Fahendrena

Toko faha-8

1 Hatrany amin'ny isam-bazantany no itaran'ny fahefan'ny Fahendrena; ka mifehy izao tontolo izao amin-kalemem-panahy izy.

2 Ny Fahendrena no tiako sy nokatsahiko hatramin'ny fahatanorako; naniry azy ho andefimandriko aho, ka raiki-pitia tamin'ny bikany.

3 Mampiharihary ny fahamboniam-piaviany izy, satria miara-monina amin'Andriamanitra; ary tia azy ny Tompon'izao rehetra izao.

4 Fa ny fahalalan'Andriamanitra no iombonany ka afa-misafidy ny asany izy.

5 Raha zava-tsoa tokony ho irina ny harena amin'izao fiainana izao, inona no manan-karena kokoa noho ny Fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra.

6 Raha mahavita zavatra ny fahalalantsika, tsy vao mainka manoatra noho izany ve ny Fahendrena izay mpamorona ireo zava-misy?

7 Tia fahamarinana ve ianareo? Izy no mahavokatra ireo hatsaram-panahy, mampianatra ny fahononana amam-pahamalinana ary ny fahamarinana amam-paherezana; tsy misy ilain'ny olombelona kokoa noho ireny amin'izao fiainana izao.

8 Maniry hanam-pahalalana lalindalina kokoa ve ianareo? Fa ny Fahendrena dia mahafantatra ny lasa ary mahay maminavina ny ho avy, mahatakatra ny oha-teny misafelika sy mahavaly ny ankamantatra, mahalala mialoha ny famantarana aman-java-mahatalanjona sy ny fizotran'ny vanim-potoana aman-tononandro.

9 Koa tapa-kevitra aho haka azy ho namana eo amin'ny fiainako; fantatro fa ho mpanolotsaina ahy hanao ny soa izy sady ho mpankahery ahy amin'ny fanahiana sy ny alahelo.

10 Fa hoy aho anakampo hoe: "Ny fahendrena no hahazoako voninahitra eo amin'ny vahoaka sy haja eo amin'ny anti-panahy na dia mbola tanora aza aho.

11 Hahafantatra ny fahiratan-tsaiko ny olona rehefa manao fitsarana aho, ary hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.

12 Raha mangina aho, dia hiandry ahy hiteny izy; raha miteny aho, dia hifantoka hihaino izy; ary raha mihalava ny kabariko, dia hitampim-bava ho fanajana ahy izy.

13 Izy no hahazoako ny tsifahafatesana; ka fahatsiarovana mandrakizay no havelako ho an'ny taranaka.

14 Hitondra vahoaka aho, ary hoeken'ireo firenen-kafa.

15 Hatahotra ahy ny mpanjaka lozabe, raha vao mandre ny amiko; halemy fanahy amin'ny vahoakako aho ary hahery fo amin'ny ady.

16 Hiala sasatra eo anilan'ny Fahendrena aho rehefa mody ao an-tranoko, fa tsy mba misy ngidy na alahelo ny fiarahana sy fiombonana aminy, fa fifaliana sy firavoravoana ihany."

17 Nodinihiko tao anatiko tao izany zavatra izany; ary takatro tao am-poko fa hoe: Miantoka ny tsifahafatesana ny firaiketana amin'ny Fahendrena;

18 fahafinaretana lavorary no vokatry ny fisakaizana aminy; harena tsy mety ritra no vokatr'ireo asan'ny tanany; hahazoana fahiratan-tsaina ny fifankazarana tsy tapaka aminy ary hahazoan-daza ny fifandraisana amin'ny teniny. Izany no nivezivezeko nitady tetsy sy teroa izay fomba hahazoana azy ho andefimandriko.

19 Marina fa zaza tsara toetra aho sady nandray fanahy mahafatra-po;

20 na izao angaha: efa mahafatra-po rahateo aho, ka tonga tao amin'ny vatana tsisy loto.

21 Fantatro kosa fa tsy hahazo ny Fahendrena aho, raha tsy omen'Andriamanitra ahy izany; ary ny mahalala ilay fiavian'io fanomezana io dia efa porofon'ny fahiratan-tsaina. Koa nitodika tamin'ny Tompo aho sy nivavaka taminy; ka araka ny foko manontolo no nilazako taminy hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0662