hahasolafaka ny mpikomy.