Fahendrena

Toko faha-4

1 Aleo tsy manan-janaka nefa manana hatsaram-panahy, fa tsy ho faty ny fahatsiarovana azy, satria sitrak'Andriamanitra sy ny olona izy.

2 Raha velona eo imaso izy, dia alain-tahaka; rehefa tsy eo intsony kosa izy, dia malahelo azy ny olona ; any amin'ny mandrakizay izy dia mirenty voasatroboninahitra, satria ny fifaninanana nandreseny no ahazoany valisoa tsy mety simba.

3 Fa ny taranaky ny tsy mpivavaka kosa, na dia maro aza, dia tsy vanon-koinona. Toa zana-kazo ratsy izy ka tsy ho latsaka lalina ny fakany ary tsy hiorina mafy ny fotony;

4 fa na maniry sampana fotoana fohy aza izy, dia tsy mafy orina ka ho voahozongozon'ny rivotra ary ho voaongotry ny tadio mifofofofo.

5 Mipika alohan'ny fotoana ny rantsany; manta tsy azo hanina ny voany ka ho very foana, tsy misy ilana azy.

6 Fa amin'ny andro fitsarana, ireo zaza nateraky ny firaisana voarara dia hijoro ho vavolombelona ny amin'ny faharatsian'ny raiamandreniny.

7 Fa ny olo-marina kosa, na dia maty alohan'ny fotoana aza, dia hahita fialan-tsasatra.

8 Natao ho hajaina ny fahanterana; kanefa tsy dia ny fahelavelonana ny hamaroan'ny taona iainana no mahatonga ny olona ho mendri-kaja.

9 Fa ny fahendrena no misolo ny volofotsy ho an'ny olona; ary fiainana tsisy pentina no taom-pahanterana.

10 Fahiny dia nisy lehilahy nahafaly an'Andriamanitra ka tiany. Ary raha niara-belona tamin'ny mpanota izy, dia nafindra an-toeran-kafa.

11 Nesorina anefa izy mba tsy ho simban'ny ratsy ny sainy ary tsy ho voafitaky ny hafetsena ny fanahiny.

12 Fa ny fanangolen'ny rendrarendra dia mahatakona ny soatoavina; ary ny fandrebireben'ny faniriana dia mampihozongozona ny saina mahitsy.

13 Ao anatin'ny fotoana fohy io lehilahy io no tonga amin'ny fahalavorariana ka nahatratra ny fahafenoan'ny elavelona.

14 Sitraky ny Tompo ny fomba fiainany ka izany no nanesorany azy haingana tamin'izao tontolom-paharatsiana izao. Hitan'ny olona izany nefa tsy fantany; ary tsy mba tonga tao an-tsainy izao tarehin-javatra izao :

15 ny fahasoavana sy ny famindrampo dia ho an'ny olom-boafidin'ny Tompo ary mirotsaka an-tsehatra Izy ho fiahiana ny vahoaka voatokana ho Azy.

16 Ny fahafatesan'ny olo-marina dia manameloka ny fahaveloman'ny tsy mpivavaka; ary ny tanora tonga faingana amin'ny fahalavorariana dia manameloka ny olon-tsy marina tratra antitra.

17 Hahita ny fiafaran'ny hendry ny tsy mpivavaka,nefa tsy hahafantatra akory ny fikasan'Andriamanitra ny aminy na ny nametrahany azy amin-toerana azo antoka.

18 Hahita izany ireo ka haneso; kanefa mba hihomehy azy kosa ny Tompo.

19 Ho tonga faty tsy misy hajany izy aorian'ny fahafatesany , ka ho afa-baraka mandrakizay any amin'ny toeran'ny maty. Fa hongotan'Andriamanitra hatrany amin'ny fototra iorenany izy ary havariny mitsingoloka sady tsy hanan-kalahatra akory; ka ho ringana hatramin'ny farany izy ary ho azom-pahoriana mafy, ka tsy hisy hahatsiaro azy intsony.

20 Amin-tahotra no hanatonan'ireo tsy mpivavaka rehefa hampamoahin'Andriamanitra azy ny amin'ny fahotana vitany; ka hitsangana hiampanga azy ny helony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0585