2 Makabeo

Toko faha-4

1 Io Simona voalaza tetsy aloha io, ilay mpitati-bolana ny amin'ny tahirin-drakitry ny tempoly sady mpamadika ny tanindrazany, io ihany koa no nanendrikendrika an'i Onia ho namelively an'i Heliodora sy fototry ny loza nihatra taminy.

2 Sahin'i Simona nolazaina ho mpikomy amin'ny fitondrana aza i Onia, ilay mpanao soa ny tanana sy mpiaro ny mpiray firenena aminy ary mpitandro mafana fo ny lalana.

3 Lasa lavitra loatra izany fankahalana izany ka vonoan'olona mihitsy no vitan'ny anankiray amin'ireo mpomba an'i Simona.

4 Tsapan'i Onia ny loza aterak'izany fifampiandaniana izany; ary hitany fa i Apolony, zanakalahin'i Menestea sady governoran'i Koila-Siria mbamin'i Fenisia, dia mampirisika ny haratsian'i Simona.

5 Dia lasa nankany amin'ny mpanjaka i Onia, tsy hoe mba hiampanga ny mpiray firenena aminy fa mba hiaro ny tombontsoa iombonana sy manokana ho an'ny vahoakany rehetra.

6 Takatr'ity mpisorombe manko fa tsy misy azo andaminana izay toe-javatra izany na ampitsaharana ny zava-doza natombok'i Simona, afa-tsy ny fanelanelanan'ny mpanjaka ihany.

7 Rehefa maty i Sekeokosa, dia nodimbiasan'i Antiokosa ilay natao koa hoe Epifana. Tamin'izay i Jasona rahalahin'i Onia no nitetika hisalotra ny andraikitra maha mpisorombe.

8 Niresaka tamin'ity mpanjaka i Jasona ka nampanantena azy volafotsy folo taonina avy amin'ny hetra ary koa volafotsy roa taonina avy amin'ny vola hafa miditra.

9 Nirotsaka koa izy hanao fanekena an-tsoratra fa handoa volafotsy efatra taonina indray, raha omen'i Antiokosa lalana hanorina kianja fanaovam-panatanjahan-tena sady hasiana sekolin-jazalahy ary hanao lisitra ireo mponin'i Jerosalema mendrika ho olom-pirenena'i Antiokosa.

10 Ary neken'ny mpanjaka izany. Vao nahazo fahefana i Jasona, dia nitaona ny mpiray firenena aminy mba handray ny fomba fiaina grika.

11 Nesoriny ny fanafoanan-ketra nomen'ireo mpanjaka malala-tanana teo aloha ho an'ny Jiosy noho ny fanelanelanana nataon'i Johany, rain'i Eopolema. Ity Eopolema ity no nalefa ho masoivoho hanao fanekem-pihavanana sy fanekem-piarahamiasa amin'ny Romanina. Noravan'i Jasona koa ny sata mifanaraka amin'ny lalanan'Andriamanitra; fa fomba mifanohitra amin'izany no naoriny.

12 Fahafinaretana ho azy ny nanorina foibe fanaovam-panatanjahan-tena, teo am-pototr'ilay havoana niorenan'ny tempoly, sy ny nampirisika ireo zatovolahy havanana indrindra hanao fanazaran-tena tahaka ny Grika.

13 Nandroso fatratra ny fanaraha na fomba grika, ary niditra haingana ny fomban'ny firenen-kafa. Izany no vokatry ny haratsiana mihoa-pampana nananan'i Jasona izay mpankahala fivavahana fa tsy mpisorombe akory,

14 hany ka ny mpisorona dia tsy nazoto intsony nanatontosa ny fanompoana teo amin'ny alitara: ny tempoly notsiratsirain'ireo, ny sorona nataony tsirambina; fa raha vao naneno ilay feon-javatra fiantsoana, dia maika ery ny mpisorona nankany amin'ilay kianja mba handray anjara amin'ny fanaovam-panazarana ara-panatanjahan-tena, izay voararan'ny lalanan'Andriamanitra.

15 Tsy noraharahain'ny mpisorona akory ny fanao mendri-kaja nentim-paharazana; fa ny zavatra nomem-boninahitra teo amin'ny Grika no nataony ho tena zava-dehibe.

16 Izany no nahatonga azy hianjadian'ny toe-java-manahirana; fa ireo indrindra izay notsiriritiny fomba fiaina sy notadiaviny hotahafina amin'ny lafiny rehetra aza no nahita ny fahavaloama-mpampahory.

