2 Makabeo

Toko faha-12

1 Rehefa vita ny fifanekena teo amin'i Lisia sy ny Jiosy, dia niverina nankany amin'ny mpanjaka i Lisia ary ny Jiosy kosa niroso namboly ny sahany.

2 Kanefa ireo governora teo an-toerana, izany hoe i Timoty sy i Apolony ilay zanakalahin'i Genea, mbamin'i Hieronima sy i Demofona , niampy an'i Nikanora filohan'ireo miaramilasiprioty, dia tsy namela ny Jiosy handry feizay na hiaina amim-piadanana.

3 Tamin'izay no nanao heloka bevava ny hafa firenena mponina tao Jopa. Mova tsy manam-pankahalana ny Jiosy akory ireto hafa firenena ireo; ka nasainy niakatra teo amin'ny lakan-drafitra voaoman'izy ireo ny Jiosy nonina tao an-tanana ombam-bady aman-janaka.

4 Hevitra niarahan'ny hafa firenena rehetra tao an-tanana izany, ka neken'ny Jiosy araka ny faniriany te hihavana, ary tsy nananany ahiahy velively. Kanjo nony tonga teny afovoan-dranomasina ireto Jiosy, dia nalentika ho faty an-drano avokoa: roanjato no isany raha farafahakeliny.

5 Vao ren'i Joda Makabeo ny halozana nafitsoka tamin'ireo mpiray firenena aminy, dia nomeny teny ireo vatan-dehilahy namany.

6 Ka nony avy niantso ilay Andriamanitra mpitsara ara-drariny i Joda, dia niroso hamely ny mpamono an'ireo mpiray firenena aminy: nodorany alina ireo tranon-tseranana, notsoloany afo koa ny sambo, ary notrobarany sabatra ireo hafa firenena nitady fialofana teo.

7 Nilaozany ny tanana, satria nihidy; kanefa ny hiverina hamongotra ny fitambaran'ny Jopita no fikasany.

8 Ren'i Joda ihany koa fa ny hafa firenena mponina tao Jamnia dia mikasa hanao halozana toy izany nafitsoky ny Jopita izany amin'ireo Jiosy monina ao aminy.

9 Ka tahaka ny natorony tao Jopa koa no namelezan'i Joda tamin'ny alina ireo mponina teo Jamnia: nodorany ny seranana mbamin'ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana vokatry ny fandoroana, nefa nisy 45 kilaometatra ny elanelany.

10 Niala tao Jamnia i Joda, dia niroso hamely an'i Timoty. Efa lasa roa kilaometatra ny dia no nisy Arabo nirotsaka hifanehatra amin'i Joda; antokon-tafika dimy ireo Arabo an-tongotra, ary andian-tafika dimy ireo an-tsoavaly.

11 Mafy tokoa ny ady, kanefa nandresy i Joda sy ny namany noho ny fanampian'Andriamanitra. Rehefa resy ireo Arabo mpifindrafindra lasy ireo, dia nangataka tamin'i Joda hamitram-pihavanana aminy, sady nanome toky hanolotra biby fiompy ho azy sy hanampy amin'ny zavatra sasany.

12 Hitan'i Joda fa maro ny zavatra azon'ireto Arabo ireto anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; ary nony avy nifandray tanana ny roa tonta, dia nody ho any an-dainy kosa ny Arabo.

13 Taorian'izany no nianihan'i Joda ilay tanana mafy anankiray atao hoe Kasfao: voahodidina manda izy io sady onenan'olona samihafa firenena.

14 Natoky ny manda mafy sy ny tahirin-tsakafo betsaka ireo voafahirano ka nanao toetra valavala mihoa-pampana tamin'i Joda sy ny namany sady nanevateva azy, ary nanao faniratsirana an'Andriamanitra amin-teny tsy mendrika hotononina.

15 I Joda sy ny namany kosa niantso ilay TOMPO lehibe sy mahery, Andriamanitr'izao tontolo izao, satria Izy no nampianjera ny mandan'i Jerikao faha-Josoa, tsy tamin'ny fitaovana fandrodana-manda na tamin'ny milina hafa; izay ry i Joda vao niantoraka hianika ny manda tamin-karomotana.

