Hôsea

Toko faha-7

1 ka te hanasitrana an'i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraimita sy ny haratsian'ny olon'i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.

2 Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.

3 Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.

4 Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan'ny mpanendy mofo intsony hatramin'ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.

5 Amin'ny andro fankalazana ny fetin'ny mpanjakany dia ny herin'ny divay no mamparary ireo mpifehy; ka olona mpaniratsira no raisin'ny mpanjaka tanana,

6 rehefa manatona azy ny mpifehy. Tahaka ny lafaoro tokoa ny fo feno fitaka ananan'ireo: mandritra ny alina dia matory ny fahatezerany; ary nony maraina dia mirehitra tahaka ny afo midedadeda.

7 Mahamay toa lafaoro izy rehetra ka mandringana ireo filohany. Lavo avokoa ireo mpanjakany, nefa tsy mba nisy niantso Ahy akory.

8 Miharoharo amin'ny firenen-kafa i Efraima ka toy ny endi-mofo tsy voavadika.

9 Tsentsefin'ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany; ary mihafotsy ny volon-dohany, nefa tsy fantany akory izany.

10 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon'i Israely. Kanefa izy tsy niverina tamiko TOMPO Andriamaniny; ary, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mba nitady Ahy izy.

11 I Efraima dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an'i Ejipta izy, ary mankany Asiria.

12 Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony.

13 Lozan'ireo olon'i Efraima, satria nandositra Ahy izy. Faharavana no eo aminy, satria nikomy tamiko izy! Ny tenako dia te hanavotra azy; fa izy kosa milaza lainga, isaky ny miteny momba Ahy.

14 Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.

15 Izaho no nanazatra sy nampatanjaka ny sandriny; nefa izy kosa ny amiko dia nisaintsain-dratsy hatrany.

16 Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipika ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556