Fahendrena

Toko 1 Tiava ny fahamarinana, ianareo mpanapaka ny tany. Aoka ho amin'ny saina mahitsy no hiheveranareo ny Tompo, ary ho amin'ny fo tsotra kosa no hitadiavanareo Azy.
Toko 2 Fa diso hevitra izy raha nifampilaza hoe: "Fohy sady be fahoriana ny fiainantsika; ary tsy misy fanafana intsony ho an'ny olona, rehefa tonga ny fiafarany; sady tsy mbola nisy olona fantatra ho tafaverina avy any amin'ny toeran'ny maty.
Toko 3 Eo an-tanan'Andriamanitra ny fanahin'ny olo-marina ka tsy misy fijaliana hahatratra azy intsony.
Toko 4 Aleo tsy manan-janaka nefa manana hatsaram-panahy, fa tsy ho faty ny fahatsiarovana azy, satria sitrak'Andriamanitra sy ny olona izy.
Toko 5 Amin'izay ny olo-marina dia hijoro amim-pahatokiana fatratra eo anoloan'izay nampahory azy sy nanamavo ny fikelezany aina.
Toko 6 Mihainoa ka mamantara ianareo mpanjaka! Mianara ianareo mpifehy amin'ny tany tontolo.
Toko 7 Olona mety maty tahaka ny rehetra koa aho ary taranaky ny voalohan'olona izay voavolavola tamin'ny tany. Voasokitra ho nofo tao an-kibon-dreniko aho,
Toko 8 Hatrany amin'ny isam-bazantany no itaran'ny fahefan'ny Fahendrena; ka mifehy izao tontolo izao amin-kalemem-panahy izy.
Toko 9 "Ry Andriamanitry ny razako sady Tompo loharanon'ny famindrampo o, ny teninao no nanaovanao izao rehetra izao,
Toko 10 Ny Fahendrena no niaro ny olona voalohany izay noforonina ho rain'ny tontolo, fony izy mbola irery. Avy eo, rehefa nanao fahotana ny olona, dia ny Fahendrena no nanafaka azy tamin'izany
Toko 11 Ny Fahendrena dia nanambina ireo asan'ny Israelita noho ny nataon'ny mpaminany masina iray.
Toko 12 Fa ny fofonainao tsy mety maty dia ao amin'ny voaary rehetra.
Toko 13 Fahadalana tsotra izao ny an'ny olona rehetra izay minia tsy mahalala an'Andriamanitra. Ny soa hita maso tsy nahafahany nahalala an'Ilay hatrizay ka ho mandrakizay; ary ny fandinihina ireo asany tsy nahafantarany an'Ilay Mpanao azy.
Toko 14 Olon-kafa indray no miomana hiondrana an-tsambo sy hisedra ny onjamaherin'ny ranomasina; ka tapa-kazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny.
Toko 15 Fa Ianao, ry Andriamanitray o, no tsara sady marina ary koa mahari-po, ka mitondra izao rehetra izao amim-pitiavana.
Toko 16 Izany no antony namaizana ara-drariny ireo Ejiptianina ireo tamin'ny biby mitovy amin'izay nivavahany ihany sy nampijaliana azy tamin'ny biby maro sesehena.
Toko 17 Tompo o, lehibe sy sarotra hazavaina ny fitsaranao; ka dia izany no nampivaona ny olona tsy nety nianatra ny aminao.
Toko 18 Nandritra izany fotoana izany dia nisy hazavana lehibe namirapiratra tamin'ny olonao masina. Ren'ireo Ejiptianina fahavalony ny feony saingy tsy hitany kosa ny tavany; ary satria tsy mba nijaly tahaka azy izy, dia nambarany hoe sambatra.
Toko 19 Fa tsy maintsy niharan'ny fahatezeranao tsy misy antra hatramin'ny farany kosa ireo fahavalo, satria fantatrao mialoha, Tompo o, izay zavatra hataony:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0399