Lioka
Toko faha-18
1 Nanaovan'i Jesoa fanoharana avy eo ny mpianany hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.2 Hoy Izy hoe: Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanana anankiray izay.
3 Nisy koa tao amin'io tanana io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho!
4 Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona.
5 Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!
6 Ary hoy ny Tompo: Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy!
7 Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy?
8 Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?
9 Nanao izao fanoharana izao kosa i Jesoa ho an'ireo olona natoky tena ho marina ka nanaratsy ny sasany:
10 Nisy olona roa lahy niakatra hivavaka teo an-kianjan'ny tempoly: ny anankiray Farisianina ary ny anankiray mpamory hetra.
11 Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe: Andriamanitra o, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin'olona, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12 Mifady hanina indro isan-kerinandro aho ary manolotra ny ampahafolon'izay azoko rehetra.
13 Ilay mpamory hetra kosa nijanona tery lavidavitra, tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandondona ny tratrany matetika sady nanao hoe: Andriamanitra o, mba iantrao re aho, fa mpanota!
14 Izao no lazaiko aminareo: ity faharoa ity, fa tsy ilay voalohany, no nahazo fahamarinana avy tamin'Andriamanitra nony nody. Satria izay rehetra manandra-tena, dia haetrin'Andriamanitra; fa izay manetry tena, dia hasandratr'Andriamanitra.
15 Na ny zazakely mbola trotroina aza dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa mba hametrahany tanana. Hitan'ny mpianatra ireto olona ireto ka noteneniny mafy.
16 Nefa dia nasain'i Jesoa ho entina eo aminy ny zazakely sady hoy izy hoe: Avelao ny zazakely hanatona Ahy ary aza rarana, satria an'ny toa azy ireny ny Fanjakan'Andriamanitra.
17 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakan'Andriamanitra toy ny andraisan'ny zazakely azy, dia tsy ho tafiditra ao.
18 Ary nisy manampahefana jiosy nanontany an'i Jesoa hoe: Ry Mpampianatra tapitra ohatra o, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?
19 Dia hoy i Jesoa taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany.
20 Fantatrao ny didy hoe: Aza maka vadin'olona; aza mamono olona; aza mangalatra; aza manao vavolombelona tsy marina; hajao ny rainao sy ny reninao!
21 Dia hoy ilay manampahefana hoe: Izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako!
22 Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!
23 Vao nandre izany kosa ralehilahy, dia nanjary nalahelo ery, satria tena mpanankarena izy.
24 Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe: Sarotra mihitsy amin'ny mpanankarena ny miditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
25 Eny, moramora kokoa ny idiran'ny rameva amin'ny vodifanjaikely noho ny idiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
26 Dia hoy ny olona nandre izany: Koa iza ary no mety ho voavonjy?
27 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ny tsy vitan'olombelona, vitan'Andriamanitra.
28 Hoy kosa i Petera: Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao!
29 Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakan'Andriamanitra
30 ka tsy hahazo be lavitra amin'izao ety izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy.
31 Nalain'i Jesoa ho eo aminy kosa ny 12 lahy ka nilazany hoe: Miakatra ho any Jerosalema ary izao isika, ka ho tanteraka avokoa izay voalazan'ny Soratra Masina tamin'ny alalan'ny mpaminany momba ny Zanak'olona.
32 Eny, hatolotra ny hafa firenena Izy, ka hoesoiny, hisetrasetrany, hororany;
33 ary rehefa nokapohiny, dia hovonoiny ho faty; kanefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.
34 Tsy misy azon'ireto mpianatra anefa izany, fa teny miafina taminy ka tsy fantany izay nolazain'i Jesoa.
35 Rehefa mby teo akaikin'i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray efa nitalapetraka teo an-tsisin-dalana nangataka.
36 Henony nihaohao ny vahoaka mitanjozotra ka nanontaniany hoe: Inona izany?
37 Nampahalalain'ny olona izy fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
38 Koa velona antso amin'izay izy nanao hoe: Ry Jesoa, Zanak'i Davida o, mamindra fo amiko!
39 Norahonan'ireo olona lohalalana ralehilahy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: Ry Zanak'i Davida o, mamindra fo amiko!
40 Niato i Jesoa ary nasainy hoentina eo aminy izy, ka nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
41 Inona no tianao hataoko aminao? Ka novalian'ilay jamba hoe: Tompo o, ny hampahiratra ahy!
42 Dia hoy i Jesoa taminy: Mahirata, ny finoanao no nahasitrana anao!
43 Dia nahiratra teo no ho eo ihany izy, ary lasa nanaraka an'i Jesoa sady nanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny vahoaka rehetra koa, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.