2 Makabeo

Toko faha-8

1 Tamin'izay i Joda Makabeo sy ireo namany no niditra an-tsokosoko isan-tanana, ka niantso ny mpiray firenena hankeo aminy; izay nifikitra tamin'ny fivavahana jiosy dia notaominy homba azy, ka antokon-tafika sahabo ho enina no tafavory.

2 Nitalaho tamin'ny TOMPO izy ireo mba hitsinjo ity vahoakany izay hosihosen'ny olona rehetra, mba hangoraka ity tempoly izay zimbazimbain'ny mpanompo sampy,

3 ary mba hiantra izato tanana ravana sy mila ho voafongotra. Nitalahoany koa ny TOMPO mba hihaino ny ran'ireo voavono ho faty izay mitaky famaliana ,

4 mba hahatsiaro ny namonoana ho faty tsy an-drariny an'ireo zaza tsy manan-tsiny, ary mba hamely ny mpaniratsira ny anarany. Izany no hanehoan'Andriamanitra fa tsy tia ratsy Izy.

5 Rehefa nitarika miaramila betsaka i Joda Makabeo, dia tsy azon'ny hafa firenena noresena intsony, satria efa niova ho famindrampo ny hatezeran'ny TOMPO.

6 Nosovohiny tampoka na tanan-dehibe na tanana kely, dia nodorany; ary nametrahany miaramila ireo toerana tokony ho bahanana, ka fahavalo betsaka no nataony vaky nandositra.

7 Ny alina indrindra no tena nohararaotiny sy nofidiny hamelezana; ka niely hatraiza hatraiza ny herimpony.

8 Hitan'i Filipo, mpandraharahan'ny mpanjaka, fa mahazo vahana miandalana i Joda Makabeo ary mihamatetika ny fahombiazany; ka nanoratan'i Filipo i Ptolemeo, governoran'i Koila-Siria mbamin'i Fenisia, mba ho avy hanampy azy amin'ny fitandroana ny tombontsoam-panjakana.

9 Tsy niandriandry i Ptolemeo fa naniraka an'i Nikanora zanakalahin'i Patrokla izay anisan'ny lohandohany amin'ireo "sakaizan'ny mpanjaka ?". Tafika nisy antokony roapolo farafahakeliny sady avy amin'ny firenen-tsamihafa no nasaina nentin'i Nikanora mba handringanany ny firenena jiosy manontolo; nomen'i Ptolemeo ho mpanampy azy koa i Gorjia jeneraly za-draharaha tokoa amin'ny zavatra momba ny ady.

10 I Antiokosa dia nananan'ny Romanina trosa mitentina volafotsy 54 taonina. I Nikanora no nanome toky ny mpanjaka fa hanefa izany amin'ny fivarotana ireo Jiosy voababo,

11 Dodona ery izy nandefa fiantsoana amin'ireo tanana amoron-dranomasina mba ho tonga hividy andevo jiosy sady nampanantena fa halefany volafotsy 27 kilao ny sivifolo aminy. Tsy voavinaniny akory izay famaliana efa hataon'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao hiantonta aminy.

12 Vao tafapaka tamin'i Joda Makabeo fa niainga tokoa i Nikanora, dia nampandrenesiny an'ireo namany fa efa akaiky ny fahavalo.

13 Ka ny sasany, raiki-tahotra sy tsy natoky ny fanafahan'Andriamanitra, dia nitsoaka nandositra any an-toeran-kafa,

14 ny hafa kosa nivarotra izay sisa rehetra mba fananany ary nivavaka tamin'ny Tompo mba hanafaka ny Jiosy tsy ho azon'i Nikanora mpankahala fivavahana sady efa nivarotra azy alohan'ny haharaiketan'ny ady.

15 Na dia tsy noho ny amin'ireo Jiosy ankehitriny aza no hanafahan'Andriamanitra azy, dia noho ny fanekem-pihavanana nataony tamin'ny razany ahay ary noho Izy Andriamanitra masina sy lehibe efa voaantso hiaro azy.

16 Novorin'i Joda Makabeo ny miaramila sisa tafajanona homba azy, ka nisy antokon-tafika enina; dia nampirisihiny kosa ireo mba tsy hatahotra na hihorohoro amin'izay hamaroan'ny hafa firenena tamy hamely azy tsy an-drariny, fa hiady amin-kerimpo.

17 Hany hatrehi-maso an'eritreritra, dia ny fandoroana mamoafady nafitsoka ny Toeramasina, ny fanimbazimbana ny tanana Jerosalema izay noravana, ary ny fanafoanana ny fomba amam-panao jiosy nentim-paharazana.

18 Dia hoy koa i Joda: "Ireo fahavalo ireo dia mitoky amin'ny fitaovam-piadiany sy amin'ny hasahiany mikatroka; isika kosa mametra-pitokiana amin'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao , dia Ilay mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao mihitsy aza amin'ny baiko iray monja."

