Lioka

Toko faha-8

1 Taorian'izany, lasa nitety tanan-dehibe sy tanana kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra. Niaraka tamin'i Jesoa ny 12 lahy

2 ary koa ireo vehivavy sasany izay nositraniny tamin'ny fanahy maloto sy ny aretina: dia i Maria, antsoina hoe Magdalena, izay nialana demony fito,

3 sy i Johanina, vadin'i Koza mpitandrim-pananan'i Heroda, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an'i Jesoa sy ny mpianany tamin'ny fananany.

4 Nirohotra avy any amin'ny tanana samihafa ny olona hanatona an'i Jesoa, hany ka vahoaka betsaka no tafangona teo aminy. Dia niteny Izy nanao izao fanoharana izao:

5 Niainga ity mpamafy hamafy voa. Nony namafy izy, ny voa sasany dia latsaka teny amoron-dalana ka voahosin'ny mpandalo ary lanin'ny voro-manidina;

6 ny voa sasany kosa latsaka teny ambony vatolampy, ka vao naniry dia nalazo satria tsy ampy hamandoana;

7 ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo, ka niara-naniry tamin'ny tsilo dia voageja;

8 ary ny voa sasany latsaka tamin'ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny. Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

9 Nanontanian'ny mpianany ny dikan'ilay fanoharana i Jesoa,

10 ka namaly hoe: Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakan'Andriamanitra; fa ho an'ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka hijery izy fa tsy hahita ary hihaino fa tsy hahafantatra.

11 Koa izao ary no dikan'ilay fanoharana teo. Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.

12 Ireny teo amoron-dalana dia izay mahaheno ihany; kanjo avy ny devoly, ka manaisotra ny teny tao am-pony sao mino izy ka ho voavonjy.

13 Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin'ny fotoana fitsapana.

14 Ny latsaka teo amin'ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan'ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan'ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa.

15 Ny latsaka tamin'ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin'ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin'ny faharetana.

16 Tsy misy mampirehitra jiro, ka manarona azy amin'ny siny na manitrika azy ao ambany farafara; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany, hany ka izay miditra ao an-trano dia mahita ny hazavana.

17 Tsy misy takona izay tsy haseho na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.

18 Koa tandremo ary ny fomba fihainoanareo; satria izay manana no homena; ary izay tsy manana kosa, na izay kely heveriny ho ananany aza dia halana aminy.

19 Tonga hamangy an'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, nefa tsy afa-nanatona Azy noho ny hamaroan'ny olona;

20 dia nilazana i Jesoa hoe: Ao alatrano ao ny reninao sy ny rahalahinao teo hihaona kely aminao!

21 Fa hoy i Jesoa tamin'izay rehetra teo: Ny reniko sy ny rahalahiko dia izay mihaino ny tenin'Andriamanitra no sady manatanteraka azy.

22 Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin'ny mpianany, ka hoy Izy tamin'ireo: Andeha isika hankeny ampitan'ny farihy! Dia niainga Izy mianakavy.

23 Teny am-pandehanana, dia azon'ny torimaso i Jesoa. Ary nisy tafio-drivotra niantonta teo amin'ny farihy ka nila ho feno rano ny sambokely ary efa am-bava loza izy ireo.

24 Dia nohatonin'ny mpianany i Jesoa ary nofohaziny sady nataony hoe: Mpampianatra o, Mpampianatra o, ho faty isika!

25 Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano; dia nitsahatra ireo ary nanjary tony tsara ny andro. Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Fa aiza ny finoanareo? Izy ireo koa raiki-tahotra sy gaga sady nifampilaza hoe: Iza moa ity? Fa baikoiny hatramin'ny rivotra sy ny rano, dia manaiky Azy!

26 Dia nitody teny amin'ny faritanin'i Gergesa tandrifin'i Galilea ry i Jesoa sy ny mpianany.

27 Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanana nitsena Azy. Azon'ny demony ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin'ny fasana.

