Rômanina

Toko faha-9

1 Noho izaho tafaray amin'i Kristy, dia ny marina no lazaiko ka tsy mandainga aho; ary tarihin'ny Fanahy Masina ny fieritreretako no mijoro ho vavolombelona miara-manambara amiko

2 fa mafy ny alaheloko ary tsy mitsahatra ny fahorian'ny foko;

3 eny, satriko mihitsy aza ny ho voaozon'Andriamanitra ka ho tafasaraka amin'i Kristy, hanasoavako ireo iray firazanana amiko, havako ara-nofo.

4 Izy ireo no Israelita: natsangan'Andriamanitra ho zanany ary nonenan'ny voninahiny, manana ireo fanekempihavanana sy ny lalana mbamin'ny fombam-pivavahana sy ireo fampanantenana;

5 ary koa manana ny razana niavian'i Kristy ara-nofo, dia i Kristy Ilay ambonin'ny zavatra rehetra, Andriamanitra ankalazaina mandrakizay. Amen!

6 Tsy milaza anefa aho fa foana ny tenin'Andriamanitra saingy izao: tsy izay rehetra nipoitra avy amin'i Israely no tena vahoaka Israely,

7 ary tsy izay rehetra zanak'i Abrahama no tena taranany, fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama hoe: Avy amin'i Itsehaka no hiantsoana taranaka ho anao!

8 Izany hoe: tsy ireo zanaka teraka ara-nofo no tena zanak'Andriamanitra, fa ireo zanaka teraka araka ny fampanantenan'Andriamanitra no heverina ho tena taranaka.

9 Satria toy izao ny teny fampanantenana: Raha avy taona toy izao, dia hiverina aho ka hahazo zazalahy i Sara!

10 Ary tsy izany ihany fa tokana ny rain'ireo zanakalahin'i Rebeka, dia i Itsehaka razantsika.

11 Andriamanitra anefa, mba haharetan'ny fikasany, dia mifidy olona; ary ny fifidianana dia tsy miankina amin'ny asa vitan'ny olona fa miankina amin'ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Koa tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo ary tsy mbola nanao tsara na nanao ratsy, dia izao no tenin'Andriamanitra tamin'i Rebeka: Ny zokiny no hanompo ny zandriny!

13 Izany dia araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: I Jakoba no tiako, fa i Hesao nailiko.

14 Inona ary no holazaintsika? Misy zavatra tsy ara-drariny ve ao amin'Andriamanitra? Sanatria izany!

15 Fa izao no lazain'Andriamanitra amin'i Mosesy: Hamindra fo amin'izay tiako hamindrana fo aho; ary hiantra an'izay tiako hiantrana!

16 Koa tsy izay fanirian'ny olona na izay fiezahany no ahazoany famindrampo fa Andriamanitra no mamindra fo aminy.

17 Ao amin'ny Soratra Masina dia hoy Andriamanitra amin'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, hoe: Izao no antony nanandratako anao ho mpanjaka, dia ny mba hanehoako ny heriko ao aminao ary mba hanambarana ny anarako eran'ny tany tontolo.

18 Koa izay tian'Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.

19 Hisy angamba hilaza amiko hoe: Raha izany no izy, inona no mbola anomezan'Andriamanitra tsiny ny olona? Iza moa no mahatohitra ny sitrapony?

20 Fa mba iza anefa ianao, ry olombelona, no mifamaly amin'Andriamanitra? Moa ve ny zavatra vita tamin'ny tanimanga hanao amin'ny mpanefy azy hoe: Nahoana no toy izao no nanefenao ahy?

21 Sa tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga ve ny mpanefy? Moa tsy azony anaovana zavatra samihafa ve ny vongan-tanimanga anankiray: ka ny zavatra iray, fanaka mihaja; ny zavatra iray kosa, fanaka tsotsotra?

22 Na dia te haneho ny fahatezerany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamanitra, dia be fahari-po ka nandefitra tamintsika izay fanaka mendrika hirehetan'ny fahatezerany sy tokony hosimbana.

23 Izany no ampahafantaran'Andriamanitra fa be voninahitra Izy ka manan-karena ho antsika izay fanaka amindrany fo sady efa voaomany rahateo hahazo voninahitra.

24 Isika manko dia nantsoin'Andriamanitra, tsy avy tamin'ny Jiosy ihany fa avy tamin'ny hafa firenena koa,

25 araka ny lazainy ao amin'ny bokin'i Hosea mpaminany hoe: Ilay tsy vahoakako dia hantsoiko hoe vahoakako; ary ilay tsy malalako dia hantsoiko hoe malalako.

26 Ary eo amin'ny toerana nilazana taminy hoe: 'tsy vahoakako ianareo', dia eo indrindra no hiantsoana azy hoe: 'zanak'Andriamanitra velona'.

27 Ary i Isaia mpaminany dia miantsoantso ny amin'i Israely hoe: Na dia mifanisa amin'ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin'izy ireo ihany no hovonjena;

28 satria hampiharin'ny Tompo tanteraka sy haingana eto ambonin'ny tany ny teniny.

29 Ary izany dia araka izay voalazan'i Isaia taloha hoe: Raha tsy ny Tompon'izao rehetra izao no namela taranaka ho antsika, dia ho efa sahala amin'i Sodoma isika ary ho efa nanahaka an'i Gomora.

30 Inona ary no holazaintsika? Izao: ny hafa firenena tsy nitady ho marina teo anatrehan'Andriamanitra no neken'Andriamanitra ho marina noho ny finoana;

31 fa ny vahoaka Israely, izay nitady lalana hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra, dia tsy tody tamin'izay nokendren'ny lalana.

32 Inona no antony? Satria tsy tamin'ny finoana fa tamin'ny asa vitany no heveriny hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra. Ka dia solafaka tamin'ny vato mahasolafaka ny vahoaka Israely,

33 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiona; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0586