Lioka
Toko faha-2
1 Tamin'izany andro izany, dia namoaka didy ny amperora Aogosta hampanao fanisam-bahoaka eran'ny fanjakana romanina.2 Izany fanisam-bahoaka voalohany izany dia natao fony i Kireny no filohan'ny faritany Siria.
3 Ary samy namonjy ny tanana fiaviany avy ny olona rehetra mba hisaina.
4 Niainga avy tao Nazareta tanana any Galilea i Josefa hiakatra any Jodea, hankany amin'ilay tanana fiavian'i Davida atao hoe Betlehema, noho izy taranaka sy fokon'i Davida.
5 Mba hoisaina no foto-dian'i Josefa sy i Maria vadiny izay efa bevohoka.
6 Raha tao Betlehema izy roa, dia tonga ny andro hahaveloman'i Maria.
7 Teraka ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandriny teo amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao amin'ny trano fivantanam-bahiny.
8 Tany amin'izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.
9 Nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin'ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.
10 Fa hoy ilay anjely taminy: Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra:
11 Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan'i Davida, dia i Kristy Tompo.
12 Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.
13 Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
14 Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra; ary fiadanana ety an-tany ho an'ny olombelona fa nanehoany fitia!
15 Rehefa nilaozan'ny anjely niverina any an-danitra ireto mpiandry ondry, dia nifampiresaka hoe: Andao mihitsy ho any Betlehema isika hizaha izany zava-baovao nampahalalain'ny Tompo antsika izany!
16 Dia nandeha faingana izy ireo nankany, ka nahita an'i Maria sy i Josefa ary nahita zazakely mandry eo amin'ny fihinanam-bilona.
17 Nony avy nahita ireto mpamangy, dia nampiely ny teny nolazain'ny anjely taminy momba io zazakely io;
18 ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'ny zavatra voalazan'ireo mpiandry ondry.
19 I Maria kosa nitadidy izany rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
20 Dia lasa nody ireo mpiandry ondry ka nanome voninahitra sy dera an'Andriamanitra noho izay rehetra reny sy hitany, araka ny voalazan'ny anjely taminy.
21 Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain'ny anjely talohan'ny nahatorontoronina Azy.
22 Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an'i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalanan'i Mosesy. Dia nentin'i Maria sy i Josefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo,
23 satria voasoratra ao amin'ny lalanan'ny Tompo hoe: Hatokana ho an'ny Tompo ny lahimatoa rehetra.
24 Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin'ny lalanan'ny Tompo ihany koa i Maria sy i Josefa, izany hoe fanatitra domohina roa na voromahailala roa.
25 Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehona; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nomban'ny Fanahy Masina izy
26 ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin'ny Tompo.
27 Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly i Simehona, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalana ny amin'ny zaza;
28 dia nitrotro Azy i Simehona sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:
29 Tompo o, alefaso amim-piadanana amin'izay ity mpanomponao, araka ny teninao!
30 Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31 izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32 dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena ary hanome voninahitra an'i Israely vahoakanao.
33 Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izao tenin'i Simehona momba ny zanany izao.
34 Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehona; avy eo izy dia niteny tamin'i Maria renin'i Jesoa hoe: Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin'i Israely homelohin'Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin'i Israely hankatoavin'Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran'ny olona ity zaza ity,
35 mba hampiharihary ny fisainan'ny besinimaro. Ary ianao kosa, ramatoa, hotsatohan-tsabatra ny fanahinao!
36 Nisy koa vehivavy mpaminany natao hoe Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy amin'ny fokon'i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian'ny nahatovovavy azy.
37 Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin'ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina, ka nifady hanina sy nivavaka.
38 Tonga koa i Ana tamin'io fotoana io ka nisaotra an'Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin'izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan'Andriamanitra an'i Jerosalema.
39 Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalanan'ny Tompo ny ray aman-drenin'i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tananany.
40 Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra.
41 Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin'i Jesoa amin'ny fankalazana ny Paska.
42 Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin'izany fankalazana izany.
43 Nody i Maria sy i Josefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr'ireo ray aman-dreniny izany.
44 Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin'ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra,
45 nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilalana izy roa nitady Azy tany Jerosalema.
46 Tamin'ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa mipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo.
47 Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak'izay niteny Izy.
48 Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!
49 Dia hoy i Jesoa tamin'izy mivady: Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin'ny tranon'ny Raiko Aho?
50 Tsy azon'izy roa anefa izay nolazain-janany taminy.