28 Vao nahatazana an'i Jesoa izy, dia nikiakiaka sady niankohoka teo anatrehany no niteny tamin'ny feo mahery hoe: Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra avo indrindra? Mihanta aminao aho, aza dia ampijalina re!

29 I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin'ny demony miriorio any an-taniefitra.

30 Dia hoy i Jesoa nanontany an-dralehilahy: Iza no anaranao? Ka novaliany hoe: Tafika no anarako.

31 Fa maro tokoa ny demony tafiditra tao amin'ilay olona. Dia niangavy tamin'i Jesoa ireo demony mba tsy hodidiany hivarina any anaty hantsana.

32 Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teo amin'ny kisolosolon'ny havoana. Koa niangavy tamin'i Jesoa ny demony mba havelany hiditra amin'ireo kisoa ireo, ary nekeny ny fangatahany.

33 Rehefa niala tamin-dralehilahy ny demony, dia niditra tamin'ny kisoa; ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.

34 Vao nahita ny zava-niseho ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ary nilaza ny vaovao tao an-tanana sy teny ambanivohitra.

35 Dia lasa ny olona hijery ny zava-niseho; ka nony tonga teo akaikin'i Jesoa, dia nihoron-koditra nahita an-dralehilahy nialan'ny demony, mipetraka tsara eo an-tongotr'i Jesoa, mitafy lamba sady ary saina.

36 Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin'ireo vao tonga ny nahasitranan'ilay azon'ny demony.

37 Raiki-tahotra mafy ny mponina rehetra, ka dia nangataka an'i Jesoa mba hiala teo amin'ny faritanin'i Gergesa. Dia niondrana an-tsambokely Izy ndeha hiverina.

38 Niangavy tamin'i Jesoa kosa ralehilahy nialan'ny demony mba hiaraka aminy, fa nampodiny nataony hoe:

39 Modia any an-tranonao, ka tantarao ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia lasa ralehilahy nitory teny eran'ny tanana ny zava-dehibe nataon'i Jesoa taminy.

40 Nony tafaverina i Jesoa, dia noraisin'ny vahoaka tsara fa efa niandry Azy rahateo izy rehetra.

41 Ary indro nisy lehilahy atao hoe Jairo, lehiben'ny sinagoga, tonga niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa sady niangavy Azy mba ho any an-tranony,

42 fa nanan-janaka vavy tokana tokony ho 12 taona ity lehiben'ny sinagoga ary narary efa ho faty razazavavy. Teny an-dalana ho any amin'i Jairo, dia nifanety tamin'i Jesoa ny vahoaka.

43 Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra hatramin'ny 12 taona, efa nandany ny fananany tamin'ny dokotera nefa tsy nisy nahasitrana azy na iray aza.

44 Nanatona an'i Jesoa avy ao ivoho ravehivavy ka vao nikasika ny somotraviavin-dambany, dia nijanona avy hatrany ny ra mitsika tao aminy.

45 Ary hoy i Jesoa: Iza moa no nikasika Ahy teo? Samy nanda avokoa izy rehetra, fa i Petera no niteny hoe: Mampianatra o, vahoaka be anie no mifanety sy mifanizina aminao!

46 Fa hoy indray i Jesoa: Nisy nikasika Ahy teo satria tsapako fa nisy hery niala avy amiko.

47 Ravehivavy kosa, nony nahita fa tsy afa-niafina, dia nangovitra no nankeo amin'i Jesoa; ary niankohoka teo anatrehany sady nanambara teo imason'ny olona rehetra izay anton'ny nikasihany Azy sy izay nahasitranany teo no ho eo ihany.

48 Ary hoy i Jesoa taminy: Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao. Ndeha ary ka veloma finaritra!

49 Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy any an-tranon'ity lehiben'ny sinagoga nanao tamin'i Jairo hoe: Efa maty ny zanakao vavy, ka aza sahiraninao intsony ny Mpampianatra.

50 Henon'i Jesoa izany ka hoy Izy tamin'i Jairo: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0582