Rômanina

Toko faha-13

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin'Andriamanitra avokoa.

2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manda ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay manda dia mihantsy fanamelohana ho an'ny tenany.

3 Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin'ny manampahefana.

4 Satria mpanompon'Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon'Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran'Andriamanitra izy amin'ny fanasaziana ny mpanao ratsy.

5 Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran'Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon'ny fieritreretana koa.

6 Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan'Andriamanitra mitozo amin'io asa io.

7 Aloavy amin'ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin'izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.

8 Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalana.

9 Satria ny hoe aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.

10 Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalana.

11 Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin'ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin'ny andro vao ninoantsika.

12 Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao ary ny asa fanao amin'ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin'ny mazava.

13 Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin'ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana.

14 Fa itafio ny fiadian'i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin'ny maha olona mpanota ho amin'ny filandratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558