Rômanina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apostoly, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly avy aminy.2 Ao amin'ny Soratra Masina no efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany io Vaovao Mahafaly io:
3 dia ny amin'ny Zanany, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin'ny taranak'i Davida mpanjaka i Jesoa;
4 araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak'Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin'ny maty.
5 Tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no nandraisanay tombon-tsoa maha apostoly ho voninahitr'i Kristy, mba hitarihanay ny firenen-drehetra hino sy hanaiky Azy.
6 Ary ianareo, voaantson'Andriamanitra mba hatokana ho an'i Kristy, dia isan'ireny olona notarihinay ireny koa.
7 Mamangy anareo aty Roma aho, dia ianareo rehetra malalan'Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
8 Voalohany indrindra dia velom-pisaorana an'ilay Andriamanitro aho amin'ny alalan'i Jesoa Kristy noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran-tany ny finoanareo.
9 Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin'ny foko tokoa amin'ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny Zanany; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho
10 rehefa mivavaka, sady mitalaho tsy an-kijanona mba ho sitrak'Andriamanitra ny hamela ahy ho tody soa aman-tsara aty aminareo.
11 Iriko dia iriko tokoa ny hahita tava anareo hahazoako mampita aminareo fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, mba hankahery anareo
12 na ho mba hiarahantsika mifampirisika eo anivonareo amin'ny finoana iombonantsika.
13 Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankaty aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin'izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin'ny firenena sasany.
14 Saingy ananako adidy avokoa na ny Grika na ny firenen-kafa, na ny manam-pahaizana na ny tsy nahita fianarana;
15 hany ka maika ery aho hanambara ny Vaovao Mahafaly aminareo aty Roma koa.
16 Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.
17 Eny, asehon'ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken'Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona.
18 Efa anehoan'Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an'Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin'ny namana; ka noho ny asa ratsin'ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy.
19 Fa miharihary amin'ny olona ny tokony ho fantany momba an'Andriamanitra taminy.
20 Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin'ny nahariany an'izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ny olona.
21 Nahalala an'Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.
22 Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala.
23 Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka.
24 Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filan'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady.
25 Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen!
26 Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filandratsy mahavoafady. Ka ny vehivavy ao aminy dia manova ny fanao amin'ny vadiny ary zavatra mifanohitra amin'izany no ataony;
27 toy izany koa ny lehilahy ao aminy dia mandao ny fanao amin'ny vadiny, ary manjary maimay mifampila samy lehilahy sady mifanala baraka tena, hany ka mandray ny sazy mendrika ny hadalany.
28 Nataon'ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an'Andriamanitra, ka izany no nanoloran'Andriamanitra azy hoentin'ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:
29 ka dia tonga feno izao tsy rariny, haratsiana, fitiavan-karena sy halozana isan-karazany izao; tonga mpialona, mpamono olona, mpihantsy ady, mpamitaka, mpanao otri-po, mpanely tsaho;
30 tonga mpanaratsy olona, mpankahala an'Andriamanitra, entin-kambo dia toerana, mpirehareha, mpiavonavona, mpamoron-dratsy, tsy manaiky ray aman-dreny,
31 tsy manam-pahalalana, tsy azo itokiana, tsy mifaditra ovana, tsy mahay miantra.
32 Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra izany, ary fantatr'izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.