Fahendrena
Toko faha-5
1 Amin'izay ny olo-marina dia hijoro amim-pahatokiana fatratra eo anoloan'izay nampahory azy sy nanamavo ny fikelezany aina.2 Koa raha mahita azy fotsiny ireo, dia hangitakitaky ny tahotra, sady ankona hahita azy voavonjy tsy araka ny nanampoizany azy.
3 Hanenina be vava ireo ka hifampiteny ary hitoreo amim-pangitaham-po hanao hoe:
4 "Indro ilay nataontsika fihomehezana fahiny sy lasibatry ny fanarabiantsika. Olona tsy nisaina isika nihevitra ny fiainany ho fahadalana ary ny fahafatesany ho fahafaham-baraka.
5 Kanjo indro izy ankehitriny fa isan'ireo zanak'Andriamanitra ka manana anjara eo anivon'ny anjely.
6 Noho izany, isika no naniasia lavitry ny lalam-pahamarinana; tsy mba nanazava antsika ny fahazavam-pahamarinana ary tsy niposaka tamintsika ny masoandrony.
7 Ny lalan'ny tsy fahamarinana sy ny fahaverezana no nizorantsika hanaranam-po; namakivaky ny taniefitra tsisy lalana isika, nefa tsy te hahalala ny sori-dalan'ny Tompo.
8 Inona no soa azontsika tamin'ny avonavontsika sy ny harena izay nireharehantsika?
9 Nandalo toy ny aloka ireny rehetra ireny, ary mora hadino toy ny hafatra izay ampitain'olona mihazakazaka.
10 Mitety onja mahery ny sambo; kanefa tsy hita ny soritry ny fandalovany na ny mariky ny vatan-tsambo eny anivon-drano.
11 Mamakivaky habakabaka ny voro-manidina; kanefa tsy misy hamantarana ny lalan-kizorany, satria kopahiny elatra ny rivo-malefaka ary manezaka mafy izy manavatsava azy; avy eo tsy hita akory ny mariky ny fandalovany.
12 Ny zana-tsipika dia alefa amin'izay kendrena; fa rehefa mikatona ny rivotra notriariny, dia tsy fantatra intsony izay lalana narahiny.
13 Isika koa dia toy ny sambo na ny voro-manidina na ny zana-tsipika. Fa teraka isika, avy eo dia manjavona; ka tsy mba misy azontsika aseho akory izay mariky ny hatsaram-panahy, fa ny haratsiantsika ihany no nandevona antsika."
14 Eny, ny fanantenan'ny tsy mpivavaka dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra, na tahaka ny fanala maivana faohin'ny tadio, ho foana toy ny setroka aelin'ny tsio-drivotra izany ary ho levona toy ny fahatsiarovana vahiny izay nihelina indray andro monja.
15 Fa velona mandrakizay kosa ny olo-marina; hanome valisoa azy ny Tompo, ary hiahy azy ilay Avo Indrindra.
16 Avy amin'ny tanan'ny Tompo no handraisany ny fanjakana mamirapiratra sy ny satroboninahitra kanto. Fa ny tanany ankavanana no iarovany azy; ary ny sandriny no anaronany azy toy ny ampinga.
17 Handray ny zotom-pony ho enti-miady Izy ary hampirongo fiadiana ny zava-boaary hamelezana ny fahavalony.
18 Hitafy ny fahamarinana Izy ho akanjo vy fiarovan-tratra, handray ny fitsarana ara-drariny ho satro-by fiarovan-doha,
19 handray ny fahamasinana ho ampinga tsy mety resy,
20 ary hampiasa ny fahatezerany tsy azo ifonana ho sabatra maranitra ; izao tontolo izao koa dia hiaraka amin'ny Tompo hiady amin'ny adala.
21 Tahaka ny zana-tsipika alefa amin'izay ikendrena azy avy amin'ny tsipika voahenjana mafy no hitsoriahan'ny tselatra avy amin'ny rahona ka hiantefany mahitsy amin'ny tanjona.
22 Hilatsaka mivatravatra ny havandra toy ny vato alefan'ny antsamotady. Hisafoaka ny onjan-dranomasina hamely ireo fahavalon'Andriamanitra; ary hanafotra azy tsisy indrafo ny ony.
23 Hifofofofo hamely azy ny rivo-mahery ka hampihahaka azy toa tadio. Dia hiova ho taniefitra ny tany manontolo noho ny tsy fahamarinany; ary ny ratsy nataon'ireo manampahefana ihany no hampiongana ny seza fiandrianany.