Rômanina
Toko faha-2
1 Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon'ireo melohinao, ataon'ny tenanao koa.2 Fantatsika fa araka ny hitsiny tokoa ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra ho an'ireo izay manao ny asa toy ireny.
3 Sa ianao, ry olona izay manameloka ny manao toy ireny, mihevitra ho afa-mandositra ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra nefa anie ianao koa mba manao?
4 Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoram-pony dia tokony hitarika anao hiala amin'ny toe-dratsy?
5 Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran'Andriamanitra no avosanao ho an'ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan'Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,
6 ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy:
7 homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;
8 hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra sy havinirany kosa ireo mpikomy tsy nanaiky hanao izay hitsiny fa nanaiky hanao ny tsy rariny.
9 Eny, fahoriana sy tebiteby no hahazo ny olona rehetra fatra-panao ny ratsy, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.
10 Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa no ho anjaran'izay rehetra manao ny tsara, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.
11 Fa tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra.
12 Izay rehetra manota ka tsy manana ny lalanan'i Mosesy, dia ho very saingy tsy noho io lalana io; fa izay rehetra manota nefa manana ny lalanan'i Mosesy, dia hohelohina araka io lalana io.
13 Tsia, tsy izay mihaino fotsiny ny lalana no hoeken'Andriamanitra ho marina, fa izay manatanteraka ny lalana no hoeken'Andriamanitra ho marina.
14 Eny, tsy manana ny lalanan'i Mosesy ny hafa firenena; nefa raha misy amin'izy ireo manatanteraka fotsiny amin'izao ny voalazan'ny lalana, dia izy ireo ihany no lalana ho an'ny tenany, na dia tsy manana ny lalanan'i Mosesy aza.
15 Asehon'izy ireo fa voasoratra ao am-pony tokoa ny asan'ny lalana; ka vavolombelon'izany ny eritreriny izay indraindray miampanga azy, indraindray miaro azy.
16 Araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, dia izany no ho hita amin'ilay andro hitsaran'Andriamanitra ny toetra miafin'ny olona tsirairay avy, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.
17 Koa ahoana ary ny aminao izay mitonona ho Jiosy? Mitoky amin'ny lalanan'i Mosesy ianao sady fatra-pirehareha noho ny amin'Andriamanitra.
18 Nampianariny anao ny lalanan'i Mosesy, hoy ianao, ka fantatrao ny sitrapon'Andriamanitra ary hainao fidina ny soa indrindra.
19 Ary dia mihevi-tena ho mpitarika ny jamba sy ho fanilon'izay anaty haizina ianao,
20 ho mpitaiza ny tsy manam-pahendrena sy ho mpampianatra ny ankizy madinika, satria azonao antoka fa ny lalanan'i Mosesy no tena itarafana ny fahalalana feno sy ny hitsiny.
21 Koa ahoana ary ity ianao mampianatra ny sasany, nefa tsy mampianatra ny tenanao? Mitory hoe aza mangalatra, nefa mangalatra?
22 Mandrara hoe aza maka vadin'olona, nefa maka vadin'olona? Miseho ho marikorikon'ny sampy nefa mandroba izay natao fanatitra ho an'ny sampy?
23 Fatra-pirehareha ianao fa hoe manana ny lalanan'i Mosesy, nefa mandika ny lalana, ka manala baraka an'Andriamanitra.
24 Izany tokoa no ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Noho ianareo Jiosy ihany no anevatevana ny anaran'Andriamanitra any amin'ny hafa firenena.
25 Eny, mahasoa anao ny famorana raha manatanteraka ny lalana ianao; fa raha mandika ny lalana kosa ianao, dia toy ny tsy voafora mihitsy.
26 Raha ny tsy voafora no mitandrina ny fepetran'ny lalana, moa tsy hoheverin'Andriamanitra ho voafora ve izy, na dia tsy voafora aza?
27 Koa ilay tsy voafora ara-nofo, nefa manatanteraka ny lalana, no hanameloka anao izay manana ny lalana voasoratra sy ny famorana nefa mandika ny lalana.
28 Tsia, tsy izay miseho ety ivelany no tena maha Jiosy ary tsy izay voafora ara-nofo no tena voafora;
29 fa ny ao anaty no tena maha Jiosy, ary izay voafora ao am-po no tena voafora noho ny asan'ny Fanahy Masina fa tsy noho ny asan'ny lalana voasoratra: ka tsy mba olona no midera azy, fa Andriamanitra mihitsy.