17 Tsy afa-maina izay mandika ny didin'Andriamanitra; ny zava-kitranga manaraka no hanaporofo izany.

18 Tamin'ny ny nanatontosana ilay lalao fanao isaky ny dimy taona tany Tiro, lalao izay natrehin'ny mpanjaka,

19 dia nandefa mpizaha ho solotenan'i Jerosalema ilay Jasona tsy valahara. Olom-pirenen'i Antiokia ireo solotena ireo ka nampitondrainy drakma volafotsy telonjato hanaovan-tsorona amin'i Herakleo; kanefa ireto mpitondra vola ireto mihitsy no nihevitra ny tsy tokony hanaovana izany sorona izany ilay vola fa hatokana ho an'ny fandaniana hafa.

20 Nokendren'i Jasona mpandefa azy mba hanaovan-tsorona ho an'i Herakleo ireo drakma telonjato ireo, kanefa nolanina tamin'ny fanamboaran-tsambo misy ambaratonga telo fivoizana azy, satria izany no fanirian'ireo mpitondra ny vola.

21 Nirahin'i Antiokosa Epifana ho any Ejipta i Apolony, zanakalahin'i Menestea, hanatrika ny lanonam-panambadian'i Ptolemeo Filometora mpanjaka; tamin'izay nonandrenesan'i Antiokosa fa toherin'io mpanjakan'i Ejipta io ny fomba fitondrany sady nieritreretany ny hiaro ny taniny. Koa nankany Jopa izy, dia tany Jerosalema indray nony avy eo.

22 Fa tratra ny nandraisan'i Jasona sy ny tao an-tanana azy, fa notsilovin'ny fanilo sy nombam-pihobiana no nidirany tao Jerosalema; dia niverina ho any Fenisia niaraka tamin'ny tafiny i Antiokosa.

23 Nony afaka telo taona, dia nirahin'i Jasona ho any amin'ny mpanjaka i Menela rahalahin'ilay Simona voatantara etsy aloha; hanatitra vola no anton-diany ary koahamita fampiraharahana momba ny toe-javatra maika.

24 Kanjo rehefa naroso teo amin'ny mpanjaka i Menela, dia nanome voninahitra azy tamin'ny nanaovany fihetsik'olona ambony; ary nanao izay hanomezana ny tenany ny andraikitra mahampisorombe i Menela, ka nanolotra volafotsy mihoatra ny valo arivo kilao noho ny an'i Jasona.

25 Nony voarainy tamin'ny mpanjaka ny taratasim-panendrena azy ho mpisorombe, dia niverina ho any Jerosalema izy. Tsy nisy nananan'i Menela ny hatsaram-panahy takin'ny maha mpisorombe ; fa fisafoaky ny mpanapaka masiaka sy haromotan'ny bibidia no toetrany.

26 Noho izany i Jasona, izay nandimby am-pitaka ny rahalahiny, dia mba nisy olon-kafa nandimby azy am-pitaka koa, hany ka voatery nandositra tany amin'ny faritr'i Hamana izy.

27 Ny amin'i Menela kosa dia nahazo ny fahefana izy nefa tsy nandoa ny vola nampanantenainy ny mpanjaka,

28 na dia efa nitaky taminy aza i Sostraty komandin'ny toera-mafin'i Jerosalema sady tompon'adidy amin'ny fandraisan-ketra. Ka dia samy voaantso ho any amin'ny mpanjaka izy roalahy.

29 I Menela moa nametraka an'i Lisimaka rahalahiny ho mpisorombe misolo azy tamin'izay; i Sostraty kosa nametraka an'i Krateta, lehiben'ny miaramila Siprioty ho solony.

30 Nandritra ireo zava-niseho ireo, dia niodina kosa ny mponina tao Tarsa sy Malota, satria natolotry ny mpanjaka ireo tanana ireo ho fanomezana ho an'i Antiokida vaditsindranony.

31 Ka niainga faingana ny mpanjaka handamina izany raharaha izany; fa i Andronika, iray amin'ireo mpifehy ambony, no napetrany hisolo azy.

32 Noheverin'i Menela fa tsara ho hararaotina ny toe-javatra ka nalainy ny fitaovana volamena vitsivitsy tao an-tempoly, dia nomeny an'i Andronika; ary ny sasany hafa koa azony namidy tany Tiro sy tamin'ireo tanana manodidina.

33 Nony fantatr'i Onia mazava izany ratsy nataon'i Menela izany, dia nihataka tao amin'ny toeram-pialofana tany Dafne akaikin'i Antiokia izy, ka avy ao no nandefasany teny fanakianana an'i Menela.

