RĂ´manina

Toko 1 Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apostoly, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly avy aminy.
Toko 2 Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon'ireo melohinao, ataon'ny tenanao koa.
Toko 3 Misy tombony ary ve ny maha Jiosy? Misy mahasoa ve ny famorana?
Toko 4 Inona ary no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy?
Toko 5 Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Toko 6 Inona ary no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana?
Toko 7 Izao, ry havana, dia miteny amin'olona mahalala ny lalana aho. Fantatrareo tsara fa raha mbola velona ny olona no fehezin'ny lalana.
Toko 8 Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa.
Toko 9 Noho izaho tafaray amin'i Kristy, dia ny marina no lazaiko ka tsy mandainga aho; ary tarihin'ny Fanahy Masina ny fieritreretako no mijoro ho vavolombelona miara-manambara amiko
Toko 10 Ry havana, ny irin'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena.
Toko 11 Manontany ary aho hoe: Sao narian'Andriamanitra ny vahoakany? Sanatria izany! Fa izaho koa mbaIsraelita, taranak'i Abrahama sady anisan'ny fokon'i Benjamina!
Toko 12 Ry havana, satria efa nanehoan'Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an'Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.
Toko 13 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin'Andriamanitra avokoa.
Toko 14 Raiso ny malemy finoana, fa aza melohina ny heviny.
Toko 15 Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.
Toko 16 Anafatrafarako anareo fa i Feba havantsika, diakonin'ny Fiangonana any Senkrea.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0398