Hamôsa
Toko faha-6
1 Lozanareo izay manorina fiadanana amin'i Tsiona sy mitoky amin'ny tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo mihevi-teny ho sangany eo amin'ilay firenena malaza indrindra ka hatonin'ny taranak'i Israely!2 Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanana lehibe; ary midina ho any Gata tananan'ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!
3 Mitady hampihemotra ny andron'ny loza ianareo nefa mampanatona ny fanjakan'ny herisetra;
4 mandrimandry eo ambony farafara miravaka ivoara ianareo ary mitsilailay eo ambony diva sady mihinana zanak'ondry avy tamin'ny andriany sy zanak'omby matavy.
5 Mihirahira manaraka ny feon-dokanga ianareo sy mamorona zava-maneno tahaka an'i Davida.
6 Misotro divay amin'ny kaopy lehibe ianareo sady manosotra ilomanitra ny lohanareo, fa tsy mba malahelo amin'ny fahavoazan'ny fokon'i Josefa.
7 Noho izany, ankehitriny dia ianareo no ho voalohany amin'izay ho lasan-ko babo ka hifarana hatreo ny korananareo mpanao filibana.
8 Ny TOMPO efa mianiana amin'ny tenany; Ilay TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Mahatsiravina Ahy ny avonavon'ny fanjakan'i Israely ary halako ireo lapany, ka hatolotro ny fahavalony ny renivohitra Samaria mbamin'izay rehetra ao anatiny.
9 Koa raha mbola misy olona folo sisa ao amin'ny trano iray dia ho faty ao ireo.
10 Ny tompo-manjo no haka ny faty, sy voatery hamoaka azy hiala ny trano, sady hiteny amin'izay anankiray sisa velona ao an-trano hoe: Mbola misy ve miaraka aminao? Ka hovaliany hoe: Tsy misy intsony! Ary hampiany hoe: Mangina! Fa aza tonontononina ny anaran'ny TOMPO.
11 Eny, tandremo fa manome baiko ny TOMPO; dia ho montsamontsana ny trano vaventy ary ho samatsamaka ny trano madinika.
12 Moa mihazakazaka eny an-kisolasola-bato ve ny soavaly, ary moa ampihosena ranomasina ve ny omby, no dia navadikareo ho poizina ny rariny, ary ho zava-mangidy ny fanarahan-dalana?
13 Mifaly amin'ny tanana Lodabara azonareo indray ianareo; dia milaza koa ianareo hoe: Tsy tamin'ny herintsika ve no nakantsika ny tanana Karnaima?
14 Kanefa izao no teny hentitra ataon'ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao: Indro Aho, ry taranak'i Israely, hanangana firenena hamely anareo, dia firenena hampahory anareo manomboka hatreo Lebo-Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driaka Haraba.