Fahendrena

Toko faha-2

1 Fa diso hevitra izy raha nifampilaza hoe: "Fohy sady be fahoriana ny fiainantsika; ary tsy misy fanafana intsony ho an'ny olona, rehefa tonga ny fiafarany; sady tsy mbola nisy olona fantatra ho tafaverina avy any amin'ny toeran'ny maty.

2 Kisendrasendra no niterahana antsika; ary aorian'izao fiainana izao dia ho tahaka ny tsy nisy akory isika. Setroka ihany ny fofonaintsika; ary ny hevitra dia toa pitik'afo atselatry ny fitepon'ny fontsika

3 Koa raha vantany vao maty izany, dia hiraraka ho lavenona ny vatantsika ary toy ny rivotra tsy hay tazonina no ialan'ny fanahy.

4 Rehefa ela ny ela, dia ho hadino ny anarantsika; ary tsy misy olona hahatsiaro ny asantsika. Fa handalo toy ny rahona ny fiainantsika ka tsy hamela dindo; hisava toy ny zavona roahin'ny tara-masoandro sady aparitaky ny hafanany.

5 Tahaka ny fihelin'ny aloka ny androm-piainantsika; ary tsy azo ahemotra ny fiafarany, satria naraikitra toa voatombokase izany ka tsy misy afaka miverina ilalana.

6 Koa andeha isika hiarana amin'ny zava-tsoa ankehitriny, ary hararaoty ny zavaboa ary araka ny hafanampon'ny fahatanorana.

7 Aoka isika himamo amin-divay tsara indrindra sy ho afa-dia na amin-java-manitra; ary aza avelantsika handalo foana ireo voninkazon-dohataona.

8 Bokom-bonin-draozy no ataovy fehilohantsika, dieny mbola tsy malazo ireny.

9 Aoka isika tsy hisy hanadino izany filibantsika izany; fa asiontsika marika hatraiza hatraiza ho fahatsiarovana ny filanonantsika, satria anjara sy vintana ho antsika izany.

10 Ampahoriontsika ny mahantrana dia marina aza ireo, aza tsimbinintsika ny mpitondra tena ary aza hajaintsika ny antitra fotsy volo.

11 Fa aoka ny hery, ho antsika, no ho filamatry ny rariny, satria tsy misy ilana ny fahosana.

12 Aoka ho enjehintsika ny marina fa manelingelina antsika; manohitra ny fanaontsika izy sady manome tsiny antsika ho mpandika lalana, ary miampanga antsika ho tsy mpiraharaha fanabeazana.

13 Mihambo ho mahalala an'Andriamanitra izy ary milaza ny tenany ho zanaky ny Tompo.

14 Tonga fanakianana ny fisainantsika izy ka tsy zakantsika na ny fahitana azy fotsiny aza.

15 Fa tsy tahaka ny an'ny olon-kafa ny fiainany ary hafahafa ny fombafombany.

16 Fahalovana no fiheverany antsika; ka fadiny toy ny loto ireo fanaontsika. Ny olo-marina no ho sambatra fiafara, hoy ny fanambarany, ka dia mirehareha ho manana an'Andriamanitra ho rainy izy.

17 Aoka izany teniny izany hozahantsika raha azo antoka; ary aoka hodinihintsika izay hitranga rehefa tonga ny andro hahafatesany.

18 Fa raha zanak'Andriamanitra ny olo-marina, dia ho tonga Izy hamonjy azy ka hanafaka azy eo an-tanam-pahavalo.

19 Koa aoka izy ho sedraintsika amin'ny latsa sy ny fampijaliana mba hahafantarana ny fahatoniany sy hitsapana ny faharetany.

20 Aoka izy ho helohintsika ho faty amin'ny fomba mahamenatra, satria Andriamanitra, araka ny filazany no hirotsaka an-tsehatra hanafaka azy."

21 Izany no fisainan'ireo tsy mpivavaka; diso hevitra anefa izy amin'izany satria hajambain'ny faharatsiany.

22 Tsy mba fantany akory ny fikasa-miafin'Andriamanitra; tsy mba nanantena valisoa amin'ny fahamasinam-piaina izy ary tsy mba mankamamy ny hajan'ireo madio am-panahy.

23 Satria noarin'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ka nataony mitovy endrika aminy ;

24 kanefa ny fialonan'ny devoly no nampiditra ny fahafatesana teto amin'izao tontolo izao ; ka izay momba ny devoly ihany no tsy maintsy hiharan'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567