Lioka

Toko faha-15

1 Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy.

2 Hany ka nimonomonona ny Farisianina sy ny mpahay lalana nanao hoe: Rangahy io ny mpanota no ifandraisany sy iarahany misakafo!

3 Koa ho azy Farisianina sy mpahay lalana no nanaovan'i Jesoa ity fanoharana ity:

4 Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijana ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy?

5 Ary rehefa hitany, dia entiny eo an-tsoroka an-kafaliana.

6 Dia lasa izy mody any an-trano ary voriny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!

7 Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toe-dratsiny fa tsy amin'ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin'ny toe-dratsy.

8 Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy?

9 Ary rehefa hitany, dia voriny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!

10 Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toetra ratsiny.

11 Dia hoy indray i Jesoa: Nanan-janaka mirahalahy ity lehilahy anankiray.

12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Omeo ahy, ry dada, ny anjara fananana tandrify ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.

13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka nandanilany foana ny fananany tamin'ny filibana.

14 Rehefa tapitra avokoa izay teo am-pelatanany, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ary tsy nanan-koraisina intsony ny anao.

15 Lasa izy niasa tamin'ny tompon-tany anankiray ka nalefan'ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany.

16 Satrin'ity zatovo hameno kibo amin'ny voan-javatra fihinan'ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy.

17 Izay vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: Ireo mpikaraman'i dada rehetra any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary aty!

18 Ndeha hody any amin'i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada o, nanota tamin'Andriamanitra sy taminao aho,

19 ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao; fa mba ataovy toy ny anankiray amin'ny mpikaramanao aho!

20 Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy. Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.

21 Dia hoy ity zanany taminy: Dada o, nanota tamin'Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!

22 Fa hoy kosa irainy tamin'ireo mpiasa: Ento aty faingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio kapa ny tongony.

23 Alaovy ilay zanak'omby mifahy ka vonoy; ary aoka isika hanao fihinanam-be,

24 satria ity zanako ity: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray! Dia nanomboka ny fihinanam-be aman-korana izy rehetra.

25 Sendra tany an-tsaha ilay zanany lahimatoa tamin'izay. Nony efa nody izy ka nanakaiky ny trano, dia nandre feon-java-maneno sy olona mandihy.

26 Nantsoiny ny mpiasa anankiray ka nanontaniany ny anton'izany.

27 Dia novalian'ilay mpiasa hoe: Tonga ao ny rahalahinao ka nasain-drainao novonoina ilay zanak'omby nafahy satria tafaverina soa aman-tsara eto aminy ny zanany lahy!

28 Tezitra mafy ny lahimatoa sady tsy nety niditra an-trano. Ka ny rainy mihitsy no lasa tany alatrano hiangavy azy handroso.

29 Fa hoy izy tamin-drainy: Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak'osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin'ny sakaizako.

30 Fa nony tonga kosa io zanakao io, izay nahafongana ny fanananao tamin'ny vehivavy mpivarotena, dia amonoanao ny zanak'omby nafahy.

31 Ary hoy ny rainy taminy: Ianao anie, anaka, dia eto amiko mandrakariva ary anao avokoa izay rehetra ahy.

32 Fa tsy maintsy atao ny fihinanam-be aman-korana, satria io rahalahinao io: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558