Hamôsa
Toko faha-4
1 Ianareo andriambavilanitr'i Samaria, izay mihamatavy tahaka ny ombivavin'i Basana, henoy izao teniko izao: Manitsakitsaka ny madinika ianareo, sy mampahory ny mahantra, ary milaza amin'ny vadinareo hoe: Mitondra hosotrointsika!2 Izany no ianianan'ny Tompo ANDRIANANAHARY hoe: Noho ny fahamasinako dia manizingizina Aho, fa indro ho avy aminareo ny andro izay hitarihana amin'ny farango ny tenanareo sy ny mpanotrona anareo.
3 Ary eo amin'izay banga tandrify anareo avy no hivoahanareo ny tanana, dia horoahina ho any Hermona ianareo. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
4 Izao no teny hentitry Tompo ANDRIANANAHARY: Mankanesa any Betela, ry taranak'i Israely, ka manota ianareo; mankanesa any Gilgala, ka ampitomboy ny helokareo. Ento ny soronareo ny ampitson'ny ahatongavana, ary ny fahafolon-karenareo ny afakampitso.
5 Dory hanetona eo amin'ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.
6 Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary tao amin'ny tanananareo rehetra, ary tsy fahampian-tsakafo tao amin'ny fonenanareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7 Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin'ny tanana anankiray nandatsahako orana, fa tamin'ny tanana iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan'ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8 Nivembena nankao amin'ny tanana iray ny mponina tamin'ny tanana roa na telo mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9 Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo, nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny olivanareo, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10 Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta; novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo, sady nobaboina koa ny soavalinareo; ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitry ny TOMPO izany.
11 Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo tahaka izay nataoko tamin'i Sodoma sy Gomora; ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana nosarihina avy ao amin'ny afo nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12 Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely; ary rehefa izany no hataoko aminao, dia miomana ianao hihaona amin'Andriamanitrao.
13 Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon'ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.