16 Araka ny sitrak'Andriamanitra no nahazoany ny tanana; dia vonoan'olona maro tsy hay tantaraina no nataony teo, ka hoatra ny feno ny ra nandriaka tao ilay kamory eo akaiky, izay nisy efajato metatra eo ho eo ny velarany.

17 Niala tao Kasfao i Joda sy ny namany, dia nandeha 140 kilaometatra eo ho eo ary tafapaka hatrany Karaksa, izay toerana nonenan'ny Jiosy atao hoe Tobianina.

18 Tsy hitan'izy ireo tao amin'izany faritra izany intsony i Timoty, satria efa lasa niala teo noho izy tsy nahavita na inona na inona teo; fa nisy kosa tanana mimanda anankiray nampitobiany miaramila maro dia maro.

19 Ny roa tamin'ny mpitari-tafik'i Joda Makabeo, izany hoe i Dositeo sy i Sosipatera, no nandeha nianika io tanana mimanda io sy namono ny olona navelan'i Timoty tao, ka nihoatra antokon-tafika folo ny isany.

20 I Joda Makabeo kosa tetsy an-daniny nitsinjarazara ny tafiny ho antokony ary nanendry izay ho mpitarika an'ireo antokon-tafika ireo. Avy eo izy dia niroso hamely an'i Timoty izay nitondra miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 120 ary miaramila an-tsoavaly nisy antokon-tafika roa sy andiany dimy.

21 Rehefa ren'i Timoty fa tamy i Joda, dia nalefany ny zaza amam-behivavy mbamin'ny fananany hankao amin'ny tanana anankiray atao hoe Karnaima. Toerana tsy voaani-pahavalo izy io sady sarotra hatonina, satria ety ny lalana rehetra mankao.

22 Ny antokon-tafika notarihin'i Joda no nipoitra voalohany, ka mampivadi-po ireo fahavalo, satria niseho nampihorohoro azy ny fahefan'ilay Andriamanitra mahita ny zava-drehetra; vaky nandositra ny miaramilan'i Timoty, ny sasany nankatsy, ny sasany nankary, hany ka izy samy izy ihany mazana no nifandratra sy nifanatrobaka tamin'ny sabatra.

23 Niezahan'i Joda hoenjehina ireo olo-meloka ireo, ka nasiany avokoa ary nahafatesany hatramin'ny antokon-tafika telopolo.

24 Ny tenan'i Timoty kosa voasambotry ny miaramilan-dry i Dositeo sy i Sospatera, ka nitalaho tamin-kafetsen-dratsy mba handefasan'ireo azy soa aman-tsara. Nihambo i Timoty fa eo am-pelatanany ny havana aman-drahalahin'ny ankamaroan'izy ireo; ka raha ampijaliana izy, dia mety ho vonoina ho faty iretsy.

25 Nanome toky tamin'ny teny lava teo izy fa handefa ireo olona voatana ireo sady tsy haninoninona azy akory; hany ka dia novotsoran'ny Jiosy i Timoty mba hamonjena an'ireo mpiray firenena aminy.

26 Tamin'izay kosa i Joda no niditra tao Karnaima sy tao amin'ny tempoliny voatokana ho an'ilay andriamani-bavy Atargatisa , ka nampamono ho faty vatan-dehilahy nisy antokon-tafika 25.

27 Avy nandresy sy nandripaka ireo fahavalo ireo i Joda, dia nitondra ny tafiny hamely an'i Hefrona, izay tanana mimanda onenan'olona maro samihafa firenena. Zatovo matanjaka no voalahatra teo anoloan'ny manda sy niady tamin-kerimpo; tao an-tanana kosa dia be dia be ny milina fitifirana sy ireo fitaovana fampiasa aminy.

28 Kanefa ny Jiosy, nony avy niantso ny TOMPO mahery, Ilay mpanorotoro amin'ny fahefany ny herim-pahavalo, dia nahazo ny tanana; ary vatan-dehilahy nisy antokon-tafika 25 tamin'ireo mponina tao no nataony maty niampatrampatra tamin'ny tany.

29 Niala tao Hefrona i Joda sy ny tafiny, dia nandroso hamely an'i Sitopoly, izay tanana teo amin'ny 110 kilaometatra avy ao Jerosalema.

