Hamôsa

Toko faha-3

1 Ry taranak'i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin'ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:

2 Amin'ny fianakaviana rehetra eto ambonin'ny tany, dia ianareo ihany no nofidiko sy nokarakaraiko; noho izany, dia hampamoahako anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo.

3 Hiara-dalana ve ny olon-droa, raha tsy efa nifanaiky?

4 Hanerona ao anaty ala ve ny liona, raha tsy mahita remby? Hanerongerona ao an-davany ve ny liona tanora, raha tsy misy zavatra azony?

5 Voan'ny fandrika amin'ny tany ve ny vorona, raha tsy nisy sakafo nisarika azy? Mikatona ve ny fandrika-harato raha tsy mahazo zavatra?

6 Tsofina ao an-tanana ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanana, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?

7 Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin'ireo mpaminany mpanompony.

8 Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?

9 Ataovy re eny an-tafon-tranon'ireo lapa ao Asdoda sy eny an-tafon-tranon'ireo lapa any Ejipta, ka lazao hoe: Mivoria eny an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ka jereo ny korontana marobe eo anivony sy ny famoretana mihatra ao anatiny.

10 Fa izao no teny hentitry ny TOMPO: Tsy nahalala hanao asa marina ry zareo; zavatra vokatry ny herisetra sy ny fandrobana no angoniny ho ao an-dapany.

11 Noho izany, ry Samaria, izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hohodidinin'ny fahavalo ny taninao, harodany hiala aminao ny manda-fiarovanao, ary horobainy ireo lapanao.

12 Izao no lazain'ny TOMPO: Rehefa misy ondry azon'ny liona, dia tongotra roa na sombin-tsofina no tsoahan'ny mpiandry ondry avy eo am-bavan'ny liona; toy izany ny amin'ireo Israelita izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron'ny saofa na eo ambony fandriana malemilemy: Vitsivitsy ihany no hovonjena.

13 Henoinareo ka ambarao amin'ny taranak'i Jakoba: ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY, dia ilay Andriamanitr'izao rehetra izao:

14 Amin'ny andro hamaliako ny Israely noho ny helony, dia horavako ireo alitara ao Betela; hopotehiko ny tandroky ny alitara isanisany, ka hianjerazera amin'ny tany.

15 Hazerako ny trano ririnina sy trano fahavaratra, ary ho simba ny trano miravaka ivoara sady ho fongana ny trano miezinezina. Teny hentitry avy amiko TOMPO izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0585