Rômanina
Toko faha-4
1 Inona ary no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy?2 Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra.
3 Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina? Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!
4 Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa.
5 Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina.
6 Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:
7 Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana sy nofoanany heloka.
8 Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka!
9 Ho an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Ny finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.
10 Ary ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora;
11 fa ny famorana dia famantarana noraisin'i Abrahama taty aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken'Andriamanitra ho marina;
12 sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.
13 Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalana, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany.
14 Raha ny fanatanterahana ny lalana no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka aty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana.
15 Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra ny lalana; ka raha tsy misy ny lalana, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalana.
16 Noho izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho an'izay mandala ny lalana ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama,
17 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho. Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy.
18 Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga raim-pirenena maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.
19 Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman'ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin'izay, ary koa raha nandinika an'i Sara vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony.
20 Tsy very finoana ny amin'ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an'Andriamanitra izy,
21 sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain'Andriamanitra dia hain'Andriamanitra tanterahina.
22 Izany no nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina.
23 Tsy ho an'i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina,
24 fa ho antsika koa, dia isika mino Ilay nanangana an'i Jesoa Tompontsika ho velona avy tany amin'ny maty.
25 Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason'Andriamanitra.