Fahendrena
Toko faha-12
1 Fa ny fofonainao tsy mety maty dia ao amin'ny voaary rehetra.2 Izany no amaizanao miandalana ireo olo-meloka. Anarinao izy ka ampahatsiarovinao ny fahotany mba hialany amin'ny ratsy ka hinoany Anao, Tompo o.
3 Izany koa no efa nataonao tamin'ny mponina taloha teo amin'ny Taninao Masina.
4 Nankahalainao ireo olona ireo noho ny zava-maharikoriko tontosainy: dia fanaovana majika, fombam-pivavahana maloto,
5 famonoan-jaza tamin-kabibiana, ary fanasam-be ihinanana nofon'olona mbamin'ny rany sy ny taovany. Ireo mpahay fomba maizimaizina tra-tehaka eo anivon'ny filerana,
6 ireo ray aman-dreny mpamono zaza izay tsy afa-miaro tena akory dia nokasainao haringana tamin'ny tanan'ny razanay
7 hany ka io tany izay maminao mihoatra noho ny hafa rehetra io dia handray ireo zanak'Andriamanitra ho mponina mendrika honina aminy.
8 Kanefa ireo mponina taloha teo koa dia notsimbininao satria olombelona izy, ka fanenitra no nalefanao hialoha lalana ny tafikao mba ho miandalana ny handringanany azy.
9 Marina fa ireo tsy mpivavaka ireo dia azonao natolotra an'ady teo an-tanan'ny olo-marinana naringana indray maka tamin'ny biby masiaka na tamin'ny didy tsy azo ivalozana.
10 Kanefa miandalana no nampiharanao famaizana mba hahazoan'ireo olona ireo mibebaka, na dia fantatrao aza fa mivaona toetra izy, sady ratsy fanahy hatramin'ny niterahana azy ka tsy hiova fisainana na oviana na oviana,
11 satria taranaka voaozona hatrany am-piandohana ireo. Ary tsy mba noho ny fahatahoranao olona no namelanao ny fahotany ho afa-maina.
12 Koa zovy no ho sahy hilaza aminao hoe: Inona ity nataonao? Iza no hanohitra ny fanapahan-kevitrao? Iza no hitory Anao ho nandringana vahoaka izay noarinao? Iza no sahy hitsangana eo anatrehanao hisolovava ny olo-meloka?
13 Tsy misy manko Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mahakarakara ny zava-drehetra; tsy misy andriamanitra hafa hanehoanao ny fitsarana marina ataonao.
14 Tsy misy koa mpanjaka na mpanapaka sahy nanohitra anao mba hiaro izay nofaizinao.
15 Marina Ianao, Tompo o, ka mitondra izao tontolo izao araka ny fahamarinana; heverinao fa tsy mifanaraka amin'ny herinao ny manameloka izay tsy mendrika ho faizina.
16 Fa ny herinao no loharanom-pahamarinanao, ary satria Tompon'ny zava-drehetra Ianao dia mitondra azy rehetra amin-kamorampo.
17 Izay tsy mino ny fahefana feno anananao no anehoanao ny herinao; ary izay olona mahalala izany kosa dia ataonao mangaihay raha sahy mihantsy Anao.
18 Kanefa noho Ianao mifehy ny herinao, dia amim-pahatoniana no itsaranao ary amin-kamorampo fatratra no itondranao anay. Saingy, rehefa tianao, dia mampihatra fahefana Ianao.
19 Ny nanaovanao izany, Tompo o, no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho sakaizan'ny olona ny marina; ary nameno fanantenana ny zanakao Ianao satria omenao fahazoa-mibebaka izy, raha manota.
20 Tamin'ny faharetana sy fahononana fatratra no namaizanao ny fahavalon'ireo zanakao na dia mendrika ny ho faty aza izy, fa nomenao fotoana sy andro hialany amin'ny faharatsiana.
21 Fitsimbinana manao ahoana kosa no nitsaranao ny zanakao, satria ny razany efa nomenao fianianana sy fanekem-pihavanana nomban'ny fampanantenana zava-tsoa!
22 Koa ho fanabeazana anay, dia nanarinao tamim-pahononana ny fahavalonay mba hiheveranay ny fahatsaranao rehefa mitsara ny hafa izahay ary hanantenanay ny fitiavanao rehefa tsarainao izahay.
23 Izany, ry Tompo, no nampijalianao izay nitondra tena toy ny hafa firenena tamin'ny fahadalany; ary ny nampijalianao azy dia ireo biby maloto izay nivavahany ihany.
24 Satria efa niriorio loatra tamin'ny lalan'ny hadisoana izy, ka nanao ho andriamanitra ireo biby faran'izay ratsy sy faran'izay maharikoriko, fa nanaiky ho voafitaka toy ny zaza tsy manan-tsaina.
25 Koa tahaka ny atao amin'ny zaza adaladala, dia famaizana manahaka azy no nalefanao taminy.
26 Fa izay tsy niraika akory tamin'izany famaizana maivana izany, dia hiharan'ny sazy sahaza avy amin'Andriamanitra.
27 Sendaotran'ireo biby nampijaly azy izy ary nofaizin'izay nataony ho andriamanitra. Izay vao fantany sy nekeny fa ilay nolaviny tsy ho fantatra fahiny no tena Andriamanitra marina. Izany no nianjeran'ny fanamelohana faran'izay mafy taminy.