Hamôsa

Toko voalohany

1 Tenin'i Hamosa izay anankiray tamin'ireo mpiompy tao Tekoa. Roa taona talohan'ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an'ireo teny manakiana ny fanjakan'i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozia ary mpanjaka tao Israely i Jerobohama zanakalahin'i Joasy.

2 Hoy i Hamosa hoe: Avy ao Tsiona ny TOMPO no manerona ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy ary maina ny tampon'i Karmela.

3 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakiny tamin'ny hersa vy ny mponin'i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

4 Handefasako afo ny lapan'i Hazaela mpanjaka, ka ho levon'izany koa ny trano-fiarovan'i Bena-Hadada mpanjaka.

5 Hopotehiko ny hidim-bavahadin'i Damasy; haringako ny mponina ao an-dohasahan-keloka sy ilay mpitana tehim-panjakana ao an-dapam-pilibana; ary ny vahoakan'i Siria ho lasan-ko babo any Kira. Izaho Tompo no miteny.

6 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Gaza, fa indrindra ity anankiray ity: nentiny ho babo avokoa ny iray tanana manontolo mba hatolony ho an'ny Edomita. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

7 Handefasako afo ny tananan'i Gaza ka ho levon'izany ireo lapany.

8 Dia haringako ny mponina ao Asdoda sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelona; ary hahodiko hamely an'i Hekrona ny tanako ka ho faty izay sisa amin'ny Filistinina. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.

9 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an'ny Edomita avokoa ny iray tanana manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin'i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.

10 Handefasako afo ny tananan'i Tiro ka ho levon'izany ireo lapany.

11 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Edoma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

12 Handefasako afo ny tananan'i Temana ka ho levon'izany koa ireo lapa ao Botsera.

13 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny Hamonita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon'ireo bevohoka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

14 Handefasako afo ny tananan'i Raba ka ho levon'izany ireo lapany; sady hisy akoran'ady amin'ny andro iadiana ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.

15 Ho lasan-ko babo ilay mpanjakany sy ireo manamboninahitra miaraka aminy. Izaho Tompo no miteny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0546