Fahendrena

Toko voalohany

1 Tiava ny fahamarinana, ianareo mpanapaka ny tany. Aoka ho amin'ny saina mahitsy no hiheveranareo ny Tompo, ary ho amin'ny fo tsotra kosa no hitadiavanareo Azy.

2 Fa izay tsy mizaha toetra Azy no mety hahita Azy; ary izay matoky Azy no isehoany.

3 Satria ny hevi-petsy mampisaraka amin'Andriamanitra; ary ny fahefany voazaha toetra mampahamenatra ny adala.

4 Tsy idiran'ny Fahendrena ny fanahy mpanao ratsy; ary tsy mba itoerany koa ny vatana andevozin'ota.

5 Izy no Fanahy Masina mpanabe ny olona, ka mandositra ny fihatsarambelatsihy sy manalavitra ny hevitra adala; ary Izy no voailikilika, rehefa miseho ny tsy fahamarinana.

6 Ny Fahendrena dia fanahy tia olona ka tsy mamela ho afa-maina izay miteny ratsy an'Andriamanitra; satria io Andriamanitra io dia vavolombelona mahita ny atifanahiny sy mahafantatra ny fony araka ny marina ary mandre izay lazain'ny lelany.

7 Fa manerana ny tany ny Fanahin'ny Tompo, ka mihazona mafy izao rehetra izao ary mahafantatra ny teny voatonona.

8 Noho izany, tsy misy afa-miery na iza na iza ratsy fiteny; ary tsy ho azony idifiana ny famaizana sahaza azy.

9 Fa hanaovam-pamotorana ny fikasan'ny tsy mpivavaka ka hatrany amin'ny Tompo no ho tafapaka ny akon'ny teniny ho porofon'ny ratsy nataony.

10 Mailo ny sofin'Andriamanitraka mihaino ny zava-drehetra; ary tsy misy tsy reny na dia ny monomonona malefaka aza.

11 Koa fadio ny monomonona tsy amin'antony, tano ny lela mba tsy hanaratsy olona; fa ny teny an-tsokosoko dia tsy maintsy misy fiantraika , ary ny mpilaza endrikendrika dia mahafaty ny tenany ihany.

12 Aza mitady fahafatesana amin'ny fiainana maniasia; ary aza mihantsy fahaverezana amin'ny asan-tananareo.

13 Satria Andriamanitra tsy namorona ny fahafatesana; ary tsy sitrany ny hahavery ny miaina.

14 Nohariny mba hisy manko ny zava-drehetra; ka mahasoa eto amin'izao tontolo izao ny fifandimbiasan-taranaka. Tsy misy poizina mandoza ao aminy; ary tsy mba ny fahafatesana no manjaka eto ambonin'ny tany,

15 satria tsy mety maty ny fahamarinana.

16 Ny fahafatesana kosa no nantsoin'ny tsy mpivavaka amin'ny fihetsiny sy ny fiteniny; misakaiza aminy koa ireo ka fatra-pitia azy ary manao fanekem-pihavanana aminy , ka mendrika ho mpiandany aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549