Rômanina

Toko faha-6

1 Inona ary no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana?

2 Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany?

3 Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany?

4 Koa tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.

5 Koa raha fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy.

6 Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika;

7 satria izay maty dia afaka amin'ny fangejan'ny fahotana.

8 Raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa:

9 ary fantatsika fa tsy maty intsony i Kristy rehefa nitsangana velona avy tany amin'ny maty: tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

10 Satria maty Izy, dia indray mandeha monja, noho ny amin'ny fahotana; ary izao Izy velona izao kosa, dia velona ho an'Andriamanitra.

11 Toy izany koa, aoka ianareo hihevitra ny tenanareo ho efa maty raha ny amin'ny fahotana fa velona ho an'Andriamanitra kosa ao amin'i Kristy Jesoa.

12 Noho izany ary, dia aoka tsy havela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny fahotana, ka tsy hanaraka ny filany ianareo.

13 Aoka ny zavatra anisan'ny tenanareo tsy hatolotrareo ny fahotana mba ho fiasana hoentiny hanao ny ratsy. Fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray, ary atolory an'Andriamanitra ireo zavatra anisan'ny tenanareo mba ho fiasana hoentiny hanao ny marina.

14 Tsy hanan-kery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany fahefan'ny lalana, fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana.

15 Koa ahoana ary? Hanota ve isika satria tsy eo ambany fahefan'ny lalana fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon'io tompo io: na ny fahotana izay mampirona amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena an'Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina?

17 Isaorana Andriamanitra fa mpanompon'ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo.

18 Natao afaka tamin'ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon'ny fahamarinana.

19 Miteny araka ny fiheveran'ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalana ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo saingy ho mpanompon'ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.

20 Fa fony mpanompon'ny fahotana ianareo, dia afaka tamin'ny fifehezan'ny fahamarinana.

21 Inona ary no vokatra azonareo tamin'ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany.

22 Ankehitriny anefa, natao afaka tamin'ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny farany.

23 Satria fahafatesana no tambin'ny fahotana, dia ny fanomezan'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an'izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554