Rômanina

Toko faha-7

1 Izao, ry havana, dia miteny amin'olona mahalala ny lalana aho. Fantatrareo tsara fa raha mbola velona ny olona no fehezin'ny lalana.

2 Ohatra: ny vehivavy manambady dia fehezin'ny lalana mba ho an'ny vadiny, raha mbola velona ny lahy; fa rehefa maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalana mamehy azy amin'ny lahy izy.

3 Koa raha manambady olon-kafa ravehivavy fahavelon'ny lahy, dia atao hoe mpanitsakitsa-bady; fa rehefa maty ny lahy vao afaka amin'ny lalana izy, ka tsy mpanitsakitsa-bady intsony raha manambady olon-kafa.

4 Toy izany koa ianareo, ry havako, tamin'ny alalan'ny tenan'i Kristy dia nanjary maty ianareo raha ny amin'ny lalana mba hanjary ho an'olon-kafa, dia Ilay natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, mba hahavokarantsika asa soa ho an'Andriamanitra.

5 Fa fony isika niaina araka ny naha olona mpanota antsika, dia ny filan'ny fahotana, izay nohetsehin'ny lalana, no niasa tao amin'ireo zavatra anisan'ny tenantsika, mba hahavokarantsika asa mahatonga fahafatesana.

6 Ankehitriny kosa dia afaka amin'ny lalana isika, fa maty tamin'izay namehezana antsika; hany ka fomba vaovao araka ny Fanahy Masina no anompoantsika an'Andriamanitra fa tsy fomba tranainy araka ny lalana voasoratra.

7 Inona ary no holazaintsika? Fahotana ve ny lalana? Sanatria izany! Nefa tsy ho nahafantatra ny fahotana aho raha tsy tamin'ny alalan'ny lalana. Ohatra: tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho, raha tsy ny lalana no nanao hoe: Aza mitsiriritra.

8 Saingy nohararaotin'ny fahotana ny didy hampihetsika ny fitsiriritana rehetra ato amiko, fa maty ny fahotana raha tsy misy lalana.

9 Taloha, fony tsy mbola nisy ny lalana, dia velona aho; fa nony tonga ny didy, dia ny fahotana no velona,

10 fa izaho kosa maty; hany ka ny didy izay natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana,

11 satria nohararaotin'ny fahotana ny didy hamitahana ahy sy hamonoana ahy.

12 Noho izany, dia masina ny lalana; masina koa ny didy, ary ara-drariny sady tsara.

13 Koa ny zavatra tsara ary ve izany no nahatonga fahafatesana ho ahy? Sanatria! Fa ny fahotana, mba hihariharian'ny maha fahotana azy, no nahafaty ahy tamin'ny alalan'ny zavatra tsara; hany ka ny fahotana dia hita ho tena fahotana hiringiriny, amin'ny alalan'ny didy.

14 Fantatsika tokoa fa ara-panahy ny lalana; izaho anefa dia miaina araka ny maha olona mpanota ahy ary namidy ho andevon'ny fahotana.

15 Tsy fantatro be ihany izay ataoko: tsy izay sitrako no ataoko, fa izay halako no tanterahiko.

16 Raha izay tsy sitrako no tanterahiko, dia miaiky ny lalana ho tsara aho;

17 kanefa tsy izaho intsony no manao ny tsy sitrako, fa ny fahotana izay monina ato anatiko.

18 Satria ny tsara, fantatro fa tsy monina ato anatiko, izany hoe ao amin'ny maha olona mpanota ahy. Mba misy ato amiko ihany ny fikasana hanao ny tsara, fa ny fanatanterahana azy no tsy misy:

19 satria tsy ny tsara izay sitrako no tanterahiko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.

20 Kanefa raha ny tsy sitrako no tanterahiko, dia tsy izaho intsony no manao azy fa ny fahotana izay monina ato anatiko.

21 Izao toe-javatra izao ary no tsapako: na sitrako aza ny hanao ny tsara, dia ny ratsy no mahazo laka ao amiko.

22 Fa raha ny ao anatiko ao, dia mahafinaritra ahy ny lalanan'Andriamanitra;

23 nefa misy toe-javatra hafa hitako ao amin'ireo zavatra anisan'ny tenako, dia toe-javatra manohitra ny lalana ankatoavin'ny saiko sady toe-javatra mahatonga ahy ho voafatotry ny fanapahan'ny fahotana izay miasa ao amin'ireo zavatra anisan'ny tenako.

24 Indrisy olona fadiranovana aho! Iza no hanafaka ahy amin'ity tenako izay mampirona ahy amin'ny fahafatesana ity?

25 Kanefa isaorana Andriamanitra Izay hanafaka ahy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika! Koa manompo ny lalanan'Andriamanitra izany aho amin'ny saiko, fa andevozin'ny fanapahan'ny fahotana kosa amin'ny maha olona mpanota ahy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557