Fahendrena
Toko faha-10
1 Ny Fahendrena no niaro ny olona voalohany izay noforonina ho rain'ny tontolo, fony izy mbola irery. Avy eo, rehefa nanao fahotana ny olona, dia ny Fahendrena no nanafaka azy tamin'izany2 sady nanome azy hery hifehezana ny zavaboaary rehetra.
3 Fa nisy olona anankiray tsy marina izay niala tamin'ny Fahendrena noho ny fahatezerany, ka levon'ny haromotany nahafaty rahalahy.
4 Noho ny aminy dia safo-drano ny tany; ka mbola ny Fahendrena ihany no namonjy azy, rehefa nitarika ny olo-marina hamakivaky ny onja tamin'ny sambo hazo tsotsotra.
5 Ary fony ireo firenen-tsamihafa niray tsikombakomba hanao ratsy ka tonga tsy nifankahazo fiteny intsony, dia fantatry ny Fahendrena ilay olo-marina; ka notahiriziny tsy ho azo kianina teo anatrehan'Andriamanitra izy, ary narovany hahery tsy ho resin'ny fitiavan-janaka.
6 Rehefa naringana ny tsy mpivavaka, dia Izy no nanafaka ny marina izay nandositra ny afo niatonta tamin'ireo tanana dimy.
7 Ho vavolombelon'ny haratsiam-panahiny, dia izao no mbola hita ao: tany karankaina sy mivoaka etona, hazo mamoa tsy mety masaka, ary andry vongan-tsira mijoro hahatsiarovana olona iray tsy nino.
8 Nanamavo ny Fahendrena ireny tsy mpivavaka ireny, ka sady tsy afa-nahalala ny tsara akory no namela mari-pahatsiarovana ny hadalany ho an'ny taranak'olombelona ihany koa. Izany no tsy hahavery tadidy ireo tanana ireo ao anatin'ny fahadisoana vitany.
9 Nefa dia nafahan'ny Fahendrena tamin'ny fahoriana rehetra ireo mpanompony.
10 Ilay olo-marina izay nandositra ny fahatezeran'ny rahalahiny, dia ny Fahendrena no nitarika azy tamin'ny lala-mahitsy sy naneho azy ny fanjakan'Andriamanitra ary nampahafantatra azy ny zava-masina. Izy no nampahomby azy tamin'ny fisasarany ka nampitombo ny vokatry ny fiezahany.
11 Nanampy azy koa ny Fahendrena tsy ho voambakan'ny mpampahory mahidy ka nampanankarena azy tamin'ny farany.
12 Nambenany tamin'ny fahavalony izy ary narovany tamin'ny mpamela-pandrika; nomeny fandresena tamin'ny ady mafy izy hampahafantarany azy fa ny fitiavam-bavaka dia mahery noho ny zavatra rehetra.
13 Nisy koa olo-marina namidy ka tsy mba nilaozan'ny Fahendrena fa narovany tamin'ny fahotana.
14 Niara-nidina taminy tao an-davaka izy ary tsy nandao azy am-patorana mandra-panomeny azy ny fahefam-panjakana sy ny fifehezana an'ireo mpamoritra azy fahiny. Noporofoin'ny Fahendrena araka izany fa mpandainga ireo mpiampanga ilay olo-marina; ary izy kosa nomeny voninahitra mandrakizay.
15 Ny vahoaka masina sady taranaka tsy azo kianina dia nafahan'ny Fahendrena tamin'ny firenena izay namoritra azy.
16 Ny mpanompon'ny Tompo anankiray no nidirany tao amin'ny fanahiny; ka mpanjaka mahatahotra no nifanandrinany tamin'ny zava-mahagaga sy famantarana.
17 Nomeny valin-kasasarana ilay vahoakan'Andriamanitra sady notarihiny tamin'ny lalana izay voafafy zava-mahagaga. Ho azy ny Fahendrena dia nanjary toa alokaloka nony antoandro ary toa famirapira-kintana nony alina.
18 Nampamakiny ny Ranomasina Mena izy ary notarihiny lalana teo afovoan'ny fiavosan-drano anankiroa.
19 Fa ireo fahavalony kosa nalentiny ho faty; ka avy any amin'ny fanambanin'ny lalina any no natsipiny ho eny amoron-drano.
20 Koa dia norobain'ny marina ny tsy mpivavaka. Nihira ny anaranao masina izy, Tompo o, ary niara-nankalaza ny herinao niaro azy.
21 Fa nampisoka-bava ny moana ny Fahendrena ary namaha ny lelan'ny zaza madinika.