Hamôsa

Toko faha-2

1 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Moaba, fa indrindra ity anankiray ity: Nodorany ho sokay ny taolan'ilay mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

2 Handefasako afo ny tanin'i Moaba ka ho levon'izany koa ireo lapa ao Kiriota; ho faty ao anatin'ny kotaba ny Moabita, ho faty ao anatin'ny akoran'ady sy ny feon-trompetra.

3 Haringako ilay mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy koa ireo manamboninahiny rehetra. Izaho Tompo no miteny.

4 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Joda, fa indrindra ireto: Nanao tsinontsinona ny fampianarako izy ary tsy nitandrina ny didiko sady nanaiky ho voafitaky ny andriamanitra sampy izay efa notompoin'ireo razany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

5 Handefasako afo ny tanin'i Joda ka ho levon'izany koa ireo lapa ao Jerosalema.

6 Izao no lazain'ny TOMPO: Fahotana mifanesy no vitan'ny mponin'i Israely, fa indrindra ireto: Namidiny ho andevo ny olon-tsotra raiki-trosa mba hamerenana ny volany; ary namidiny ho andevo ny mahantra satria tsy nahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

7 Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan'ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan'ny mpandefitra eo amin'ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin'ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.

8 Lamba nomen'ny mahantra ho antoka no itsilailaizany eny akaikin'ny alitara rehetra eny; ary divay azo avy amin'ny sazy no sotroiny ao an-tempolin'ireo andriamaniny.

9 Izaho anefa no nandringana ny Amorita teo anatrehany, dia olona ranjanana tahaka ny hazo sedera ary matanjaka tahaka ny hazo oaka; eny, nopotehiko avokoa na ny fotony na ny voany.

10 Izaho koa no nampiakatra anareo avy tany Ejipta sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahazoanareo ny tanin'ny Amorita.

11 Taoriana dia nisy natsangako ho mpaminany ny zanakalahinareo, ary nisy nantsoiko ho Nazirita ny zatovonareo; ka mba tsy izany tokoa ve, ry taranak'i Israely? Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

12 Kanjo nampisotroinareo divay ireo Nazirita; ary ny mpaminany noraranareo tsy hampita ny hafatr'Andriamanitra.

13 Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba anareo. Indro hataoko mikonainaika eo amin'izay misy anareo avy ianareo tahaka ny ikonainaihan'ny sarety vesaram-bary.

14 Ka ny haingam-pandeha tsy hahita fierena, ny matanjaka tsy afaka hampiasa ny heriny, ary ny miaramila voafantina tsy hahavonjy ny tenany.

15 Tsy hahajoro ny mpandefa zana-tsipika, tsy ho afa-mitsoaka ireo faingan-tongotra, ary tsy hahavonjy ny ainy ny mpitaingin-tsoavaly.

16 Amin'izany andro izany, na ny mahery fo indrindra amin'ireo miaramila voafantina aza dia hanary fiadiana ka handositra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.06