2 Makabeo
Toko faha-10
1 Noho ny fanampian'ny TOMPO nitantana azy, dia azon'i Joda Makabeo sy ireo namany indray ny tempoly sy ny tanana Jerosalema.2 Noravany ny alitara natsangan'ny hafa firenena teo an-kianja mbamin'ireo tsatokazo fanompoan-tsampy.
3 Dia nanadio ny tempoly izy ary nanangana alitara vaovao; avy eo namelona afo tamina vato kilonjy izy ka nahazo afo ho an'ny fatan'ny alitara , ary nanolotra sorona indray fa roa taona izay no niatoany. Nandoro vovo-javamanitra hanetona koa izy ary nampirehitra ireo jiro sy nandahatra ny mofo fanolotra ho an'Andriamanitra.
4 Vita izany, dia nihohoka tamin'ny tany izy, ka nivavaka tamin'ny TOMPO mba tsy hampidi-doza toy izany aminy intsony; nangataka izy mba ho faiziny araka ny mety, raha mbola manota ihany, fa tsy hatolony an'ireo firenena mpaniratsira an'Andriamanitra sady barbarianina.
5 Tamin'ny volana Kisleo, andro faha-25, no nanimbazimban'ireo hafa firenena ny tempoly, ka tamin'io andro io koa no nanadiovana azy.
6 Fankalazana naharitra valo andro tahaka ny fanao amin'ny fetin'ny Trano tomboka no natao. Ka tsaroan'i Joda sy ireo mpomba azy fa andro vitsivitsy talohan'izay, dia tany an-tendrombohitra tany izy nandritra ny fetin'ny Trano tomboka, ary tao anaty zohy no nitoetra toy ny bibidia.
7 Noho izany, dia nitondra fehezan-dravina sy sampankazo aman-tsampandrofia ireo sady nanandratra hira fiderana ho an'Ilay Andriamanitra namela azy hanatontosa tsara ny fanadiovana ny tempoly.
8 Naraikitra ho didy voafidy sy lany eran'ny besinimaro ny hankalazan'ny firenena jiosy manontolo isan-taona izany fety izany.
9 Toy izany ary no fomba nahafatesan'ilay Antiokosa nantsoina hoe Epifana.
10 Dia indro kosa hasehoko izao ny amin'i Antiokosa Eopatora, zanakalahin'io mpankahala ny fivavahana jiosy io, ka ho tantaraiko fohifohy ny loza vokatry ny ady nataony.
11 Nony nandray ny fahefana mahampanjaka i Eopatora, dia nanendry ho praiministra an'i Lisia izay governora faratampon'i Koila-Siria sy i Fenisia
12 nandimby an'i Ptolemeo natao hoe koa Makrona. Ity Ptolemeo ity no governora voalohany nitandro ny hitsiny tamin'ny Jiosy taorian'ny zavatra tsy an-drariny nanjo azy ireo ary nikely aina hitondra azy tsy misy raorao.
13 Kanjo izany indrindra no niampangan'ireo" sakaizan'ny mpanjaka " azy teo anatrehan'i Eopatora. Sady imbetsaka izy no nandre ny tenany antsoina hoe mpamadika, satria nanankinan'i Filometora ny nosy Sipra izy kanefa nandao an'io nosy io mba hiandany amin'i Antiokosa Epifana. Very haja ny fahefana nananany ka namono tenaho faty tamin'ny poizina izy.
14 Fony tonga governoran'i Idomea i Gorjia, dia naka miaramila mpikarama an'ady ary nanararaotra izay fotoana azony namelezana ny Jiosy.
15 Tetsy an-daniny koa ny Idomeanina izay nitana trano mimanda tsara toerana, dia nanelingelina ny Jiosy. Noraisiny rahateo izay voaroaka hiala tao Jerosalema ary niezahany izay hahavelona ny ady.
16 Ry i Joda Makabeo sy ny namany, rehefa avy nivavaka sy nangataka tamin'Andriamanitra hanampy azy, dia niroatra namely ireo trano mimandan'ny Idomeanina.
17 Nanaovany fananihana mahery vaika ireny, ka azony tery; voatosiny avokoa izay niady teo ambony manda, novonoiny avokoa izay rehetra tojo ny tanany, ka tsy latsaka ny antokon-tafika roapolo no maty.
18 Nisy antokon-tafika sivy koa fara fahakeliny no nialoka tao amin'ny trano mimanda anankiroa nisy tilikambo mafy dia mafy sady nanana izay ilainy rehetra hiaretana fahirano.
19 I Simona sy i Josefa ary i Zakeo mbamin'ireo namany ampy isa tsara no navelan'i Joda Makabeo hampikoy an'ireo; izy kosa lasa nankany amin'ny toerana nilana azy maika.
