2 Makabeo

Toko 1 "Izahay Jiosy eto Jerosalema sy manerana an'i Jodea dia manoratra aminareo mpiray firenena Jiosy aty Ejipta ; miarahaba anareo ary mirary anareo hiadam-pinaritra.
Toko 2 "Ny raki-tsoratra tranainy no ahitana fa ny mpaminany Jeremia dia nandidy an'ireo hatao sesitany mba haka ny afo masina hafenina araka ny voatantara teo.
Toko 3 Faha Onia mpisorombe, dia nitoetra tao anaty fandriampahalemana tanteraka ny mponin'i Jerosalema tanana masina; fatra-pitandrina ny lalanan'Andriamanitra izy ireo, noho ny fitiavam-bavak'i Onia sy ny fankahalany ny ratsy.
Toko 4 Io Simona voalaza tetsy aloha io, ilay mpitati-bolana ny amin'ny tahirin-drakitry ny tempoly sady mpamadika ny tanindrazany, io ihany koa no nanendrikendrika an'i Onia ho namelively an'i Heliodora sy fototry ny loza nihatra taminy.
Toko 5 Tamin'izany fotoana izany eo ho eo koa no niomankomanan'i Antiokosa hanafika an'i Ejipta fanindroany.
Toko 6 Andro vitsivitsy taorian'izany, dia nirahin'i Antiokosa mpanjaka ilay Atenianina atao hoe Geronta mba hanery ny Jiosy handao ny fivavahan-drazany sy hitsahatra tsy hanaraka ny lalanan'Andriamanitra intsony.
Toko 7 Nisy koa olona fito mirahalahy nosamborina miaraka amin-dreniny. Notadiavin'ny mpanjaka ho terena hihinan-kena kisoa voararan'ny lalana izy valo mianaka, hany ka nokapohina tamin'ny karavasy aman-kozatr'omby.
Toko 8 Tamin'izay i Joda Makabeo sy ireo namany no niditra an-tsokosoko isan-tanana, ka niantso ny mpiray firenena hankeo aminy; izay nifikitra tamin'ny fivavahana jiosy dia notaominy homba azy, ka antokon-tafika sahabo ho enina no tafavory.
Toko 9 Tamin'izay fotoana izay eo ho eo no tafaverina tamin-kenatra avy any Persia i Antiokosa.
Toko 10 Noho ny fanampian'ny TOMPO nitantana azy, dia azon'i Joda Makabeo sy ireo namany indray ny tempoly sy ny tanana Jerosalema.
Toko 11 I Lisia praiministra, izay "havan'ny mpanjaka" sady niahy ny fanabeazana azy, dia nahatsiaro nangirifiry tamin'ilay zava-nidona teo. Koa, andro vitsy taorian'izany,
Toko 12 Rehefa vita ny fifanekena teo amin'i Lisia sy ny Jiosy, dia niverina nankany amin'ny mpanjaka i Lisia ary ny Jiosy kosa niroso namboly ny sahany.
Toko 13 Tamin'ny taona faha-149 dia henon'i Joda Makabeo sy ny namany fa tamy hamely an'i Jodea i Antiokosa Eopatora omba-miaramila maro.
Toko 14 Telo taona taorian'izany no nandrenesan'i Joda Makabeo sy ny namany fa tafiditra ao amin'ny seranan'i Tripoly i Demetry zanakalahin'i Seleokosa ka nitondra tafika matanjaka sy andian-tsambo.
Toko 15 Fantatr'i Nikanora tamin'izay fa naka toerana teo akaikin'i Samaria i Joda Makabeo sy ny namany, ka tapa-kevitra izy ny hamely azy andro sabata amin'ny fomba azo antoka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0398