19 Dia mbola novisavisain'i Joda teo anatrehan'ny miaramilany ihany koa ireo sehon-javatra niarovan'Andriamanitra ny razany faha taloha: tamin'ny andron'i Saneheriba, fony naringan'ny TOMPO ireo miaramila nisy antokon-tafika 180 ;

20 na koa tamin'ny ady nanoherana ny Galatianina, tao Babilonia , antokon-tafika valo monja no nikatroka nampian'ny Masedonianina antokon-tafika efatra; voasokera mafy dia mafy ireto Masedonianina, kanefa iretsy antokon-tafika valo noho ny vonjy azony tamin'Andriamanitra dia nandripaka fahavalo antokon-tafika 120 sady namabo zavatra betsaka.

21 Nampisy toky an'ireo miaramilany izany tenin'i Joda izany ary nahavonombonona azy ho faty ho an'ny lalanan'Andriamanitra sy ho an'ny tanindrazana. Dia nozarainy ho ampahany efatra ny tafiny;

22 ka ankoatra ny tenany, samy napetrany hitarika ampahany anankiray avy i Simona sy i Josefa ary i Jonatana rahalahiny, dia ampahany nisy miaramila 1500 isa.

23 Fanampin'izany, nandidy an'i Elehazara i Joda hanao famakiana ny boky masina ; avy eo, dia nomeny ho teny haikan'ady ny hoe "Andriamanitra no vonjy" ary notarihiny ny ampahany voalohany hamely an'i Nikanora.

24 Nomban'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao ny Jiosy ka namono nahafaty ny fahavalo mihoatra ny antokon-tafika sivy; noratrainy sy noboriny kosa ny ankabeazan'ny miaramilan'i Nikanora ary nataony vaky nandositra ny sisa.

25 Nalain'ny Jiosy ny volan'ireo tonga mba hividy azy ho andevo. Ireo mpandositra kosa nenjehiny lavitra ihany; kanefa voatery niverina ireo mpanenjika satria voasakan'ny fotoana tratra aoriana.

26 Efa hisantatra ny sabata manko tamin'izay, ka tsy afa-nanohy ny fanenjehana azy intsony ireo.

27 Nangoniny ny fiadian'ny fahavalo, ary nobaboiny ny zavatra teny an-kodiny; dia nankalazainy ny sabata, ary noderainy sy nisaorany fatratra ny TOMPO Izay nampisy izany andro nanehoany indray ny famindrampony izany.

28 Rehefa lasa ny sabata, dia nizarany tamin'ny babo ireo Jiosy niharan'ny fanenjehana sy kamboty ary mpitondra tena, vao nozarainy tamin'izy samy izy mbamin'ny zanany ny sisa.

29 Vita izany, dia niara-nivavaka ireo Jiosy nitalaho tamin'ny TOMPO mba hihavana tanteraka amin'ny mpanompony indray.

30 Tamin'izay i Joda sy ny mpomba azy dia niady tamin'ny miaramila fehezin'i Timoty sy i Bakida; ka nahafatesany mihoatra ny antokon-tafika roapolo ireto fahavalo, ary azony tamim-kerimpo ireo trano mimanda avo. Nozarainy roa mitovy ny babo betsaka voaangony: ny toko iray ho azy mpiantafika, ary ny toko iray ho an'ireo niharan-panenjehana ara-pivavahana sy ho an'ireo kamboty ama-mpitondratena ary koa ny antitra.

31 Nataony tsara angona ny fiadian'ireo fahavalo ka natobiny tamin'ny toerana ilana azy; ary nentiny ho any Jerosalema ny zavatra hafa azo teny an-kodiny.

32 Novonoiny ho faty ilay mpifehy tafika nikambana tamin'i Timoty; lehilahy tsy mifaditrovana loatra izy io ka nahavita ratsy be tamin'ny Jiosy.

33 Fony nankalazaina tao Jerosalema renivohitra iny ny fandresena, dia nodorana velona ireo nandoro ny varavaran'ny tempoly ; natao toy izany koa i Kalistena izay toa nandositra tao aminatrano bitika anankiray, ka nahazo sazy tandrifin'ny fanimbazimbany zavatra masina.

34 I Nikanora, ilay jiolahy tsy misy toa azy, dia nampiavy mpandranto arivo mba hividy ny Jiosy aminy,

35 nefa, noho ny vonjy avy amin'ny TOMPO, dia nandresy azy kosa ireo noheveriny ho kanosa tokoa. Ka nendahan'i Nikanora ny fanamiam-boninahitra teny aminy; dia nandositra namakivaky saha izy, tahaka ny andevo nitsoaka. Honjohonjon'izy irery no niditra tao Antiokia, ka nambinina manokana izy na dia voa mafy aza ny tafiny.

36 Nampanantena hanefa ny sisan-trosa haloa amin'ny Romanina izy, kanjo ankehitriny dia nanambara fa tsy azo resena ny Jiosy; manana an'Andriamanitra ho mpiaro ireo, satria mankato ny lalana nandidiany azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559