Hamôsa

Toko faha-8

1 Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona.

2 Dia nanontany ahy Izy hoe: Inona no hitanao, ry Hamosa? Ka novaliako hoe: Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: Tonga ny farany ho an'ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.

3 Amin'izany andro hiaviako izany, ireo vehivavy mpihira ao an-dapa dia hanao hiram-pisaonana. ho marobe ny faty ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao izany teny hentitra izany.

4 Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany,

5 ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizana mandainga no hampiasantsika,

6 ary hatramin'ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

7 Ny TOMPO, Izay reharehan'ny taranak'i Jakoba, dia nanao fianianana hoe: Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asa ratsy rehetra nataonareo!

8 Noho izany, dia hihorohoro ny tany ary hisaona ny mponina rehetra ao aminy; eny, hihorohoro tokoa ny tany tontolo, ka hisondrotra sy hietry tahaka an'i Neily onin'i Ejipta.

9 Ny Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: Izao no hiseho amin'izany andro izany: halentiko mitatao vovonana ny masoandro ary hohamaiziniko antoandro ny tany;

10 havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran'izany.

11 Ny Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: Indro avy ny andro izay handefasako mosary amin'ny tany: tsy hoe ho mosarena mofo ny olona na hangetaheta rano fa haniry mafy handre ny teniko.

12 Dia hivezivezy avy any atsimo ka hatrany andrefana ary hitotototo avy any avaratra ka hatrany atsinanana ny olona mba hitady ny teniko, nefa tsy hahita.

13 Amin'izany andro izany, dia ho torana azon'ny hetaheta ireo tovovavy tsara tarehy mbamin'ny tovolahy.

14 Ireo mpianiana amin'ny sampin'i Samaria sy ireo mpiteny hoe: 'Velona ny andriamanitrao, ry Dana!' na hoe: 'Velona ny andriamanitrao, ry Beera-Seba...!' dia ho lavo ka tsy hiarina intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0597