Hamôsa
Toko faha-7
1 Izao no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin'ny fiandohan'ny fitsimohan'ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian'ny fijinjana vary ho an'ny mpanjaka.2 Ary rehefa tapitra lanin'ny valala avokoa ny ahitra rehetra tamin'ny tany, dia hoy aho hoe: Ry Tompo ANDRIAMANITRA o, mba avelao re ny heloky ny vahoakanao! Fa fomba ahoana no hahajoroan'ny taranak'i Jakoba satria kely izy?
3 Dia niova hevitra tokoa ny TOMPO ka dia IZY mihitsy no niteny hoe: Tsy hisy izany.
4 Izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: Indro Izy Tompo ANDRIANANAHARY dia niantso ny afo hanatanteraka ny fitsarany; ka ny afo no nandritra ny ranobe any ambanin'ny tany sady nandoro ny tanin'i Israely.
5 Dia hoy aho hoe: Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mba atsaharo amin'izay re! Fa fomba ahoana no hahajoroan'ny taranak'i Jakoba satria kely izy?
6 Ary niova hevitra tokoa ny TOMPO; ka dia Izy Tompo ANDRIANANAHARY no niteny hoe: Tsy hisy izany.
7 Izao koa no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: Indro Izy Tompo mihitsy no nitsangana teo ambonina manda fira-potsy sady nitana fira-potsy teny an-tanany.
8 Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: Inona no hitanao, ry Hamosa? Ka novaliako hoe: Fira-potsy. Dia hoy indray ny Tompo hoe: Indro Aho hampiasa fira-potsy hamelezako eo afovoan'i Israely vahoakako, satria tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.
9 Fa hofoanako ireo toeram-panasinan'ny taranak'i Itsehaka, horavako ireo toeram-pivavahan'i Israely, ary hitsangana Aho hamely ny taranak'i Jerobohama amin'ny sabatra.
10 Ary i Amatsia, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin'i Jerobohama mpanjakan'i Israely hoe: I Hamosa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon'ny vahoakan'i Israely; tsy zakan'ny tany intsony ireo kabariny rehetra.
11 Fa izao manko no voalazan'i Hamosa: Ho fatin'ny sabatra i Jerobohama ary ny vahoakan'i Israely dia ho entina ho babo lavitra ny taniny.
12 Dia hoy i Amatsia tamin'i Hamosa: Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha-mpaminany anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao.
13 Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron'ny mpanjaka sady lapan'andriamanjaka no eto.
14 Dia namaly an'i Amatsia i Hamosa nanao hoe: Tsy mba mpaminany na anisan'ny tarika mpaminany aho taloha fa mpiandry biby fiompy sady mpanindrona voan'aviavy.
15 Saingy nalain'ny TOMPO teo am-piandrasana biby fiompy aho ka nitenenany hoe: Mandehana ianao ka mijoroa ho mpaminany amin'ny Israely vahoakako.
16 Koa ankehitriny, henoy ny tenin'ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: Aza maminany ny hamelezana an'i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak'i Itsehaka;
17 noho izany, ry Amatsia, dia izao no lazain'ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanana ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin'ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin'ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin'ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak'i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.