Lioka
Toko 1 Any ianao ry Teofily hajaina, Olona maro no efa nilofo nirakitra an-tsoratra ny tantaran'ireo zavatra notanterahin'Andriamanitra teto anivontsika.
Toko 2 Tamin'izany andro izany, dia namoaka didy ny amperora Aogosta hampanao fanisam-bahoaka eran'ny fanjakana romanina.
Toko 3 Tamin'ny taona faha-15 nanjakan'ny amperora Tibery fony i Ponty Pilato no nifehy an'i Jodea, i Heroda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakonitida, i Lisania no nanjaka tao Abilena,
Toko 4 Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina avy any Jordana. Dia nentin'ny Fanahy Masina Izy honina any an-taniefitra
Toko 5 Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron'ny farihin'i Genesareta iny, dia nitangoronan'ny vahoaka te hihaino ny tenin'Andriamanitra.
Toko 6 Indray sabata, ry i Jesoa dia nandeha namaky tanimbary. Nioty salohim-bary ireto mpianany ary nikosoka tamin'ny tanany, dia nihinana. 2 Fa hoy kosa ny Farisianina sasany hoe: Nahoana ianareo no manao zavatra tsy fanao amin'ny andro sabata?
Toko 7 Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahoma.
Toko 8 Taorian'izany, lasa nitety tanan-dehibe sy tanana kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra. Niaraka tamin'i Jesoa ny 12 lahy
Toko 9 Novorin'i Jesoa ny 12 lahy, ka nomeny hery amam-pahefana hampiaiky ny demony rehetra sy hahasitrana ny aretina,
Toko 10 Taorian'izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanana sy ny toerana rehetra mbola halehany.
Toko 11 Nivavaka tao amin'ny toerana anankiray i Jesoa indray andro izay. Nony nitsahatra Izy, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny mpianany hoe: Tompo o, mba ampianaro mivavaka izahay, toy ny nampianaran'i Johany ny mpianany!
Toko 12 Tamin'izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan'i Jesoa hoe: Mitandrema tena ianareo amin'ny levioran'ny Farisianina dia ny fihatsarambelatsihy.
Toko 13 Tamin'izay dia nisy olona tonga nitantara tamin'i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an'Andriamanitra iny indrindra no novonoin'i Pilato.
Toko 14 Indray sabata, nandroso hisakafo tao an-tranon'izay lohandohan'ny Farisianina izay i Jesoa, ka notsikilovin-dry zareo fatratra.
Toko 15 Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy.
Toko 16 Hoy kosa i Jesoa tamin'ny mpianany: Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorin'ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany.
Toko 17 Hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany: Hisy lalandava ny toe-javatra mitarika amin'ny ratsy; nefa mampalahelo izay olona mahatonga izany!
Toko 18 Nanaovan'i Jesoa fanoharana avy eo ny mpianany hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.
Toko 19 Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanana.
Toko 20 Indray andro, dia nampianatra ny vahoaka teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa sady nanambara ny Vaovao Mahafaly taminy. Tonga kosa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana mbamin'ny loholona
Toko 21 Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ireo mpanankarena nandrotsa-bola teo amin'ny vata fitoeran-drakitra.
Toko 22 Efa akaiky ny fankalazana ny azima, izay antsoina hoe Paska.
Toko 23 Dia indray nitsangana ny mpivory ka nitondra an'i Jesoa tany amin'i Pilato,
Toko 24 Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin'ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany.