Fahendrena

Toko faha-18

1 Nandritra izany fotoana izany dia nisy hazavana lehibe namirapiratra tamin'ny olonao masina. Ren'ireo Ejiptianina fahavalony ny feony saingy tsy hitany kosa ny tavany; ary satria tsy mba nijaly tahaka azy izy, dia nambarany hoe sambatra.

2 Nisaorany koa izy satria na dia nasiana ratsy aza, dia tsy mba nitady hamaly faty; ary nangatahiny famelana izy noho ny nankahalany azy.

3 Ho solon'ny haizina dia andry afo kosa no nomenao hitarika ny olonao amin'ny lalana tsy fantatra. Io no masoandro tsy mahamay nanaraka azy tamin'izany diany malaza izany.

4 Ho an'ireo fahavalony kosa dia mendrika azy ny tsy hanan-kazavana sy ho voagejan'ny haizim-pito, satria ireo no nitana sy nangeja ny zanakao izay tokony handraisan'izao tontolo izao ny hazavana tsy mety maty avy amin'ny Lalananao.

5 Nanapa-kevitra handringana ny zanaky ny olonao masina ireo fahavalon'ny vahoakanao, saingy nisy zaza iray voavonjy na dia efa nariana ho rembin'ny fahafatesana aza. Ho famaizana azy dia zanany marobe no nalainao ka nasainao natelin'ny onjan-dranomasina misamboaravoara avokoa.

6 Efa nahalala mialoha kosa izay hitranga amin'izany alina izany ireo razanay mba hananany herim-po bebe kokoa ny fahafantarana izay fianianana ninoany.

7 Io alina io dia niandrasan'ny vahoakanao ny fanafahana ny olo-marina sy ny fandringanana ny fahavalony.

8 Koa ny famaizana izay namelezanao ny fahavalonay ihany no tonga voninahitray tamin'ny niantsoanao anay ho Anao.

9 Ny mpivavaka taranaky ny olonao masina dia nanao sorona mangingina ka niara-nifanaiky tamin'ny lalanan'Andriamanitra, lalana izay mitaky fa hiombonan'ny olona masina ny soa sy ny loza; ka nohirainy sahady ny hira fideran'ireo razana.

10 Ho setrin'ny feony kosa dia nanakoako ny tabataba misaritaka nataon'ireo fahavalo; ary re hatraiza hatraiza ny fidradradradran'ireo mitomany ny zanany.

11 Mitovy ihany ny famaizana namelezanany andevo sy ny tompo, ary sahala ny fijaliana nahazo ny mpanjaka sy ny vahoaka.

12 Karazam-pahafatesana iray ihany no nahavoa azy rehetra; koa tsy hita isa ny faty ary tsy araky ny velona intsony ny fandevenana azy, fa fongotra vetivety monja ny taranany lalainy indrindra.

13 Ireo Ejiptianina tsy nino noho ny fanaovana majika dia niaiky ny maha zanak'Andriamanitra ny vahoaka Israely, rehefa naringana ny lahimatoany.

14 Raha nisasaka ny alina, dia fanginana amam-piadanana no nanjaka hatraiza hatraiza.

15 Niala tampoka avy teo amin'ny seza fiandrianany tany an-danitra ilay Teninao mahery, ka toy ny mpiady tsy mifaditrovana no niantefany teo anivon'ny tany voaozona;

16 ary ny didinao tsy azo ovana no toa sabatra maranitra narangarangany. Ary nipaka tamin'ny lanitra ny lohany fa ny tongony kosa nitehina tamin'ny tany; koa nitsangana namafy fahafatesana hatraiza hatraiza izy.

17 Tamin'izay dia nanonofy ratsy mampitebiteby tokoa ny olona ka azon-korohoro tsy nampoizina.

18 Dia nitolefika etsy sy eroa toy ny efa ho faty izy ka nilaza ny anton'ny hahafatesany,

19 satria nanambara izany taminy ny nofy nampivadi-po azy, mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay anton'ny nijaliany mafy toy izany.

20 Tongan'ny fahafatesana ihany koa ny olo-marina, fa maro taminy no ringana tany an-taniefitra; kanefa tsy naharitra ela akory ny fahatezeranao, Tompo o.

21 Fa nisy lehilahy tsy manan-tsiny nijoro faingana niaro azy ireo ka nandray ny fiadiana maha mpisorona azy, dia ny vavaka sy ny fanolorana vovo-javamanitra fanoneran-keloka. Sahy niatrika ny fahatezeranao izy ka nampitsahatra ny loza ary dia niseho ho mpanomponao.

22 Nandresy ny fahatezeranao izy, saingy tsy tamin'ny fahatanjaham-batana na tamin'ny herin'ny fiadiana; fa ny teny no nentiny nandresy ilay mpampihatra ny famaizanao, ka nahatsiarovany ny fianianana sy ny fanekem-pihavanana nataonao tamin'ireo razanay.

23 Efa nifanongoa ny faty fony i Aharona nanelanelana nisakana izany fandringanana izany ka nanampin-dalana azy tsy hankany amin'ny sisa velona.

24 Fa teo amin'ny akanjo lavany nisy ny efoda no nasehoan-tsary izao tontolo izao; voasokitra tamin'ny vatosoa efatra andalana ny anarana be voninahitr'ireo razamben'ny Israelita; ary ny famantarana ny fiandriananao no teo amin'ny satroboninahiny.

25 Nihemotra ny mpandringana raha nahita izany ka raiki-tahotra mihitsy. Fa na dia ny fahatsapana kely ny fahatezeranao ihany aza manko dia ampy tsara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574