Lioka

Toko faha-22

1 Efa akaiky ny fankalazana ny azima, izay antsoina hoe Paska.

2 Ary nitady izay fomba hamonoana an'i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana, nefa tsy nahita satria natahotra ny vahoaka ry zareo.

3 Kanjo nidiran'i Satana tao am-pon'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anisan'ny 12 lahy.

4 Nankany amin'ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly izy hidinidinika ny amin'izay hanolorany an'i Jesoa aminy. 5 Faly tokoa ry zareo ary nifanaraka fa hanome vola azy.

6 Dia nanaiky i Jodasy ka nitady izay fotoana tsara hanolorana an-tsokosoko an'i Jesoa eo am-pelatanany.

7 Tonga ny andro fihinanana ny azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak'ondry ho an'ny sakafo Paska.

8 Dia nirahin'i Jesoa ry i Petera sy i Johany nataony hoe: Ndeha manomana ny sakafo Paska ho antsika.

9 Fa hoy izy roa lahy taminy: Aiza no tianao hanomananay azy?

10 Dia novalian'i Jesoa hoe: Raha vao tafiditra ny tanana ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; ka iny arahina any amin'izay trano hidirany,

11 ary lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no tenin'ny Mpampianatra aminao: Aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin'ny mpianatro?

12 Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sady ary fomba; ka ao ny sakafo no omany.

13 Lasa izy roa lahy ka nahita ny toe-javatra araka ny voalazan'i Jesoa taminy ary dia nanomana ny sakafo Paska.

14 Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka nihinana i Jesoa mbamin'ny apostoly.

15 Ary hoy i Jesoa taminy: Niriko dia niriko tokoa hiara-mihinana ity sakafo Paska ity aminareo alohan'ny hijaliako.

16 Lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony Aho mandra-pahatanteraka azy any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

17 Dia nandray kalisy natolotra Azy i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nataony hoe: Raiso ity ka ifampizarao.

18 Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra.

19 Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apostoly ka nataony hoe: Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.

20 Ary noraisin'i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian'ny sakafo sady nataony hoe: Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin'Andriamanitra amin'ny rako izay alatsaka ho anareo.]

21 Eny, indro miaraka amiko eto am-pisakafoana ilay hanolotra Ahy.

22 Ny Zanak'olona moa dia efa ho faty araka izay voalahatran'Andriamanitra, nefa mampalahelo ilay olona hanolotra Azy!

23 Ary nifanontany ireo apostoly hoe: Iza re amintsika no dia hahavita izany?

24 Nisy fifandirana teo amin'ny apostoly ny amin'izay tokony ho lehibe indrindra amin'izy samy izy.

25 Dia hoy i Jesoa taminy: Eo amin'ny hafa firenena, ny mpanjaka dia manjakazaka; ary ny mpanampatra fahefana dia antsoina hoe mpanasoa.

26 Aminareo kosa tsy mba toy izany: izay lehibe kokoa eo aminareo no aoka ho toy ny zandriny, ary izay mpifehy ho toy ny mpanompo.

27 Satria iza moa no lehibe kokoa: ny mipetraka mihinana sa ny mpanompo mampihinana? Moa ve tsy izay mipetraka mihinana? Izaho anefa eto afovoanareo dia toy ny mpanompo mampihinana.

28 Ianareo dia naharitra niaraka tamiko tamin'ny fitsapana nanjo Ahy;

29 Izaho kosa manendry anareo ho mpanjaka tahaka ny nanendren'ny Ray Ahy ho mpanjaka.

30 Ka hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro ianareo any amin'ny Fanjakako ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin'i Israely.

31 Hoy i Jesoa tamin'i Petera: Ry Simona, ry Simona, indro efa notakin'i Satana hokotranina toy ny vary sivanina ianareo.

32 Izaho efa nangataka ho anao mba tsy ho lefy ny finoanao; ianao kosa, rehefa tafaverina amiko, herezo ny rahalahinao.

33 Fa i Petera niteny taminy hoe: Tompo o, vonon-kanaraka Anao aho na ho any am-ponja sy ho any amin'ny fahafatesana aza!

34 Dia hoy i Jesoa: Lazaiko aminao, ry Petera, fa mbola tsy haneno akory ny akoho anio, dia efa intelo no handavanao ho tsy mahalala Ahy!

35 Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny apostoly: Moa orin-javatra ve ianareo, raha nirahiko tsy aman-kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa? Dia novalian'ireo hoe: Tsy orin'inona na inona izahay!

36 Ary hoy i Jesoa taminy: Amin'izao kosa anefa, izay manana kitapom-bola, aoka hivimbina ny azy; torak'izany koa izay manana kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra, aoka hivarotra ny lambany ka hividy sabatra.

37 Lazaiko aminareo fa tsy maintsy tanteraka amiko ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: Natao ho isan'ny mpanao ratsy Izy; ary efa ho tanteraka tokoa ity ny momba Ahy.

38 Dia hoy ny apostoly: Indreto, Tompoko, misy sabatra roa! Fa i Jesoa nanao taminy hoe: Aoka izay!

39 Dia niainga i Jesoa nankany an-tendrombohitra Analanoliva araka ny fanaony; ary tafaraka taminy koa ny mpianany.

40 Vao tonga teo amin'ilay toerana i Jesoa, dia nanao tamin'ny mpianany hoe: Mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy ianareo!

41 Ary nihataka tamin'ny mpianany tokony ho tra-toraka i Jesoa; dia nandohalika Izy ary nivavaka

42 nanao hoe: Ray o, raha sitrakao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.

43 Tamin'izay kosa nisy anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy.

44 Dia nitebiteby fadiranovana Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa indray. Ary nanjary toy ny ra mitete ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany.

45 Nony nitsangana avy nivavaka i Jesoa, dia nankeo amin'ny mpianany, ka nahita azy ireo natory noho ny alahelo.

46 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matory ianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy ianareo!

47 Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian'olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an'i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy.

48 Fa hoy i Jesoa taminy: O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak'olona?

49 Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin'i Jesoa, ka nanontany Azy hoe: Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin'ny sabatra izahay?

50 Dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe tokoa ny anankiray tamin'ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana.

51 Fa niteny i Jesoa nanao hoe: Aoka izay! Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0684