Lioka
Toko faha-20
1 Indray andro, dia nampianatra ny vahoaka teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa sady nanambara ny Vaovao Mahafaly taminy. Tonga kosa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana mbamin'ny loholona2 ka nanao taminy hoe: Mba lazao kely hoe: fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao zavatra izao? Iza no nanome Anao izao fahefana izao?
3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray, ka lazao kely hoe:
4 iza no naniraka an'i Johany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona?
5 Dia niara-niady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: Raha lazaintsika hoe: Andriamanitra no naniraka azy, dia hataony hoe: Koa nahoana no tsy ninoanareo i Johany?
6 Raha lazaintsika hoe: Olombelona no naniraka azy, dia indray hitora-bato hamono antsika ny vahoaka, satria nekeny ho mpaminanin'Andriamanitra i Johany.
7 Ka hoy ny navaliny an'i Jesoa hoe: Tsy hitanay izay holazaina ny amin'izany!
8 Dia hoy i Jesoa taminy: Izaho koa mba tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako an'izao zavatra izao.
9 Dia nitodika tamin'ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao: Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa.
10 Nony tonga ny taom-piotazana dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly, hiangavy azy ireo hanome ampahany amin'ny vokatry ny tanimboaloboka; kanjo nokapohin'ireo mpamboly ilay mpiasa ary nalefany nody maina.
11 Dia nanirahany mpiasa fanindroany, fa io koa nokapohin'ireo mpamboly sy notevatevainy ary nalefany nody maina.
12 Dia mbola nanirahany mpiasa fanintelony; io indray koa nataon'ireo mpamboly naratra, izay vao noroahiny.
13 Ary hoy ny tompon'ny tanimboaloboka: Inona re no hataoko? Ndeha hirahiko ity zanako malalako, fa angamba izy hananan'ireo hena-maso!
14 Vao nahita azy kosa ireo mpamboly, dia niara-nidinika sady nifampiresaka hoe: Ny mpandova ity; aoka hovonointsika mba hahazoantsika ny lova.
15 Dia natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ilay io ka novonoiny. Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Inona ary no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'ireo mpamboly?
16 Ho avy izy ka haringany ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka. Raha nandre izany ireo mpanohitra an'i Jesoa, dia niteny hoe: Sanatria izany!
17 Fa nojeren'i Jesoa ry zareo sady nataony hoe: Inona ary no dikan'ity andinin'ny Soratra Masina ity: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro?
18 Izay rehetra mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.
19 Nitady hisambotra an'i Jesoa tamin'izay ireo mpahay lalana sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan'iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo.
20 Ary nataon'ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an'i Jesoa amin'ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan'i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina.
21 Dia nanontanian'ireo iraka i Jesoa nataony hoe: Mpampianatra o, fantatray fa mahitsy fiteny sy fampianatra Ianao sady tsy mizaha tavan'olona fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra.
22 Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperora romanina sa tsia?
23 Takatr'i Jesoa anefa ny hafetsen-dratsin'ireo ka hoy Izy taminy:
24 Itondray vola denary anankiray aho! Sarin'iza ary anaran'iza no mipetaka eo? Dia novalian'ireo hoe: An'ny amperora romanina!
25 Ka hoy i Jesoa taminy: Avereno amin'ny amperora romanina izay an'ny amperora romanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
26 Sady tsy afa-namandrika an'i Jesoa tamin'ny teny teo imason'ny vahoaka ireto iraka no gaga tamin'ny valin-teny nataony ka kepoka nangina.
27 Ireo Tsadoseanina, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty ho velona, dia mba nisy koa nanatona an'i Jesoa, ka nanontany Azy
28 hoe: Mpampianatra o, izao no didy voasoratra nomen'i Mosesy antsika: Raha misy lehilahy maty mbola velom-bady nefa tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy, ka hiteraka hamela solofo ho an'ny maty.
29 Koa nisy ary olona fito mirahalahy. Nampaka-bady ny lahimatoa, kanjo maty tsy nanan-taranaka.
30 Nampakatra an-dravehivavy ny faharoa,
31 ary koa ny fahatelo; torak'izany avokoa izy fito mirahalahy, samy maty tsy namela taranaka.
32 Farany maty koa ravehivavy.
33 Amin'ny fitsanganan'ny maty ho velona ary, mba ho vadin'iza ravehivavy fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
34 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Tsadoseanina: Ny olona amin'izao fiaina-mandalo izao no mampakatra sy ampakarina.
35 Fa ireo nataon'Andriamanitra mendrika hitsangana velona avy any amin'ny maty sy handray anjara amin'ny fiainan-ko avy dia tsy mba mampakatra na ampakarina:
36 tsy mety maty intsony manko fa tahaka ny anjely; sady zanak'Andriamanitra satria olona efa nataony mendrika hitsangana velona.
37 Ny amin'ny hoe hitsangana velona ny maty dia efa nambaran'i Mosesy ao amin'ny toko momba ny Roimemy izany, fony izy niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Itsehaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
38 Ny Tompo dia tsy Andriamanitry ny maty fa Andriamanitry ny velona, satria ny Tompo no ahaveloman'izy rehetra.
39 Dia niteny ny sasany tamin'ny mpahay lalana nanao hoe: Mpampianatra o, marina ny filazanao!
40 Ary tsy nisy olona sahy nanontany an'i Jesoa intsony.
41 Hoy kosa i Jesoa tamin'ireto mpahay lalana: Ahoana no ilazana fa hoe Zanak'i Davida ny Mesia?
42 Ny tenan'i Davida manko no milaza ao amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako;
43 Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
44 Antsoin'i Davida hoe Tompoko ny Mesia araka izany, ka ahoana no maha Zanany Azy?
45 Raha mbola mihaino Azy eo ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
46 Mitandrema amin'ireo mpahay lalana. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin'ny lala-mitafon'ny tempoly, ny ankamamiany dia ny arahabaina eny an-kianja sy ny mipetraka eny aloha ao amin'ny sinagoga ary ny maka ny toeram-boninahitra any amin'ny fanasana.
47 Ataony tapitra ny fananan'ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.