Hamôsa
Toko faha-9
1 Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin'ny alitara sady niteny hoe: Asio ny lohan'ireo andry amin'ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin'izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin'ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.2 Na hibosesika any amin'ny toeran'ny maty aza ireo, dia hotsoahan'ny tanako avy any; na hiakatra ho any an-danitra aza ireo, dia hampidiniko avy any;
3 na hiery any an-tampon'i Karmela aza ireo, dia hokarohiko sy halaiko any; na mihevitra hiafina tsy ho hitan'ny masoko any amin'ny fanambanin'ny ranomasina aza ireo, dia homeko didy ny trozonabe hanaikitra azy any;
4 na ho lasan-ko babo eo anatrehan'ny fahavalony aza ireo, dia homeko baiko ny sabatra handringana azy any. Tapa-kevitra Aho tsy hahatonga soa ho azy fa hahatonga loza.
5 Ny Tompo ANDRIAMANITR'izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an'i Neily, onin'i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy.
6 Nanorina ny lapany any an-danitra Andriamanitra, ka ny tany no iorenan'ny andohalambon'ny lanitra; miantso ny rano eny an-dranomasina Izy ka mampilatsaka azy ety ambonin'ny tany. Ny TOMPO no anarany.
7 Izao no teny hentitry ny TOMPO: Amiko ve ianareo, ry taranak'i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiopianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftora sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?
8 Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY mampifantoka ny masony amin'ity fitondram-panjakana mpanota ity sady manao teny hentitra hoe: Hamongotra azy tsy ho eto ambonin'ny tany intsony Aho, Kanefa tsy hamongotra manontolo ny taranak'i Jakoba.
9 Indro Aho hamoaka baiko mba hisivanana ny taranak'i Israely mba hosivanina any anivon'ny firenena rehetra tahaka ny anasivanam-bary amin'ny sivana ka tsy hisy vato latsaka amin'ny tany.
10 Ho faty an'ady ny mpanota rehetra amin'ny vahoakako, dia ireo nilaza hoe: Ny loza tsy hananontanona anay sady tsy hahatratra anay!
11 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ilay tananan'i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanana izany, ka hofefeko ireo banga amin'ny mandany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanana ho tahaka ny taloha.
12 Amin'izay no hakan'i Israely ny tany sisa amin'i Edoma sy amin'ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany.
13 Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Indro avy ny andro izay hahavokatra ny vary ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana, sy hahavokatra ny voaloboka ka efa hafafy ny voambary vao vita ny fihosemboaloboka. Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra.
14 Haveriko avy amin'ny fahababoana ny Israely vahoakako, ka ireo tanana efa rava hatsangany sy honenany indray. Hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, ary hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.
15 Hamboleko eo amin'ny tany izany nomeko azy izy, ka tsy hongotana hiala eo intsony. Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.