2 Makabeo

Toko faha-13

1 Tamin'ny taona faha-149 dia henon'i Joda Makabeo sy ny namany fa tamy hamely an'i Jodea i Antiokosa Eopatora omba-miaramila maro.

2 Niaraka tamin'ny mpanjaka koa i Lisia , mpanabe azy sady praiminisitra. Tafika grika no samy notarihin'izy roa lahy, dia tafika izay nahitana miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 110 sy miaramila an-tsoavaly nisy antokon-tafika dimy sy andiany telo, elefanta 22 ary kalesy telonjato mirongo antsy lava tsirairay avy.

3 Nikambana tamin'izy ireo i Menela sady nihatsaravelatsihy ery manangoly an'i Antiokosa; kanefa tsy mba ho famonjena ny tanindrazany izany fa noho ny fanantenany haverina indray amin'ny andraikitra maha mpisorombe azy.

4 Kanjo ny TOMPO, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka, dia nampirehi-katezerana an'i Antiokosa tamin'ilay tsy mifaditrovana io. Nasehon'i Lisia tamin'ny mpanjaka manko fa io Menela io no fototr'izao loza rehetra izao; ka nasain'i Antiokosa nentina any Berea izy, dia hovonoina ho faty any araka ny fanao amin'izany toerana izany.

5 Tao amin'io tanana io dia nisy tilikambo anankiray feno lavenona; 25 metatra ny haavony ka teny an-tampony no voaisy milina mihodina ary mampirona hatraiza hatraiza hankao an-davenona.

6 Ao no famarinana ny olo-meloka nandroba tempoly na diso tamina heloka bevava hafa koa.

7 Toy izany no nahafatesan'i Menela, ilay mpanohitra ny lalanan'Andriamanitra; ary rariny loatra ny tsy nahazoany fandevenana.

8 Nanota imbetsaka tamin'ny alitaran'ny TOMPO manko izy: madio ny afo aman-davenon'izany alitara izany ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana.

9 Niroso hatrany ny dian'i Antiokosa mpanjaka; feno hevitra barbarianina ny sainy ka nivonon-kamely mafy ny Jiosy izy mihoatra noho ny nataon-drainy.

10 Vao nahalala izany i Joda Makabeo, dia nandidy ny vahoaka hiantso ny TOMPO andro aman'alina mba hovonjeny amin'izao indray mandeha izao koa; tsara hoesorina amin'ny Jiosy manko ny lalanany sy ny tenin-drazany ary ny tempoly masina.

11 Izany vahoaka izay vao teo no nahita hiainana izany no nasain'i Joda nivavaka mba tsy havelan'ny TOMPO ho latsaka eo am-pelatanan'ny firenena mpaniratsira.

12 Niara-nivavaka toy izany izy rehetra sy nitaraina tamin'ny TOMPO mpamindrafo ka nanao an-dranomaso sy nifady hanina sady nandohalika lalandava nandritra ny telo andro; avy eo dia nanao teny fampaherezana azy i Joda ary nandidy azy hiomana hiatrika ady.

13 Rehefa niresaka manokana tamin'ny loholona i Joda, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka hitondra ny tafiny hiditra ao Jodea sy haka ny tanana Jerosalema, fa ny hiainga kosa miaraka amin'izay sy hisahan-draharaha omban'ny fanampian'ny TOMPO.

14 Koa nankininy tamin'ilay Mpahary an'izao tontolo izao ny ho fiafaran'ny ady; fa nampirisihany ny namany hiady amin-kerimpo hatramin'ny fahafatesana ho an'ny lalanany sy ny tempoliny, ho an'i Jerosalema sy ho an'ny tanindrazany ary ho an'ny fitondram-pireneny. Ary nasain'i Joda nitoby eo amin'ny manodidina an'i Modina ny tafiny.

15 Nomeny ny teny haikan'ady hoe "Andriamanitra no fandresena" ireo miaramilany, vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin'ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin'ny alina ny faritra nisy ny lain'ny mpanjaka, ary nahafaty antokon-tafika roa tao an-tobim-pahavalo; fanampin'ireo koa dia voatrobaka ho faty ilay lehibe indrindra tamin'ny elefanta mbamin'ny mpitondra azy.

16 Hany ka nivadi-po sy nifanaritaka aoka izany ny tao an-tobim-pahavalo vao nialan'ny Jiosy tamim-pahombiazana tanteraka

17 fony efa nazava ratsy ny andro. Vita tomombana ny fanafihana natao, satria nomba fiarovana an-dry i Joda ny TOMPO.

18 Rehefa tsapan'i Antiokosa mpanjaka izany herimpon'ny Jiosy izany, dia izay hahazoana an-kafetsena ireo tanana nisy azy no nandramany.

19 Niroso izy hamely an'i Bety-Tsoro izay tanana mimanda mafy an'ny Jiosy, saingy voatosika izy ka tsy nahomby fa resy.

20 Ireo voafahirano tamin'izay manko dia nandefasan'i Joda ny zavatra nilainy.

21 Kanefa i Rodoka, izay anisan'ny miaramila jiosy, dia nilaza tsiambaratelon-tafika tamin'ny fahavalo; nokarohina izy, ka voasambotra ary novonoina ho faty.

22 Nifandrindra fanindroany tamin'ireo mponin'i Bety-Tsoro ny mpanjaka, ary nanaiky hanao fifampihavanana taminy, ka nampihataka ny tafiny,

23 avy teo izy dia namely an'i Joda sy ny namany, kanjo resy. I Filipo no navelan'ny mpanjaka tao Antiokia sady notendreny ho praiminisitra. Kanefa nandre ity mpanjaka fa nikomy io Filipo io, ka nivarahontsana izy. Dia nifampiraharaha tamin'ny Jiosy i Antiokosa, nanaiky hilefitra, nianiana hitandro ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, ary nanao fihavanana taminy. Ho marik'izany no nanoloran'i Antiokosa sorona, sy nanehoany fanajana ny tempoly tamin'ny fahalalahan-tanany ho an'io toerana io,

24 ary koa nandraisany tsara an'i Joda Makabeo. I Hezemonida no napetraky ny mpanjakaho governoran'ny faritra izay manomboka eo Ptolemaida ka miafara any Gera.

25 Kanjo nony tonga tao Ptolemaida ny mpanjaka, dia nasehon'ny mponin'io tanana io ny hasosorany amin'ny fifanekena, satria nahatezitra azy tokoa izany ka tiany ho lavina ny zavatra tinapaka.

26 Koa niakatra teo amin'ny lampivato i Lisia ary niaro ny fifanekena araka izay azony natao; dia nandresy lahatra ny mpihaino izy, sy nampilamina azy ary nahatarika azy hilefaka, izay vao niainga ho any Antiokia. Toy izany no zava-nitranga tamin'ny fanafihana sy fihatahan'i Antiokosa mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0593