Hamôsa
Toko faha-5
1 Ry taranak'i Israely, henoinareo izao teniko izao, dia hira fisaonana ventesiko momba anareo:2 Tahaka ny tovovavy maty i Israely, ka potraka tsy mahatsangana intsony; miampatra eo amin'ny taniny izy, fa tsy misy manarina.
3 Satria izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin'ny vahoakan'i Israely: Misy tanana mamoaka miaramila arivo hiantafika, kanefa zato no sisa hiverina; Misy tanana mamoaka miaramila zato hiantafika, kanefa folo no sisa hiverina.
4 Izao no lazain'ny TOMPO amin'ny vahoakan'i Israely: Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.
5 Fa aza mitady Ahy any Betela, aza miditra ao Gilgala, ary aza mankany Beera-Seba; satria ho lasan-ko babo tokoa i Gilgala, ary i Betela dia ho tonga tsinontsinona.
6 Tadiavo ny TOMPO, dia ho velona ianareo. Fa raha tsy mitady Azy ianareo, ry taranak'i Josefa, dia hilatsaka aminareo tahaka ny afo Izy ka handevona an'i Betela, ary tsy hisy olona hahafaty ny afo.
7 Ianareo no mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampitsingidina ny fahamarinana amin'ny tany.
8 Fa ilay nanao ny kintana Kotokelimiadilaona sy ny kintana Telonohorefy, manova ny haizim-pito ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, miantso ny rano any an-dranomasina sy manapariaka azy eny ambonin'ny tany, dia ny TOMPO no anarany.
9 Izy no mampipoaka ny fandravana hamelezana ny mahery, ka iharan'ny fandravana tokoa ny tanana mimanda.
10 Halanareo ny olona mananatra eo amin'ny fitsarana ary maharikoriko anareo ny vavolombelona milaza ny marina.
11 Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin'ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin'ny voaloboka tsara nambolenareo.
12 Hoy koa ny Tompo hoe: Fantatro fa marobe ireo helokareo ary mahatsiravina ireo fahotanareo; ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina, ka manodinkodina ny zon'ny mahantra eo amin'ny fitsarana,
13 Noho izany, dia mangina ny olon-kendry amin'izao fotoana izao satria fotoana ratsy izao.
14 Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; amin'izay ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao dia hiaraka aminareo araka ny lazainareo.
15 Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, ary ampitoero ao amin'ny fitsarana indray ny rariny; Angamba ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao hamindrafo amin'izay sisa amin'ny taranak'i Josefa.
16 Koa izao no lazain'ny TOMPO, ilay Andriamanitr'izao rehetra izao sady Tompoko: Eny an-kalamanjana rehetra dia hisy tomanim-pisaonana; ary eny amin'ny arabe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy!' Ny mpamboly koa hantsoina hiaraka ory; ary ireo mpiantsa fahoriana hanao hiram-pisaonana.
17 Any amin'ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.
18 Lozan'izay miandrandra ny androm-pamaizan'ny TOMPO! Fa ho inona moa aminareo io androm-pamaizan'ny TOMPO io? Ho andro maizim-panahiana izany fa tsy hamiratan-tsoa,
19 toy ny amin'ny olona mandositra liona kanefa mifanehatra amin'ny orsa; na toy ny amin'ny olona tonga ao an-trano sy mitehina amin'ny rindrina, kanefa kaikerin'ny menarana.
20 Moa hamiratan-tsoa ve ny androm-pamaizan'ny TOMPO? Tsia, fa ho andro maizim-panahiana izany, ho andro maizina tsy misy mangirana mihitsy.
21 Halako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo; ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.
22 Na dia anateranareo sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy hankasitrahiko izany; ary tsy hojereko akory ny zanak'omby matavy aterinareo ho sorom-pihavanana.
23 Halaviro Ahy ny finaonaonan'ny hiranareo; tsy tiako hohenoina ny feon-dokanganareo.
24 Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra!
25 Ry taranak'i Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra ho Ahy ve ianareo nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?
26 Ary nentinareo ve ny sarin'i Sikota, ilay sampy mpanjakanareo, sy ny sarin'i Kiona, ilay kintana andriamanitrareo, izay samy sary nataonareo ho anareo? Tsia!
27 Koa halefako ho babo any ambadika lavitr'i Damasy ianareo. Izaho TOMPO no miteny izany; ilay Andriamanitr'izao rehetra izao no anarako.