2 Makabeo
Toko faha-2
1 "Ny raki-tsoratra tranainy no ahitana fa ny mpaminany Jeremia dia nandidy an'ireo hatao sesitany mba haka ny afo masina hafenina araka ny voatantara teo.2 Ankoatra izany, tamin'ny nanolorany azy ny bokin'ny lalana, dia nampirisika azy ity mpaminany mba tsy hanadino ny didin'ny TOMPO ary tsy ho voarebireby saina eo am-pahitana ny sampy volamena sy vola fotsy mbamin'ny zavatra nandravahana ireny.
3 Ary nilaza torohevitra hafa toy izany koa i Jeremia ka nampirisika ny voasesitany hiraiki-po amin'ny lalana.
4 Ny raki-tsoratra tranainy anankiray koa no ahitana fa, araka ny baiko azony tamin'Andriamanitra, dia nampanalain'i Jeremia mpaminany ny Tranolay fihaonana sy ny Vatamasina ka nentiny niaraka taminy; dia lasa izy nankany amin'ilay tendrombohitra nanihin'i Mosesy sy nitazanany ny tany nampanantenain'Andriamanitra."
5 Nony mby teo i Jeremia, dia nahita toerana mitarehin-johy; ka napetrany tao ny tranolay fihaonana sy ny vatamasina ary ny alitara fandoroana vovo-javamanitra, dia notampenany ny vavan-johy.
6 Ny ampahan'ireo mpiara-dia tamin'ny mpaminany kosa nikasa hiverina tamin'io toerana io mba hanisy marika famantarana ny lalana, kanefa tsy afa-nahita izany.
7 Nony fantatr'i Jeremia ilay tetika, dia nomeny tsiny ireo sady nitenanany hoe: "Tsy maintsy miafina hatrany hatrany izany toerana izany, mandra-pahatongan'ny hamorian'Andriamanitra ny vahoakany sy hamindrany fo aminy.
8 Hasehon'ny TOMPO indray amin'izay ireo zava-masina ireo; sady ho hita koa ny voninahitry ny Tompo omban'ny rahona , toy ny nisehoany tamin'ny andron'i Mosesy ary fony i Salomona nivavaka mba hahavoatokana amim-pahamendrehana ny tempoly."
9 "Voatantara ao koa fa io mpanjaka feno fahendrena io dia nanolotra ny sorona mariky ny fahavitana sy fitokanana ny tempoly.
10 Ary toy ny nivavahan'i Mosesy tamin'ny TOMPO ka nahatonga ny afo avy any an-danitra hilatsaka sy handevona ny sorona; toy izany koa no nivavahan'i Salomona ka nahatonga ny afo avy any an-danitra hilatsaka handevona ny soronadorana manontolo.
11 Fa hoy i Mosesy: Satria tsy mba nohanina ny sorom-panalana ny ota, dia nolevonin'ny afo.
12 Ary toy ny fanao amin'ny fety hafa koa no nankalazan'i Salomona ny fitokanana nandritra ny valo andro.
13 Ireo zava-nitranga ireo ary dia samy hita voatantara na ao amin'ny raki-tsoratra tranainy na ao amin'ny boky fitadidian'i Nehemia. Hita ao koa ny nanorenan'i Nehemia tranom-boky sy ny nanangonany teo ny boky momba ny mpanjaka na ny mpaminany sy ny lahatsoratr'i Davida ary ny taratasin'ireo amperora persianina momba ny fanomezana ho an'ny tempoly."
14 Nangonin'i Joda Makabeo toy izany koa ny boky rehetra niely patrana nandritra ny ady natao taminay; ka eo an-tananay ireny boky ireny izao.
15 Ka raha misy ilanareo amin'izany, dia maniraha olona hitondra azy ho aty aminareo.
16 "Efa hankalaza ny fetin'ny fanadiovana ny tempoly ary izahay no manoratra aminareo ity taratasy ity mba hanainga anareo hankalaza izany andro izany koa.
