Hamôsa
Toko 1 Tenin'i Hamosa izay anankiray tamin'ireo mpiompy tao Tekoa. Roa taona talohan'ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an'ireo teny manakiana ny fanjakan'i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozia ary mpanjaka tao Israely i Jerobohama zanakalahin'i Joasy.
Toko 2 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Moaba, fa indrindra ity anankiray ity: Nodorany ho sokay ny taolan'ilay mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Toko 3 Ry taranak'i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin'ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:
Toko 4 Ianareo andriambavilanitr'i Samaria, izay mihamatavy tahaka ny ombivavin'i Basana, henoy izao teniko izao: Manitsakitsaka ny madinika ianareo, sy mampahory ny mahantra, ary milaza amin'ny vadinareo hoe: Mitondra hosotrointsika!
Toko 5 Ry taranak'i Israely, henoinareo izao teniko izao, dia hira fisaonana ventesiko momba anareo:
Toko 6 Lozanareo izay manorina fiadanana amin'i Tsiona sy mitoky amin'ny tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo mihevi-teny ho sangany eo amin'ilay firenena malaza indrindra ka hatonin'ny taranak'i Israely!
Toko 7 Izao no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin'ny fiandohan'ny fitsimohan'ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian'ny fijinjana vary ho an'ny mpanjaka.
Toko 8 Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona.
Toko 9 Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin'ny alitara sady niteny hoe: Asio ny lohan'ireo andry amin'ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin'izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin'ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.