Lioka

Toko faha-3

1 Tamin'ny taona faha-15 nanjakan'ny amperora Tibery fony i Ponty Pilato no nifehy an'i Jodea, i Heroda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakonitida, i Lisania no nanjaka tao Abilena,

2 ary i Hana mbamin'i Kaiafa no mpisorombe dia tonga tamin'i Johany zanakalahin'i Zakaria tany an-taniefitra ny tenin'Andriamanitra.

3 Dia lasa i Johany nitety ny faritany rehetra amoron'ny ony Jordana sady nanao antso avo hoe: Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.

4 Izany dia araka ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny boky mirakitra ny tenin'i Isaia mpaminany hoe: Injany misy feon'olona miantso mafy any an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan'ny Tompo; ahitsio ny hizorany.

5 Ny lohasaha rehetra hototofana; ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry. Ny miolakolaka hahitsy ary ny mikitoantoana harenina:

6 dia ho hitan'ny olombelona rehetra ny famonjena avy amin'Andriamanitra!

7 Toy izao ary no tenin'i Johany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa: Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra?

8 Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

9 Indro efa eo am-potokazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10 Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Johany hoe: Inona ary no tokony hataonay?

11 Dia novaliany hoe: Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12 Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Johany hoe: Mpampianatra o, inona no tokony hataonay?

13 Dia novaliany hoe: Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14 Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.

15 Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: I Johany va re sa tsia no Mesia?

16 Fa i Johany kosa niteny tamin'izy rehetra hoe: Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin'ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.

17 Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

18 Fananarana maro samihafa koa no nanambaran'i Johany ny Vaovao Mahafaly tamin'ny olona.

19 Notsinin'i Johany hatrany kosa i Heroda mpanjaka noho izy naka an'i Herodiada vadin-drahalahiny ary noho ny ratsy hafa rehetra vitan'ity mpanjaka.

20 Kanjo vao mainka nanampy heloka indray i Heroda, fa nanidy an'i Johany tao am-ponja.

21 Indray andro, raha mbola natao batisa ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra.

22 Dia nidina teo ambonin'i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!

23 Tokony ho telopolo taona i Jesoa fony nanomboka ny asany, ka noheverin'ny olona fa zanak'i Josefa, zafin'i Hely,

24 zafiafin'i Matata, zafin-dohalik'i Levy, zafin-kitrokelin'i Melky, zafim-paladian'i Janay, ary zafin-dorian'i Josefa;

25 dia i Josefa zanakalahin'i Matatia, zafin'i Amosa, zafiafin'i Nahoma, zafin-dohalik'i Jesly, zafin-kitrokelin'i Nagay,

26 zafim-paladian'i Mahata, ary zafin-dorian'i Matatia; dia i Matatia zanakalahin'i Semehy, zafin'i Joseka, zafiafin'i Joda,

27 zafin-dohalik'i Johanana, zafin-kitrokelin'i Resa, zafim-paladian'i Zerobabela ary zafin-dorian'i Sealtiela; dia i Sealtiela zanakalahin'i Nery,

28 zafin'i Melky, zafiafin'i Ady, zafin-dohalik'i Kosama, zafin-kitrokelin'i Elmadama, zafim-paladian'i Era,

29 ary zafin-dorian'i Josoa; dia i Josoa zanakalahin'i Eliezera, zafin'i Jorima, zafiafin'i Matata, zafin-dohalik'i Levy,

30 zafin-kitrokelin'i Simehona, zafim-paladian'i Joda, ary zafin-dorian'i Josefa; dia i Josefa zanakalahin'i Jonama, zafin'i Eliakima,

31 zafiafin'i Melea, zafin-dohalik'i Mena, zafin-kitrokelin'i Matata, zafim-paladian'i Natana, ary zafin-dorian'i Davida;

32 dia i Davida zanakalahin'i Jisay, zafin'i Obeda, zafiafin'i Bohaza, zafin-dohalik'i Sala, zafin-kitrokelin'i Nahasona,

33 zafim-paladian'i Haminadaba, ary zafin-dorian'i Admina, dia i Admina zanakalahin'i Arama, zafin'i Arny, zafiafin'i Hesrona, zafin-dohalik'i Peretsa, zafin-kitrokelin'i Joda,

34 zafim-paladian'i Jakoba, ary zafin-dorian'i Itsehaka; dia i Itsehaka zanakalahin'i Abrahama, zafin'i Tera, zafiafin'i Nahora,

35 zafin-dohalik'i Seroga, zafin-kitrokelin'i Reho, zafim-paladian'i Falega ary zafin-dorian'i Ebera; dia i Ebera zanakalahin'i Sala,

36 zafin'i Kainama, zafiafin'i Arfaksada, zafin-dohalik'i Sema, zafin-kitrokelin'i Noa, zafim-paladian'i Lameka,

37 ary zafin-dorian'i Metosala; dia i Metosala zanakalahin'i Henoka, zafin'i Jareda, zafiafin'i Malaleela, zafin-dohalik'i Kainama,

38 zafin-kitrokelin'i Enosa, zafim-paladian'i Seta ary zafin-dorian'i Adama, dia i Adama zanak'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0783