Rômanina
Toko faha-12
1 Ry havana, satria efa nanehoan'Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an'Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.2 Aza miray lasitra amin'izao tontolo izao; fa meteza hovan'Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.
3 Noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy, dia izao lazaiko aminareo tsirairay avy: aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena, araka ny anjara finoana nomen'Andriamanitra azy avy.
4 Eny, ao amin'ny vatana iray, dia misy zavatra maro anisan'izany vatana izany kanefa tsy mitovy asa avokoa ireo.
5 Dia toy izany koa: na maro aza isika, dia vatana iray ihany noho isika tafaray amin'i Kristy, ka mifampiankina toy ny ifampiankinan'ireo zavatra anisan'ny vatana iray ihany.
6 Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin'ny finoana.
7 Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra.
8 Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.
9 Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahala ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
10 Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin'ny fifanajana.
11 Mazotoa fa aza malaina.
12 Aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
13 Mifalia amin'ny fanantenana, mandraisa anjara amin'ny fanampiana ireo sahirana amin'ny samy vahoakan'Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.
14 Miraria soa an'izay manenjika anareo; miraria soa fa aza manozona.
15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, miaraha mitomany amin'izay mitomany.
16 Miraisa hina; aza matimatim-boninahitra fa ny fanetren-tena ankamamiana. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
17 Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin'iza na amin'iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason'ny olona rehetra.
18 Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19 Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
20 Fa raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta, dia omeo rano hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanangona vainafo eo an-dohany.
21 Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.