20 Kanjo lian-karena loatra ny miaramilan'i Simona ka nanaiky ny fanisiham-bola nataon'ny sasany mpiambina ny trano mimanda; dia nandray drakma fito alina ireo ka namela handositra ny voa fahirano sasany.
21 Rehefa nilazana izany zava-niseho izany i Makabeo, dia namory ny filohan'ny tafika navelany teo ary niampanga izay meloka satria nivarotra amam-bola ireo rahalahiny ka namela handeha ny fahavalo nitam-piadiana hamelezana azy.
22 Dia nasain'i Joda novonoin-ko faty ireo mpamadika ireo; ary avy hatrany koa dia azony ny trano mimanda anankiroa.
23 Tamim-pahombiazana no nitondrany ny fanafihana ka mihoatra noho ny antokon-tafika roapolo no naringany tamin'ireo trano mimanda anankiroa ireo.
24 I Timoty, ilay efa resin'ny Jiosy teo aloha, dia namory miaramila vahiny betsaka sady naka mpitaingin-tsoavaly betsaka tany Azia, ary nandroso nomban-tafika haka an'i Jodea indray.
25 Nony mby akaiky io Timoty io, dia ny nivavaka tamin'Andriamanitra kosa no nataon'i Joda Makabeo sy ny namany; nohosena ny vovoka ny lohany , ary nosikinany lasaka ny tenany;
26 niankohoka teo am-pototry ny alitara izy, nangataka tamin'ny TOMPO homba azy sy "ho fahavalon'ireo fahavalony ary ho rafin'ireo rafiny" araka ny voalaza mazava ao amin'ny bokin'ny lalana.
27 Vita ny fivavahany, dia noraisiny ny fiadiany; ka nivoaka an'i Jerosalema izy sy lasa lavidavitra ihany, ary efa mby teo akaikin'ny fahavalo vao nijanona.
28 Ny ampitso, vao nazava ny andro, dia rafitra ny adin'izy roa tonta; ireto an-kilany moa dia ny fangatahana tamin'ny TOMPO nomba ny herimpony no antoky ny fahombiazany amam-pandreseny; iretsy an-daniny kosa tsy naka mpitarika an'ady afa-tsy ny fisafoahan-kandramatra.
29 Nony efa tena nangotraka iny ny ady, dia indreo hitan'ny fahavalo fa nipoitra avy an-danitra ireto olona dimy lahy mamirapiratra, nitaingin-tsoavaly voaisy sakam-bava volamena sady tonga nitarika ny Jiosy.
30 Nataon'izy ireo teo afovoany i Joda Makabeo, dia narovany tamin'ny fiadiany ary nambenany tsy ho voaratra; fa ny fahavalo kosa nandefasany tselatra toy ny zana-tsipika, hany ka jenjina sy nivadi-po ary dia nihahaka tao anaty korontana goavana.
31 Miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika roapolo sy andian-tafika dimy ary koa miaramila an-tsoavaly nisy andian-tafika enina no maty tamin'izany.
32 Ny tenan'i Timoty aza lasa nitsoaka tao amin'ny toera-mafy anankiray voaambina tsara, atao hoe Gezera, izay Kerea no mpitari-tafika tao.
33 Ry i Joda Makabeo sy ny namany kosa nanao fahirano azy tamin-kafanampo mifaly nandritra ny efatra andro.
34 Natoky ny hamafin'ilay toerana ireo voafahirano, ka tsy nitsahatra naniratsira an'Andriamanitra sy namoaka vava fankahalana ny fivavahana jiosy.
35 Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy roapolo tamin'ny miaramilan'i Joda Makabeo nirehi-pahatezerana tamin'izany faniratsirana an'Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda; izay fahavalo rehetra teo anoloany dia tamin-karomotana masiaka no namonoany azy ho faty.
36 Ary niakatra avy any ambadika toy izany koa ny sasany ka namely ny voafahirano tandrify azy, ary nandoro ny tilikambo sy nandrehitra antontan-kitay hazo handorana velona an'ireo mpaniratsira an'Andriamanitra; iretsy voalohany kosa namaky ny vavahady sy nanokatra lalana hidiran'ny tafika sisa, izay nahazo ny tanana.
37 Tratra niery tao amin'ny lavaka famorian-drano anankiray i Timoty ka novonoina ho faty; ary natao toy izany koa i Kerea rahalahiny sy i Apolofana.
38 Rehefa vita izany asan-kerimpo izany, dia nanaovan'ny Jiosy hira fiderana sy fankalazana ny TOMPO izay nahatontosa zava-dehibe ho an'i Israely ary nanome azy fandresena.