Lioka

Toko faha-13

1 Tamin'izay dia nisy olona tonga nitantara tamin'i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an'Andriamanitra iny indrindra no novonoin'i Pilato.

2 Ka hoy i Jesoa taminy: Heverinareo ve fa ireo Galileanina ireo, matoa nozoin-doza toy izany, dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra?

3 Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-dratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

4 Ary ny olona 18 maty nianjeran'ny tilikambon'i Siloa, heverinareo ve fa diso mihoatra noho ny mponina hafa rehetra ao Jerosalema?

5 Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-ratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

6 Dia nanao ity fanoharana ity i Jesoa: Nisy aviavy naniry tao amin'ny tanimboalobok'ity lehilahy anankiray. Tonga izy indray mandeha nitady voa tamin'ilay hazo fa tsy nahita.

7 Ka hoy izy tamin'ny mpikarakara ny tanimboaloboka: Etsy ange! efa telo taona misesy izao no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity aho nefa tsy mahita. Kapao io, fa nahoana no mibahan-toerana foana eo?

8 Dia niteny ilay mpiasa nanao taminy hoe: Avelao ihany re izy, tompoko, amin'ity taona ity, fa hohadiko ny manodidina azy ary hasiako zezika;

9 angamba hamoa ihany izy amin'ny taona ho avy, fa hampikapainao raha tsy izany.

10 Nampianatra tao amin'izay sinagoga izay i Jesoa indray sabata.

11 Nisy vehivavy anankiray teo, azon'ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy.

12 Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe: Ramatoa, afaka amin'ny rofinao ianao!

13 Dia nametrahan'i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin'izay ka nanome voninahitra an'Andriamanitra.

14 Tezitra ny lehiben'ny sinagoga satria andro sabata no nanaovan'i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben'ny sinagoga ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin'ny andro sabata!

15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin'ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano?

16 Koa ity vehivavy taranak'i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr'i Satana, moa tsy tokony ho amin'ny andro sabata indrindra ve no hamahana fatorana azy?

17 Nangaihay izay rehetra mpanohitra an'i Jesoa noho izany valin-teniny izany, fa ny vahoaka manontolo kosa niravoravo noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

18 Tamin'izay dia hoy i Jesoa hoe: Tahaka ny inona ny Fanjakan'Andriamanitra? Inona no hanoharako azy?

19 Tahaka ny voan-tsinapy nalain'ity lehilahy anankiray ary namboleny tao an-jaridaina; naniry ilay voan-tsinapy ka tonga hazo, ary nanaovan'ny voro-manidina akany tao amin'ny rantsany.

20 Dia hoy indray i Jesoa hoe: Inona koa no hanoharako ny Fanjakan'Andriamanitra?

21 Tahaka ny leviora nalain'ity vehivavy anankiray ary nafangarony tamin'ny koba eran'ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.

22 Nitety tanan-dehibe sy tanana kely i Jesoa nampianatra sady nandroso nankany Jerosalema.

23 Dia nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: Moa vitsy ve, ry Tompo, ny olona ho voavonjy? Ary hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka:

24 Ataovy mihitsy izay hahatafiditra eo amin'ny varavarana ety: fa maro, hoy Aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka!

25 Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondom-baravarana ianareo hanao hoe: Mba vohay izahay, tompoko o! Fa hovaliany hoe: Tsy fantatro izay fiavianareo.

26 Amin'izay ianareo, dia hanao hoe: Olona niara-nihinana sy nisotro taminao izahay, ary nampianatra teny an-dalamben'ny tanananay ianao!

27 Fa mbola hovaliany hoe: Tsy fantatro mihitsy izay fiavianareo; miala amiko, ry mpanao ratsy isany!

28 Any tokoa ianareo no hitomany sy hikitro-nify, rehefa hitanareo ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ry i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba mbamin'ny mpaminany rehetra; fa ianareo kosa voaroaka any ivelany.

29 Ho tonga ny avy any atsinanana sy andrefana, ary ny avy any avaratra sy atsimo ka hipetraka hiara-misakafo ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra;

30 ary indro misy farany ho voalohany ary misy voalohany ho farany.

31 Tamin'izay fotoana izay, dia nisy Farisianina sasany nankeo amin'i Jesoa ka nanao taminy hoe: Miala teto ianao ka mandehana any an-kafa, satria fofoin'i Heroda ny ainao.

32 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ndeha ilazao ilay fosalahy iny hoe: Indro Aho mandroaka demony sy manasitrana anio sy rahampitso; ary rahafakampitso dia hefaiko ny asako.

33 Kanefa tsy maintsy manohy ny diako ihany Aho anio sy rahampitso ary rahafakampitso, satria tsy mety raha mpaminany ka vonoina ivelan'i Jerosalema!

34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin'Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina eto aminao tahaka ny reniakoho manomba ny zanany eo ambany elany, kanefa tsy nety ianareo!

35 Indro ny tempolinareo fa havela eo ho anareo. Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-panaonareo hoe: 'Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy!'

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0573