Fahendrena

Toko faha-17

1 Tompo o, lehibe sy sarotra hazavaina ny fitsaranao; ka dia izany no nampivaona ny olona tsy nety nianatra ny aminao.

2 Ny haratsiam-panahiny no nahatonga azy hihevitra ny firenenao masina ho eo ambany fahefany; koa dia voagadran'ny haizina sy voababon'ny alina tsy misy fiafarany izy ary voahidy aman-tranony ka nivalampatra tao, niery ny fiahianao mandrakizay.

3 Noheveriny fa hitoetra tsisy mpahita ny fahotany miafina, voasarona voaly matevin'ny fanadinoana; kanjo nihahaka ireo olona ireo fa azon-tahotra mafy ary nivarahontsan'ny fahitana mampihoron-koditra.

4 Tsy naharo azy tamin'ny tahotra ny toera-mangina niafenany, fa feo mampatahotra no mirohondrohona manodidina azy ary matoatoa mamohehatra sady maloka endrika no niseho taminy.

5 Na ny afo mahery indrindra aza tsy nampahazava azy ary ny fanjopiakan'ny kintana tsy nahatantera-pahazavana izany alina mahatsiravina izany.

6 Fa afon'arina mirehitra ho azy no sisa niseho taminy ka nameno tahotra azy ; rehefa dify anefa izany fahitana izany, dia vao mainka nihoron-koditra izy ka nihevitra izay hitany ho mbola ratsy kokoa.

7 Fa tsy manan-kery ny fitaka ataon'ny mpanao majika ary tonga henatra ho azy ny fahalalana nihamboany.

8 Nilaza tena ho mahay mandroaka ny horohoro aman-tahotra amin'ny fanahin'olona marary izy, kanjo izy aza mba mararin'ny tahotra mahatsikaiky.

9 Ary na dia tsy nisy zavatra tokony hampahatahotra azy akory aza, ny fandalovan'ny biby sy ny fisiokan'ny bibilava ihany dia mampangitakitaka azy,

10 efa ho fatin'ny tahotra izy ka tsy sahy mijery ao amin'ny maizina izay tsy azony ialana.

11 Fa vavolombelon'ny hakanosany ny faharatsiam-panahy ka manamelo-tena; enjehin'ny eritreriny izy ka tonga misaintsaina ny ratsy kokoa hatrany.

12 Ny tahotra dia tsy inona akory fa fandavana ny fanampian'ny saina.

13 Fa arakaraka ny tsy itokiana izany fanampiana izany ao anaty no vao mainka tsy ahalalana izay mahatonga ny fahoriana.

14 Ireo olona ireo kosa tsy tafandry mandry tamin'izany alina tsy manan-kery sady nipoitra avy any amin'ny fanambanin'ny toeran'ny maty izany, dia toeran'ny maty tsy manan-kery ihany koa.

15 Fa sady nenjehin'ny matoatoa mahatsiravina izy no nivarahontsana very fanahy noho ny tahotra tampoka tsy nampoiziny.

16 Izay olon-kafa tonga teo koa dia samy lavo tamin'ny tany ary voagadra sy voatana an-trano maizina tsisy hidiny.

17 Na mpamboly na mpiandry ondry na mpiasa manao asa mafy any an-kodahoda, dia samy tratry ny loza avokoa, tsy afa-miala amin'izay anjarany.

18 Ny haizim-pito no toy ny gadra namatotra azy rehetra.

19 Nampivarahontsana azy rehefa mety feo reny toy ny fitsokan'ny rivotra, ny hiram-borona mahafinaritra anaty kirihitra, ny firohondrohon'ny rian-dranomahery, ny fidoboky ny vato mikodia, ny rodorodo tsy hita maso fanaon'ny biby mifalihavanja, ny faneron'ny biby masiaka, na koa ny ako averin'ny lavaky ny tendrombohitra.

20 Nohazavain'ny hazavana mamirapiratra ny tontolo ka nanohy miadana ny asa fanaony.

21 Fa ireo kosa voasaron'ny ali-mampahory izay tandindon'ny haizim-pito efa niandry azy. Nefa mbola navesatra taminy mihoatra noho ny haizim-pito aza ny tenany ianjadian'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548