17 Efa namonjy ny vahoakany rehetra Andriamanitra, ary efa namerina taminy ny taniny sy ny fanjakana ary ny fisoronana sy ny fandraharahana masina ao an-tempoly,
18 araka ny efa voalazany tao amin'ny bokin'ny lalana. Koa antenaintsika Izy fa hamindrafo amintsika raha afaka kelikely sy hamory eto amin'ny tany masina ireo mpiray firenena jiosy avy any amin'ny tany rehetra ambanin'ny lanitra ; satria ny tenantsika efa nafahany tamin'ny loza lehibe, ary ny tempoly efa nodioviny. "
19 Betsaka ny zava-dehibe nitranga tamin'ny andron'i Joda Makabeo sy ireo rahalahiny: ny fanadiovany ny tempoly lehibesy ny fitokanany ny alitara
20 ary koa ny ady nataony tamin'i Antiokosa Epifana sy tamin'i Eopatora zanany.
21 Niseho niharihary ny fitsimbinan'Andriamanitra an'ireo niady tamin-kafanampo hiarovana ny fivavahana jiosy; fa na dia vitsy aza ireo miaramila israelita, dia azony indray ny taniny manontolo ary nataony vaky nandositra ny tafika vahiny marobe.
22 Voaveriny ho azy indray ilay tempoly malaza eran'izao tontolo izao, nafahany ny tananan'i Jerosalema ary najorony indray ireo lalana saika efa nofoanana. Izany rehetra izany no tanteraka, dia satria nomba azy ny TOMPO tamin'ny famindrampo rehetra nanambinany azy.
23 Boky dimy no nitantaran'i Jasona avy any Sirena izany rehetra izany; fa boky iray kosa no hiezahako hamintinana azy.
24 Tsapako manko fa maro loatra ny tarehimarika sady betsaka ny zavatra raketiny, hany ka hosahirana tokoa izay te hanadihady ny fizotran'ny tantara.
25 Koa nimasoako mihitsy mba hanjary mahafinaritra ny raharaha ho an'izay hianina hamaky fotsiny, mora ho an'izay te hitadidy ny zava-nitranga, ary mahasoa ho an'izay rehetra sendra hamadibadika ity boky ity.
26 Ho ahy izay nisahana ny asa famintinana, dia tsy zavatra mora izany fa raharaha nitsembohana sy niaretan-tory.
27 Tsy latsaka noho ny an'izay mandahatra ny fanasana ka mitady hahafa-po ny olona nasaina ny hasarotany; saingy mba hahatonga ahy ho mendrika ny fankasitrahan'ny mpamaky maro, dia zakaiko amin-kafaliana izany asa mavesatra izany.
28 Ka ny filazana antsipiriany ny zava-nitranga tsirairay, dia avelako ho anjaran'ny mpanoratra ny tantara ; fa ny soritra momba ny famintinana azy kosa no hikelezako aina harahina.
29 Rehefa manorina trano vaovao, dia ny fitambaran'ny taotrano no adidin'ny TOMPO marika; fa ny mitady ny zavatra ilaina momba ny fanaingoana azy kosa no tsy maintsy ilofosan'ny miandraikitra ny handravaka sy handoko azy: toraka izany indrindra no anjara asako, araka ny hevitro.
30 Ny mpandahatra ny tantara no mamotopototra izay lazainy sy mijery ny lafin-javatra rehetra ary mifantoka amin'ny antsipiriany rehetra,
31 fa ny mpanao fandravonan-tantara kosa dia tokony homen-dalana hikendry ny famintimpintinan-javatra ary tsy mba hilaza feno ny zava-niseho.
32 Aoka hatomboko amin'izao ary ny fitantarako, fa tsy hampiako intsony izay voalaza izay; satria hadalana ny lava fiteny alohan'ny tantara, nefa mifintina fiteny amin'ny tena tantara.