34 Tamin'izay kosa dia nanao resaka mangingina tamin'i Andronika i Menelaka nanery azy hamono an'i Onia. Dia nankany amin'i Onia i Andronika, ary nanao hafetsena handresen-dahatra azy sady nandray tanana azy ombam-pianianana. Ka voatarik'i Andronika hivoaka ny toeram-pialofany izy, na dia mbola nisy nampanahy azy ihany aza; saingy vantany vao tafavoaka i Onia, dia novonoin'i Andronika tsy niraharahany akory izay rariny.

35 Noho izany, dia tsy ny Jiosy ihany fa betsaka koa tamin'ireo hafa firenena no taitra sy tezitra tamin'ny famonoa na tsy an-drariny an'izany lehilahy izany.

36 Nony tafaverina avy any Silisia ny mpanjaka, na ny Jiosy tao Antiokia na ireo Grika mpankahala fanaovana an-keriny dia samy tonga nitaraina tao aminy noho ny namonoana tsy an-drariny an'i Onia.

37 Tafalatsaka lalina tao am-pon'i Antiokosa ny alahelo an'i Onia; onena azy fatratra izy, ka nirotsa-dranomaso nahatsiahy ny fahononan-tena sy fahaiza-mandanjalanja fatratra nananan'ity maty.

38 Dia nirehi-pahatezerana i Antiokosa, ka nampanesoriny niaraka tamin'izay ny fanamiana jaky teny amin'i Andronika sady nampanendahany ny fitafiany, dia nampitaritarihiny eran'ny tanana izy hatrany amin'ilay toerana namonoany am-pitaka an'i Onia; ka teo koa no nampamonoany an'ilay tsy mifaditrovana. Toy izany no nanoloran'ny TOMPO an'i Andronika ny sazy tandrify azy.

39 Nisy hala-javatra masina betsaka nataon'i Lisimaka niray tetika tamin'i Menela tao an-tempolin'i Jerosalema; ka fitaovana volamena maro no efa niparitaka. Nihahaka eran'ny tanana izany vaovao izany, ka niodina tamin'i Lisima ka ny besinimaro.

40 Rehefa hitan'i Lisimaka ity vahoaka nikomy sady feno fahatezerana, dia lehilahy sahabo ho antokon-tafika telo no nampirongoany fiadiana ka namely tsy an-drariny an'ireto mpikomy. Ny antokon-tafika kosa dia notarihin'olona anankiray atao hoe Aorana, lehilahy sady be taona no heni-pahadalana.

41 Vao nahafantatra ny famelezan'i Lisimaka anefa ny olona, dia ny sasany naka vato, ny sasany naka kibay; nisy aza nandraoka lavenon-tsorona sendra hitany teo, ka tanaty fifanjevoana no namafazany azy tamin'ny antokon-tafik'i Lisimaka.

42 Betsaka no naratran'ny vahoaka tamin'ireo mpomba an'i Lisimaka, maro no matiny, ary ny sisa rehetra nataony vaky nandositra; i Lisimaka, ilay mpanimbazimba zava-masina kosa, novonoiny teo akaikin'ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tempoly.

43 Ny amin'izany zavatra izany, dia natomboka ny famotorana mba hamelezana an'i Menela.

44 Nony tonga tao Tiro ny mpanjaka, dia olona telo lahy nirahin'ny Antenimieran-doholon'i Jerosalema no nametraka ny fitoriana.

45 Hitan'i Menela fa ho resy izy, ka nampanantenainy vola be i Ptolemeo zanakalahin'i Dorimena mba handresy lahatra ny mpanjaka hiandany aminy.

46 Dia notarihin'i Ptolemeo ny mpanjaka hankeo ambany lavarangana manodidina mba mody hoe haka hatsiatsiaka, kanjo voaovany ny fikasany.

47 Nolazain'ny mpanjaka fa tsy diso araka ny fitoriana azy i Menela; kanefa izy io mihitsy no fototr'ireo heloka isan-karazany ireo. Nohelohin'i Antiokosa ho faty kosa iretsy iraka mampahonena; kanefa na dia teo anatrehan'ny Sitianina aza no nitondran'izy telo lahy ny fitoriany, dia ho nampodiny tsy manan-tsiny.

48 Ka avy hatrany dia niharan'izany fanamelohana tsy an-drariny izany ireto olona nitolo-tena niaro ny tananan'i Jerosalema sy ny vahoaka jiosy ary ny zava-masina.

49 Hatramin'ny Tirianina avy no tezitra tamin'izany ka nanao fandevenana manetriketrika ho an'ireto novonoina ho faty.

50 I Menela kosa, noho ny fitiavam-bolan'ny manampahefana, dia tafajanona tamin'ny andraikiny ihany, sady nitombo hasomparana aman-kalozana tamin'ny mpiray firenena aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575