30 Kanjo nilaza ireo Jiosy niorim-ponenana tao fa tsara fitondra azy ny mponina tompon-tany ary nahazoany fanampiana aza tamin'ny andro tsy fananany.

31 Koa nisaotra ny mponina tao Sitopoly ry i Joda sady nampirisika azy hanohy ny fitiavany an'ireo Jiosy ireo amin'ny ho avy. Taorian'izany ry i Joda no niverina tany Jerosalema, taloha kelin'ny fety Pentekosta.

32 Taorian'io fety Pentekosta voalaza teo io i Joda Makabeo sy ny tafiny no nandeha hamely an'i Gorjia izay governoran'i Idomea.

33 Ka niainga hisehatra azy i Gorjia nitondra miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika telo ary miaramila an-tsoavaly nisy andian-tafika efatra.

34 Rafitra ny ady, ary tamin'izay no nisy potraka vitsivitsy ny Jiosy.

35 Kanjo nisambotra an'i Gorjia ity lehilahy mahery atao hoe Dositeo mpitaingin-tsoavaly tao amin'ny andian-tafik'i Bakenoro; ny lamba saron-tsorok'i Gorjia no nisamborany sy nitarihany azy an-keriny, fa ny hahazo sambo-belona an'ilay olom-boaozona io no niriny. Saingy niantoraka tamin'i Dositeo ity mpitaingin-tsoavaly trasianina anankiray, ka nanapa-tsandry azy; hany ka afa-nandositra tany Masesa i Gorjia.

36 Tamin'izany kosa efa niady ela ny miaramilan'i Hazaria, ka reraky ny havizanana; dia niantso ny TOMPO i Joda Makabeo mba haneho fa mpanampy ny tafika jiosy Izy sady mpitarika azy an'ady.

37 Avy eo dia feo avo no niventesan'i Joda tamin'ny tenin-drazany ny akoran'ady omban-kira; ary nirotsahany tampotampoka ny miaramilan'i Gorjia ka nataony vaky nandositra.

38 Taorian'io ady io, dia novorin'i Joda Makabeo ny tafiny ka nentiny ho ao an-tananan'i Adolama ; ary higadona ny andro fahafito amin'ny herinandro, ka nanao ny fidiovana araka ny fanao ireo , ary nankalaza ny sabata teo amin'izany toerana izany.

39 Nony ampitso, araka ny fotoana tsy maintsy hanaovana azy, dia naka ny fatin'ireo Jiosy lavo an'ady ry i Joda mba halevina miaraka amin'ny havany ao am-pasan-drazany.

40 Isam-batan'olona tamin'ireo faty, dia samy nahitana tao ambanin'ny akanjo zava-masina avy amin'ireo sampy notompoina tao Jamnia : voararan'ny lalana jiosy ny fitondrana ireny. Ka niharihary tamin'ny olona rehetra fa izany no anton'ny nahafatesan'ireo.

41 Dia izy rehetra no indray nisaotra ny TOMPO, mpitsara ara-drariny, Izay nampiharihary ny zava-miafina,

42 ary nanomboka nivavaka izy ka nangataka tamin'ny TOMPO mba hamelany tokoa ny fahotana natao. I Joda ilay mahery fo kosa nampirisika ny miaramilany mba hitandrin-tena tsy ho voalotom-pahotana, satria he ity hita maso ny zava-nitranga noho ny fahotan'ireo lavo an'ady ireo.

43 Nanao famoriam-bola i Joda ka nahangona drakma roa arivo izay nampanateriny tany Jerosalema hanaovana sorona fanalanany ota. Fiheverana ny fitsanganan-kovelona no nanaovany an'izany asa soa sy mendrika izany.

44 Raha tsy nantenainy manko fa hitsangan-ko velona ny miaramila lavo an'ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an'ny maty.

45 Noheveriny koa fa valisoa tsara aoka izany no voatahiry ho an'izay mody mandry ombam-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina sy feno fitiavam-bavaka io fanoloran-tsorona io. Izany no nanaovan'i Joda io sorom-panonerana ho an'ny maty io, mba ho famelana ny fahotany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559